Teny nampidirina farany

Do
[admin]
: a. : Karazam-bibilava makadiry. (Pelophilus madagascariensis). Ahitsio
Dizina
[admin]
: a. : Enti-milaza fijoro mitsatoka tsara. 6 t.i.f. : Adizina, tafadizina / midizina, fidizina, mpidizina I idizinana, fidizinana. Ahitsio
Dizidizy
[admin]
: ft. : Enti-milaza firidiridiana. - t.i.f. : Adizidizy / midizidizy, fidizidizy, mpidizidizy 1 idizidiziana, fidizidiziana. Ahitsio
Dizenina
[admin]
: (fr. dizaine) : Antokony folo. Ahitsio
Divaina
[admin]
: (diva) mt.ih. (divao) : Omanina, amboarina : Divao ny entana fa handeha isika. Ahitsio
Divay
[admin]
: (fr. du vin) a. : Zavapisotro vita amin'ny ranomboaloboka navela hiketriketrika; misy alkaola eo amin' ny 11-12° eo ho eo ny divay ka mahamamo sy manimba raha sotroina betsaka; mety hahasalama kosa izy raha sotroina amin'ny fotoanan'ny sakafo ka tsy mihoatra ny androatokon'ny litatra amin'ny sakafo mandritra ny ny andro. Ahitsio
Divay
[admin]
: a. : Karazan-kazo salasala (Ketmie oseille), Ahitsio
Divà
[admin]
: (fr. divan) a. : Seza lava-lava misarina fandriana azo itsorana. Ahitsio
Ditsika
[admin]
: Ditsoka. : p.t. : Misy zavatra ao anaty maso : Ditsoka aho ka andraso kely aloha. 1 Tafiditry ny vovoka na poti-javatra ny maso ka jemby na tsy mahita : Ditsoka ny masoko ka mitete ranomaso. 1 H,i : Entin'ny alahelo na fahoriana mihatra ka feno ranomaso : Ditsoka ny fo amin'izao fahalasanan' ny olo-malala izao. Ny masoko ditsoka leoko ihany, Fa ny fo re no ditsoka ka tomany. (Ny Avana). - t.i.f. : Ditsfhina / aditsika / manditsoka, fanditsoka I anditsohana, fanditsohana. Ahitsio
Ditsihina
[admin]
: (ditsika) mt.ih. (ditsiho) : Rarahana na tsipazana vovoka na poti-javatra mba ho ditsika. Ahitsio
Ditsaka
[admin]
: a. : Fivalanandrano, amany. il t.i.f. : Manditsaka, fanditsaka, mpanditsaka 1 anditsahana, fanditsahana. Ahitsio
Ditsahina
[admin]
: (ditsaka) mt.ih. (ditsaho) : Lemana, vontosandrano, kotsakotsaina. Ahitsio
Ditra
[admin]
: a. : Kiry tafahoatra hanao araka ny hevitry ny tena na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza : Be di-doha koa izany raha olona. Tsy nahaleo ditra azy aho ka naleoko nihataka. ~ Finiavana hanao ny tsy mety na dia tenenina lava izao aza : Ditran' ankizy re izany! Tsy avala hifoka sigara izy ka mbola mifoka foana ihany. - t.i.f. : Dirina 1 miditra, fiditra, mpiditra 1 idirana, fidirana 1 mifanditra, fifanditra, mpifanditra 1 ifandirana, fifandixana 1 maditra, haditra 1 an-ditra, Ahitsio
Ditinonoka
[admin]
: a. : Hazo akana karazana ditY. Ahitsio
Ditina
[admin]
: na Ditiana (dity) mt.ih. (ditio) : Akambana sy araikitra amin'ny ditY. Ahitsio
Dity
[admin]
: a. : Ranon-javatra na ventiny koa aza, voavoatra mba hoenti - manakambana na mampiraikitra taratasy na hazo na zavatra hafa. - t.i.f. : Ditina na ditiana, adity, voaditY 1 manditY, fandity, mpanditY 1 anditiana, fanditiana 1 midity, fiditY 1 iditiana, fiditiana I mabaditY. Ahitsio
Dite
[admin]
: (fr. du thé) a. : Fisotro avy amin'ny rano ampangotrahina miaraka amin'ny ravin-javamaniry atao hoe dite; manan-kery mitovitovy amin'ny kafe ihany ny dite. Ahitsio
Disoina
[admin]
: (diso) mt.ih. (disoy) : Tsy natao marina : Nodisoinao ny marikao ka izany no tsy nahafahanao. ? Dikaina : Nodisoinao ny lalàna ka hofaizina ianao/ Melohina : Disoiko ny hevitrao, Raondriana. Ahitsio
Diso
[admin]
: o. : Tsy ah~?-dalana ara-pitsipil a : r a'so ny lahatsoratrao.; p.t. : Tsy marina : Diso izany filazanao izany. ? Meloka : Diso tamin-drainao ianao namaly boraingona azy. ~ Tsy nahatratra : Diso fidirana Ilita ka uoasazy. / Diso rasa ianao ka ny taolana sisa ho anao. / Diso fanantenana izy ka nitoloko. ? Tsy nahita, tsy sendra : Tratra aoriana loatra ianao ka diso azy. ? Tapaka, tsy tonga : Diso hadimiana ianao nandritra ny volana. 1'Lavo tamim-pitondmn-tena : Diso tamin'izany tovolahy nanangoly azy izany, hono, i Bako. ? Maty : Ireo dimy ireo ihany ve ny zanakareo ? Ireo no velona fa nisy roa diso, tompoko. ~ p.mt, : Loatra : Diso masaka ireto voankazo ireto ka efa misy simba. - t.i.f. : Disoina / mandiso, fandiso, mpandiso 1 mifandiso 1 andisoana, fandisoana 1 mahadiso. - F.-p, : Diso be voua : nanao hadisoana lehibe dia lehibe. / Diso fampana : mihoatra ny mety, mihoa-pampana be loatra. 1 Diso lalana : very ka mandehandeha amin'ny lalana tsy izy. / Diso lalam-piainana : tsy mandeha amin'ny lalam-piainana marina. / Diso ohatra : Jer. diso fampana. / Diso tanindrazana : tsy mahita tanindrazana. / Diso voua : nanao hadisoam - pitenenana (nahatonga ilay fitenenana hoe : voua diso tsy mba kabary. / Diso valu : Be dia be tsy hita isa (jer. Betsaka). I Sakalava diso : enti-milaza zazakely maty, tas, azo. /Diso paika ka matim-bela : fiteny amin'ny fanorona ilazana fa ny fahadisoam-pamindra indray mandeha no nahafaty. ¶ M.h, : Tsontsa, solafaka, diso paika, diso tetika, diso hevitra, lavo. Ahitsio
Disely
[admin]
: (fr. du sel) a: Zavatra tahaka ny vovo-tsira, fotsy, soMary mamiratra, ampiasaina' ho fanadiovan-kibo na fampivalanana; misy karazany roa ny disely, dia ny "sel de soude" ary ny "sel de magnésie", izay samy hafa ny fomba fiasany. Ahitsio