Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atatra: a.: Zavamaniry fanao fampivalanana ny voany saingy tsy azo omena ny ankizy na ny olona malemy tsinay fa mety hahatonga fivoahan-dra indray (Jatropha mahafalensis). Ahitsio
Atatra: a,: Fahamenarana, fahatsiarovan-tena (tsy fampiasa afa-tsy amin'it? fomba fiteny it?: Tsy uaky atatra: tsy mahalala menatra). ¶ M. h.: Tsy vaky afero, tsy valahara. Ahitsio
Atatra: a. ft.: Enti-milaza fahavokisana tsy anerany, fahatoranana, fihinjirana maty eo no ho eo. - t.i.f: Miatatra, fiatatra, mpiatatra j iatarana, fiatarana. Ahitsio
Atatra: a.: Akotry tsy voavaofy tamin'ny fitotoana azy ka mbola miharo amin'ny fotsimbary. - Manala atatra, mitsimpona atatra: manala akotry amin'ny fotsimbary harotsaka ao am-bilany. Ahitsio
Atavana: (tavana) mt. at. (atavano): Ampandihizina. Ahitsio
Atavoka: (tavoka) mt. fit. (atauohy): Entina mitavoka, mitsapa mba hahalalana tsaratsara kokoa. Ahitsio
Atavona: (tavona) mt. fit. (atavony): Entina manatavona, manafotetaka, manosina (fotaka...): Asa, na inona na inona no natavon'ny ankizy it? sary Ahitsio
Atazona: (tazona) mt, fit. (atazony): Entinamitazona. Ahitsio
Atefaka: (tefaka) mt, at. (atefaho): Apaika amin-javatra. Ahitsio
Atefintefina: (tefintefina) mt. fit. (atefintefeno): Enti-milaza izay entina mitefintefina, mitsatsaingoka, misalovana amin'ny raharahan'ny sasany. Ahitsio
Atefoka: (tefoka) mt. at. (atefohy): Apoaka. Ahitsio
Atefy: (tefy) mt. fit. (atefeo): Entina manefy. Ahitsio
Atehaka: (tehaka) mt, fit. (atehafo): Itehafana, ampiasaina mba hitehafana: Tanana anankiroa vao azo atehaka fa tsy tanana tokana monja ak.ory. Ahitsio
Atehika: (tehika) mt, at. (atehefo: Atao mitehika, mikasika kely, misafo: Ny tanany no natehiny tamin'ny faritra maharary amin'ny soroko. • Apaka, atao mikasika: Tokony hatehika hatrery amin' ny tafontrano ny tohatra Ahitsio
Atehina: (tehina) mt, fit. (ateheno): Ampiasaina atao tehina: It? hazo it? atehina rehefa mandeha ianao, Ahitsio
Atelina: (telina) mt, at, (atelemo na atelomy): Agorodana na avarina any an-tends: A-telomy haingana iny pilina iny fa mangidy. Ahitsio
Atemitra: (temitra) mt at. (atemero): Atao temitra; atao fefy andravahana: Taratasy henjana misy sarim-boninkazo mahafinaritra no natemitro ny efitranoko. Ahitsio
Atendry: (tendry) mt. fit. (atendreo): Ilazana ny rantsantanana enti-mitendry zavamaneno. Ahitsio
Atentina: (tentina) mt, fit. (atenteno): Entina mandoko; ahosotra: Tanirauo atentina fotsiny izany fa tsy ny tena zavatra akory. • Entina manentsina ny loaka: Mividiana savoka hatentina io siny mi-tete io. • Entina manala baraka, mandoto: Zavatra tsy nataoko akory no natentina ahy! Ahitsio
Ateny: (teny) mt. at,: Lazaina, ambara: Tsy nahita hateny ny anao lahy nony niditra tampoka aho. Ahitsio