Teny nampidirina farany

Pantsona
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Fantsona. Ahitsio
Panina
[admin]
: (fr. panne) Fijanonan'ny masinina iray noho ny fahasimbana tsy nampoizina. Ahitsio
Panga
[admin]
: a.: Bibim-bomanga. Ahitsio
Pandaina
[admin]
: p.t.: Misy panda, feno panda. Ahitsio
Panda
[admin]
: a.: Pentina amin'ny hoditra vokatry ny hainandro, izay mety ho afa-panafody ihany na ho afaky ny fiovam-ponenana aman-draharaha. - t.i.f•: Pandaina. ¶M.h.: Hoditoho. Ahitsio
Panama
[admin]
: a: Anaran-tsatroka vita amin'ny ahitra henjankenjana ka fisaka mafimafy ny sofiny sy ny tampony. Ahitsio
Pampina
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry. Ahitsio
Pampana
[admin]
: a.: Firaparapana, fitsapatsapana. - t.i.f.: Mipampana, fipampana, mpipampana j ipampanana, fipampanana / mahapampana. Ahitsio
Palmie
[admin]
: (fr. palmier) a.: Anarana itambarana ilazana ireo karazan-kazo manana toetra manokana: ny tahony, tsoatokana; ny isan-draviny, fitambarana ravina madinika maromaro, toy ny rafla, voaniho... Ahitsio
Palitao
[admin]
: (fr. paletot) a.: Akanjo ambonin-dehilahy midina hatreo anrin'ny fitombenana, misy paosy ivelany, ary mivady amin'ny pataloa. Ahitsio
Palapala
[admin]
: p. t.: Lava mitezotezo. i t.i.f.: Mipalapala, fipalapala. Ahitsio
Palakinina
[admin]
: (fr. palanquin) a.: Filanjana misy tafony. Ahitsio
Pakapaka
[admin]
: p. t.: Lava manify. - t.i.f: Mipakapaka, fipakapaka. Ahitsio
Paka
[admin]
: (fr. pâques) a.: Fety lehibe indrindra amin'ny Kristianina fa fahatsiarovana sy fankalazana ny nitsanganan' i Kristy ho velona ny andro fahatelo taorian'ny nahafatesany. (Ny fetin'ny Paka dia naraikitra ho amin'ny alahady manarakaraka ny fenomanana aorian'ny 21 Marsa). Ahitsio
Paka
[admin]
: a.: Fidonana eo akaiky; fifanakaikezana, fihaonana. i t.i,f.: Apaka, voapaka, tafapaka / manapaka, fanapaka, mpanapaka j anapahana, fanapahana / mipaka, fipaka, mpipaka j mahapaka / pakapaka j mipapaka. Ahitsio
Paka
[admin]
: p.t.: Kitsokitso na tsokitsoky loha: Pa-tendro ir? tendrombohitra - F.-p•: Paka lelo: mikirazorazo toa marani-doha eo ambony molotra ny lelo: Zaza paka le1o. Ahitsio
Paka
[admin]
: a.: Kiran-javamaniry mitovy amin'ny taretra fanaovana gony. Ahitsio
Paiso
[admin]
: (fr. pêche) a.: Hazo fihinam-boa, izay matsiro sady be ranony ny voany ary misy taolany: Tafatsiry indray ny maitso / Eo an-tokotaninay / Rako-pelana ny paiso / Mavokely ranoray. (Dox) Ahitsio
Paingotra
[admin]
: (fr. épingle) a.: Vy marani-doha mitovitovy halehibe sy halava amin'ny tsilon-draiketa ary misy motiny kely ny vodiny, atao fanakambanana taratasy, fitanana akanjo na fametahana sary amin'ny rindrina. - t.i.f.: Paingorina, voapaingotra / manapaingotra, fanapaingotra, mpanapaingotra j anapaingorana, fanapaingorana j mipaingotra, fipaingotra, mpipaingotra J ipaingorana, fipaingorana / mahapaingotra, paingopaingotra. - F.-p.: Paingo-jaza: v va-lava nafolaka, natao hrranana lamban-jaza indrindra. Ahitsio
Paingorina
[admin]
: (paingotra) mt. ih. (paingory): Tanana amin'ny paingotra: Paingory amin'ny rindrina ity sary ity. Ahitsio