Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Asahy: (sahy) mt, fit. (asahio): (teny) Entina manompa, manevateva. Ahitsio
Asaika: (saika) mt. at. (asaiho): Enti-milaza ny fitaovana izay asoka ao anaty rano: Aza tovozina ny rano fa ny siny mihitsy asaika ao anaty rano; tsy ampy toy inona dia ho feno ny sininao. Ahitsio
Asaiky: (saiky) mt. at. (asaikeo): Atao saikiny na solony ratsiratsy kokoa: Mpitandrina tovolahy kely no nasaiky ny mpampianatra nanavy ka tsy faly ny mpianotrn. Ahitsio
Asaina: (asa) mt. ih. (asao): Angantahina ho tonga amin'ny fivoriana, sakafo, lanonana...: Nasain'idadabe nisakafo tany aminy izahay tamin' ny taom-baovao. 1 Didiana, omena teny: Nasain'ny fanjakana nanao lalana ny fokonolona ~ Tarihina, tao-mina, amporisihina: Nasainy nanaja ny mpiray monina ny zanany. Ahitsio
Asaina: (asa) mt. at. (asao): Ranitina, rangitina, atao tonga mifilofilo: Nasain'iza re ity antsy ity no nanjary naranitra aoko izany e! Ahitsio
Asaka: a: Enti-milaza ny soratr'omby mavo vasoka na ma-loto volo. Ahitsio
Asaka: (saka) mt, fit. (asakao): (ny tanana) Entina misaka, maka hazandrano na orana ao anaty rano na ao anaty la-valsa. Ahitsio
Asakafo: (sakofo) mt. at. (asakafoy): Atao sakafo: Omany izay hasakafo an'ireto vahiny ireto. Ahitsio
Asakaiza: (sakaizo) mt. at. (asakaizao): Omena olona ho sakaiza. Ahitsio
Asakambina: (sakambina) mt. fit, (asakambino): (ny sandry) Entina manakambina na misakambina. Ahitsio
Asakana: (sakana) mt. at. (asakano): Atao sakana, fefy: Vatan-kazo no nasakany ny fidirana tao anaty saha. Ahitsio
Asakelika: (sakelika) mt. at. (asakeleho): Hoentina ao ambany helika. Ahitsio
Asakobona: (sakobona) mt. fit. (asakobony): Entina hanafenana anaty zavatra, asarona: Inona no hasakobona ity vilia fa mahamenatra? Ahitsio
Asakonoka: (sakonoka) mt, fit. (asakonohy): Entina manafina anaty lamba. Ahitsio
Asalaka: (salaka) mt, at. (asalakao): Atao salaka. Ahitsio
Asalasala: (saiasala) mt. at. (asalasalao): Asaina misalasala. Ahitsio
Asalazana: (salazana) mt at.(asalazano): Asalisaly, atono, hamainina eo ambony af o. Ahitsio
Asalehotra: (salehotra) mt. at. (asalehory): Atao tonga sahisahy. Ahitsio
Asalobona: (salobona) mt. fit. (asalobony): Entina manasalobona, manakona amin'ny lamba. Ahitsio
Asalotra: (salotra) mt. at. (asalory): Atao salotra: Ilay fehitenda volonondry asalotra ny vozonao fa mikohaka ianao izany. Ahitsio