Teny nampidirina farany

Parapany
[admin]
: (Ski) a.: Vilia vifotsy. Ahitsio
Parapaingo
[admin]
: a.: Fototra mafy anrin'ny tady na rojo vy; gadra misy masomby natao tamin'ny tongotry ny olomeloka fahiny: Ataouy amparapaingo io akoho io sao lasa. 1 Li. f.: Amparapaingo. Ahitsio
Paraky
[admin]
: a.: Zavamaniry fifoka sy fihinana ny raviny fa ma-nana hery manaitaitra ny atidoha: Homam-paraky; mihinam-paraky; leom-paraky. - F.-p.: Paraky an'orona: paraky fitroka, izany hoe atao any anaty orona dia trohina. / Paraky be hatoka: paraky lehibe kiran-draviny. / Paraky jolo: paraky mahitsy ary henjana ny tahony. / Paraky kisoka na uoakisoka: vovo-paraky hanina (atao ambany lela). f Paraky kitsoloha: paraky mitsilotsilo ny raviny. 1 Paraky taiko: paraky lava taho. / Paraky uolotsangana: paraky henjankenjana ohatra ny ravim-bolotsangana ny raviny. ) Paraky ooalaro: paraky nasiana laro (lavenona) mba hampaherihery azy. * Ohab.: Paraky nankaleo ahy ka raha tsy fotsy angola tsy avelako: enti-milaza zavatra efa nisahiranana sy nisasarana izaitsizy ka tsy a-vela raha tsy efa tsy misy azo atao aminy intsony. Ahitsio
Paradisa
[admin]
: na Paradizy (fr. para-dis) a.: Fonenan'ny olona tsara fanahy aorian'ny fahafatesana, araka ny finoana kristianina, izay iainany ao anatin'ny fahasambarana ateraky ny fahitana an'Andriamanitra. Toerana mahasambatra sy mahafinaritra: Tana paradisa kely ity sahanareo mangatsiatsiaka feno voninkazo ity. Ahitsio
Papolahy
[admin]
: (Ski) a.: Anaran-kazo fanao fanafody sohihina. Ahitsio
Papelimosy
[admin]
: (fr. pamplemousse) a.: Hazo fihinam-boa mitovitovy karazana amin'ny voasary, somary marikivikivy ny voany. Ahitsio
Papelika
[admin]
: a.: Karazam-borona mifanahatahaka amin'ny tsipoy fa kelikely kokoa (hatava: 18 sm), izay hazain'ny olona fatratra noho ny henany tena matsiro. Voadiniky ny ntaolo ny fanenony fa tahaka ny manao hoe "tsara aho", ka dia izany ny nanaovany azy ho tahaka ny mandoka tena ka nahatonga ny fitenenana hoe "midoka tena toy ny papelika". Ahitsio
Papapapa
[admin]
: a.: Famindra maika nefa toa tsy mijery izay dia-vina ;totototo;raparapa. 1 t.i.f.: Apapapapa, tafapapapapalmipapapapa,fipapapapa, mpipapapapa / ipapapapana, fipapapapana / mahapapapapa. Ahitsio
Papangohazo
[admin]
: a.: Zavatra mitapelaka (taratasy henjana na baoritra maivana sady manify) didiana atao mitarehimpapango mivelatra elatra, dia asiana kofehy mba hitanana azy ary dia alefa hoentin'ny rivotra manidina (atao koa , hoe sarimpapango). Ahitsio
Papangofotsy
[admin]
: a.: Karazam-papango tsy mba mahay mifaoka fa iantombenany kosa ny biby asiany, toy ny akoho, gana, dokotra, voalavo.... ¶ M.h.: Fanohoka, fanindry. Ahitsio
Papango
[admin]
: a.: Vorona mpihinankena, malaza amin'ny fipaohana ny zanak'akoho. - F.-p.: Papango tanana: ilazana ny olona faingan-tanana izay maka zavatr'olona amim-pahakingana mba hangalariny. * Ohab.: Papangolahy anaty katsaka ka izay miuoaka rainy avokoa: ilazana ny mpifaninana, ka izay miseho mahay daholo. Ahitsio
Papangay
[admin]
: a.: Karazam-boatavo (Luffa acutangula). Ahitsio
Papay
[admin]
: a.: Karazam-boankazo. Ahitsio
Papa
[admin]
: a.: Ny filohan'ny Eglizy katolika, dimbin'i Md. Piera; ny Ray masina. Ahitsio
Paositra
[admin]
: (fr. postes) a.: Antokon - draharaham - p anjakana misahana ny fitondrana ny taratasy sy entana ifandefasan'ny olona. Ahitsio
Paosy
[admin]
: (fr. poche) a.: Fomban' akanjo toy ny lasaka kely mizaitra ety ivelany ka fasiana zavajavatra madinika isan-karazany: Ny daka no misy am-badika; ny loka no misy an-koatra; ny akanjo no soa misy paosy (,.,.) fa ratsy koa raha ratsy raha mba miuadika ny marina (Anganon' ny ntaolo). Ahitsio
Paompy
[admin]
: (fr. pompe) a.: Fampakaran-drano avy any ambanin'ny tany hatao fantsakananavovo. Ahitsio
Paoma
[admin]
: (fr. pomme) a.: Karazan-kazo fihinam-boanampidirina teto, misy voany kely madinika, fihinana amin' izao na atao kaonfitira na a- naovana ranom-boankazo; ny ranon'ny paoma koa, rehefa avala hiketriketrika, dia anaovana zava-pisotro atao hoe sidira. Ahitsio
Paoka
[admin]
: a: Fifaohana avy hatrany ary amim-pahakingana; fakana zavatra an-keriny, izay entina mandositra. è Paohina 1 apaoka, voapaoka, pinaoka j mipaoka, fipaoka, mpipaoka / ipaohana, fipaohana / mahapaoka. Ahitsio
Paohina
[admin]
: (paoka) mt, ih. (paohy): Faohina avy hatrany ary amim-pahakingana: Nopaohin'ny papango ny akohokely. ~ Alaina an-keriny avy hatrany dia entina mandositra: Nopaohin'ny tontakely daholo ny fitafiany rehetra tao an-trano. Ahitsio