Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Arofanina: a: Fefy atao tsy dia avo loatra fa nokendrena ho azo iankinana, manaraka ny sisin'ny tohatra na ny lavarangana, mba hiarovana tsy hianjera. Ahitsio
Arohy: (rohy) mt. fit. (arohizo): Afatotra, amatorana: Inty ny tady harohy ny on-dry. ? Afehy, amehezana: 0-meo kofehy harohy it? hazo hokapaina Ahitsio
Arokatra: p.mt.: Mitovy hevitra amin'ny aroa fa manondro mafimafy kokoa ary fitenin'ny ankizy: Misy lavajohy arokatra. Ahitsio
Aroky: (roky) mt. fit. (arokio): Entina mamitaka, mametsy, manambaka. Ahitsio
Aroloha: (Tsm) a.: Fombantolona omby iray toy izao: miforitra eo an-tsefaky ny tandroka ny tena ka ny tanana roa mihazona ny hatoky ny omby ary ny tongotra roa mangeja ny vavany. Ahitsio
Aromborombo: (romborombo) mt. at. (aromboromboy): A-vela hiromborombo. I (volombava) Avala haniry misaritadritaka: Nahoana re no dia aromborombo tahaka izao it? volombauanao e! Ahitsio
Aromoromo: (romoromo) mt. at. (aromoromoy): Avala hisy romoromo (zavatra mikiramborambo, kilema, tsininy): Aza aromoromo ny moron-tongotr'akanjonao. / Naromoromony ny fihavanana. Ahitsio
Arôna: (rona) mt. at. (arony): Ahilana, atongilana, araika: Aza ardna mankany an-kauia ny lohanao. Ahitsio
Arondrarondra: (rondrarondra) mt. at. (arondrarondrao): A-vela hikirazorazo. Ahitsio
Arongaronga: (rongaronga) mt, at.: Avala hitombo haingana, atao tonga maroroka. Ahitsio
Arongatra: (rongatra) mt. at. (arongaty, na arongato): A-voaka betsaka indray miaraka. Ahitsio
Arongo: (rongo) mt. fit. (arongoy): Ilazana izay entina mandravaka ny sisiny (lamba, akanjo...). Ahitsio
Aronjina: (ronjina) mt. at. (aronjeno): Atosika maherihery ka mianjera: Naronjiny aho ka saika potroka tany an-kady raha tsy nahafikitra tamin'ny ahitra Ahitsio
Aropiropy: (ropiropy) mt. at (aropiropio): Avala ho fadiranovana. Ahitsio
Arora: (rora) mt, at. (aroray): Avoaka miaraka amin'ny rora: Aroray haingana ilay vatomamy any am-bavanao fny. Ahitsio
Aroraka: (roraka) mt. at. (arorohy): Atao miketraka, migedragedra, mitambotsotra. Ahitsio
Arorika: (rorika) mt. at. (aroriho): Atao miketraka, miborerarera. Ahitsio
Aroritra: (roritro) mt. fit. (arorito): Entina mandroritra. Ahitsio
Arorona: (rorona) mt, at. (arorony): Avala hanambady olona ambany firazanana no-ho izy. Ahitsio
Aroso: (roso) mt. at. (arosoy): Enti-milaza zavatra omena olona ka entina eo anoloany: Arosoy amin'izao ny vary. ? Asaina miditra, ampidirina: Arosoy ilay olona ao fa efa niandry ela loatra ~ Entina: Naroso tamin'ny fitsarana ny adinay. 1 Afindra ho alohaloha kokoa: Naroso ny daty hanaovanafanadinana. Ahitsio