Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asoroka: (soroka) nit, fit. (asorohy): Entina misoroka, manao izay tsy hahavoazana. Ahitsio
Asorona: (sorona) mt, fit.: Entina misorona. Ahitsio
Asorotanitsisatry: a.: Anarana iantsoana koa ny kamboty. Ahitsio
Asorotany: a: Anaran'ny vola-na fahefatra amin'ny filaharan'ny volana malagasy merina, aorian'ny Adizaoza ary alohan'ny Alahasaty, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin'ny zoron-trano atsimo atsinanana. • Fanandr.: Vavany: raha tsy maty kely dia tratra antitra, o-mena olon-kafa havana fa andro mahery, tsy tezain-dray aman-dreny; vontony: tratra =titra; vodiny: tsara, manan-karena, raha tsy maty kely dia tratra antitra. Ahitsio
Asosa: (sosa) mt. at. (asosao na asosay): Aroso mikorisa mi-lamina tsara: Nasosa moramora ny lakana. Ahitsio
Asosona: (sosona) mt at. (asosony): Atao sosona. Ahitsio
Asosososo: (sosososo) mt. at. (asosososoy): Aroso aminkasahiana tsy am-pihambahambana. Ahitsio
Asosotra: (sosotra) mt. fit, (asosory): Entina hahasosotra. Ahitsio
Asotitika: (sotitika) mt. fit. (asotitiho): Entina manasotitika, mandoto. Ahitsio
Asovoka: (sovoka) mt. at. (asovohy): Alefa mba hamely tampoka: Miaramila roapolo no nasovoka hamely ny tobin'ny fahavalo. Ahitsio
asovony:jer. [sovoka], asovoka, asisika Ahitsio
Aspirà: (fr. aspirant) a.: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Solietnà izay amboniny sy ny Adjidà-Sefo ambaniny, mitovy laharana amin'ny Aspirà ihany koa amin'ny tafika an-dranomasina ambanin'ny Enseigne de vaisseau kilasy faharoa sy ny Maftre voalohany (j'en Grady). Ahitsio
Atabaka: (rabaka) mt. at. (ataboho): Enti-milaza andian' omby na ondry avala hikarenjy eny rehetra eny, atondraka: Aza atabaka et? amin'ny sahanay ny ondrinareo. Ahitsio
Atabariaka: (tabariaka) mt. at. (atabariaho): Aparitadritaka ets? sy er?, avala hikareniy ats? ar)'. Ahitsio
Atabataba: (tabataba) mt. fit. (atabatabao): Entina manabataba. Ahitsio
Atabonaka: (tabonaka) rat. at.: Avozihitra, ab ontsina. Ahitsio
Ataboretaka: (taboretaka) mt. at. (ataboretaho): Asainamibotetaka. Ahitsio
Ataboroaka: (taboroaka) mt, at. (ataboroahy): Avoaka hiseho any ambadika, managorobaka (zava-maranitra mandoaka). Ahitsio
Atabotetaka: (tabotetaka) mt, at. (otabotetaho): Apetraka, ka ny fanambaniny avala hivelatra. Ahitsio
Atafa: na Atafana a.: Karazana ravinala (Terminalia badam ia). Ahitsio