Teny nampidirina farany

Poatoizay
[admin]
: p. mt.: Miaraka amin'izay, miaraka amin'ny vava. Ahitsio
Poapoaka
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry sahala amin'ny bosoa. Ahitsio
Poaketra
[admin]
: na Poketra (angl. pocket) a.: Karazana lasaka kely mazàna vita amin'ny hoditra, fitondran'ny vehivavy an-tanana ka ataony fasiana ny zavajavatra madinika tsy misaraka aminy, toy ny mosara, vola, ans.: NanJary fomban-kaingon'ny vehivavy ankehitriny ny poketra noho ny bikany sy ny hasarobidin' ny zavatra nanaovana azy. Ahitsio
Poaka
[admin]
:Firefotra (oh: firefotry ny basy, firefotry ny varatra) Ahitsio
Poahana
[admin]
: (poaka) mt. ih. na pdr. (poahy): Tifirina: Nopoahany basy ny alikany ka maty. 1 Torahana, tsipazana: Aoka hopoahako auto io vorona io. 1 Asiana: Tsy manaiky aho fa nopoahan'ny zokin'ialahy totohondry ny zandriko. 1 Latsahana: Nopoahan'ny mpanao behariva ny paisonay ka najifa. ? Natao amim-pahaizana, am-paharisihana: Nopoahany ny tsianjery ka vaky vava daholo ny olona rehetra nanatrika. Ahitsio
Poa
[admin]
: na Poapoa t. p.: Teny voateny raha misy zavatra ratsy maharikoriko, zava-tsy tiana na mahasosotra: Poa! ataoko inona akory iny! 1 Teny voateny raha maharay zava-maloto ny zaza, ka asafna-ariany io voarainy io: Poa! maloto iny fa ario! Ahitsio
Poa
[admin]
: a.: Teny enti-milaza nyfeo heno rehefa mandrehoka. Ahitsio
Pnemonia
[admin]
: na Amonia, Tevika (fr. pneumonie) a.: Aretina avy amin'ny mikraoby manokana mpamely ny havokavoka: tampoka ny fiaviany, mangatsiaka mafy ny tena ary tsaroana misy maharary mafy ao amin'ny tratra toy ny misy manevitevika; sarotra ny fiainana; misy kohaka fohy ary ny rehoka mivolona harafesina. Ahitsio
Pne
[admin]
: (fr. pneu) a.: Fingotra mafy vita boribory misy fingotra manify mibontsin-drivotra ao anatiny, fanaovana kodiaran'ny fiarakodia sy ny fiaramanidina. Ahitsio
Plevra
[admin]
: (fr. plèvre) a.: Fonon' ny havokavoka, izay roa sosona ka ny sosona anatiny miraikitra amin'ny havokavoka ary ny ivelany amin'ny haran-tratra; eo anelanelan' izy roa, misy rano izay manarona ny hetsiky ny fiaina. Ahitsio
Plastika
[admin]
: (fr. plastique) a.: Zavatra amboarina amin'ny fomba simika, izay manify sy tantera-pahazavana nefa mafy, anaovana harona na fitoeran-javatra na karazandamba koa aza. Ahitsio
Planina
[admin]
: (fr. Plan) a.: Tetika efa maty paika entina manatanteraka soritr'asa iray na ma-ro mandritra ny fotoana voafetra mialoha; teti-pivoarana. Ahitsio
Planety
[admin]
: (fr. planète) a.: Ireo vongana goavana — anisan' izany ny tany — entin'ny herin'ny masoandro manodidina azy ary mandray hazavana avy aminy: Misy sivy ny planety fantatra hatramin' izao. Ahitsio
Plaky
[admin]
: (fr. plaque) a.: Takelaby misy filazana. • Takelapitaratra rakotra zavatra na-tao ho mora handray hazavana, fampiasa amin'ny fakan-tsary fotografia. Ahitsio
Pizina
[admin]
: (py) mt. ih. (pizo): A-naovana baiko amin'ny maso: Nopiziko maso izy vao nangina fa saika mbola hiteniteny be tao. - F.-p.:Tsy nopizin-tory:tsy nahita tory. * Ohab.: Axa pizina ny teny fa manana elatra, ka raha pizina manidina: enti-milaza ny tsy tokony hanaitairana ny teny ataon'ny olona, fa raha taitra eo, dia very ny fitohizan'ny teny. Ahitsio
Pitsoka
[admin]
: a.: Fifandisoan-taolana. 1 Folaka: Pitsoka ny tongony havia. i Fahasimbana fanalahidy. - t.i.f.: Pitsohina, apitsoka, voapitsoka / manapitsoka, fanapitsoka, mpanapitsoka / anapitsohana, fanapitsohana / mipitsoka, fipitsoka, mpipitsoka / ipitsohana, fipitsohana / pitsopitsoka / mipitsopitsoka. Ahitsio
Pitsohina
[admin]
: (pitsoka) mt. ih. (pitsohy): (taolana) Esorina amin'ny toerany, • (varavarana) Vohana an-terisetra tsy misy fanalahidy: Pitsohy ity varavarana ity fa very ny fanalahidy. Ahitsio
Pitsofaoro
[admin]
: (angl. pitchfork or tuning fork) a.: Fitaovana atao fakana feo rehefa mihira. Ahitsio
Pitsiny
[admin]
: a.: Sasiny na filatro amin'ny fitendrena zavamaneno; fihetsika na fiangolangolana alohan'ny hamakiana teny na hiventesana hira: Hira ve ity ka ilana pitsiny? b: pitsipitsiny: n'y antsipirihan'ny Zavatra iray. mifanohitra amin'ny ANKAPOBENY Ahitsio
Pitsiny
[admin]
: (angl. pitch) a.: Ny haavo na ny haivam-peo amin' ny taira. Ahitsio