Teny nampidirina farany

Rafaralahy
[admin]
: na Randriam parany a.: Anarana iantsoana sy ilazana ny zanaka lahy zandriny indrindra amin'ny nateraka. Ahitsio
Rafara
[admin]
: na Rafaravavy a,: Anarana iantsoana sy ilazana ny zanaka vavy zandriny indrindra amin'ny nateraka. Ahitsio
Rafandrafana
[admin]
: p.t.: Mienjika atsy mienjika aroa noho ny tahotra, ny fivadiham-po. - t.i.f.: Arafandrafana / mirafandrafana, firafandrafana, mpirafandrafana. Ahitsio
Rafana
[admin]
: a.: Fofona mahery mahatofoka, fofona mandraraka. - t.i.f.: Mandrafana. Ahitsio
Radraty
[admin]
: (Ski) a.: Rivotra mafy avy any avaratra, mifanohitra amin'ny fandohotse avy any atsimo. Ahitsio
Radona
[admin]
: na Radondradona p. t.: Tsara bika, mifanentana sy mifanao ara-keviny amin' izay maha-tsara azy ny habe sy ny halava. - t.i.f.: Maradona, maradondradona. Ahitsio
Radoina
[admin]
: (rado) mt. ih. (radoy): Ampanaovina rado, haingĂ´ina amin'ny rado: Noradoina i Soa kely ka aoka izany ny hatsarany! Ahitsio
Rado
[admin]
: a.: Fehivozona vita amin' ny vakana volamena na volafotsy. - t.i.f : Arado, radoina / mirado, firado, mpirado / iradoana, firadoana / maharado. Ahitsio
Radisa
[admin]
: na Radisy (fr. radis) a.: Karazan'anam-bazaha misy vodiny ary masiatsiaka ny tsirony. Ahitsio
Radio
[admin]
: (fr. radio, izay fanafohezana ny hoe radiodiffusion (a) na radiographie (b): a) fandefasana onja tsy hita maso atao hoe onja "hertzien-ne", izay azo avadika ho feo ka entina hilazana vaovao, na tantara na lahateny: Tsy nihaino radio aho aninaraina. b) fitarafana zavatra tsy tantera-pahazavana, toy ny no-fo, taolana, ka ahazoana mitsabo faritra marary any anaty:Efa natao radio ny tongo- ny tapaka. Ahitsio
Radaradaina
[admin]
: (radarada) mt. th, (rad aradao) : Itenitenenampoana tsy misy antony. Ahitsio
Radarada
[admin]
: (Ski) ft.: Halavana. I t.i.f. : Miradarada. Ahitsio
Rada
[admin]
: na Radarada a.: Fitenitenenam-poana tsy misy antony; firediredena. ? Fitenenana miahotrahotra. - t.i.f.: Radaradaina, aradarada, tafaradarada / mirada, firada, mpirada; miradarada, firadarada, mpiradarada I iradaradana, firadaradana / maharada / maharadarada. Ahitsio
Raboka
[admin]
: a.: Aretin'ny havokavoka avy amin'ny bibin'aretina atao hoe basila Koch. Ahitsio
Raboka
[admin]
: a.: Kilalaon'ankizy isehoan-kakingana sy hafainganam-pandeha: misy ankizy iray izay atao hoe boka; manenjika ny ankizy rehetra eo izy, ka izay voakasiny dia boka misolo azy indray. Indraindray kosa anefa raha mitaingim-bato ireo enjehina, na toerana voatondro tsy hahaboka, dia tsy boka na dia voakasika aza: atao hoe tsibohaboka ny anaran' ilay kilalao amin'izany. Ahitsio
Raboha
[admin]
: (fr. rabot) a.: Fiasana famankonana hazo. Ahitsio
Rabitro
[admin]
: (angl. rabbit) a.: Jar. Bitro. Ahitsio
Rabevoina
[admin]
: a.: Teny tsy manaja loatra iantsoana olona efa maty, izay matetika atao hoe Itompokolahy na Itompokovavy: Iza no tsy mahatsiaro ny nataon-dRabevoina Ranona? * Ohab.: Raha rainao ataonao hoe Itompokolahy dada; fa raha raiko kosa, Rabevoina rainao: enti-milaza fiangarana amin'ny fitenenana ka raha an'ny tena soasoavina, fa raha an'n- hafa bantibantina. Ahitsio
Rabatra
[admin]
: a.: Dimbana atao amin'ny tolam-baravarana mba hidiran'ny lelavaravarana. Ahitsio
Rabarabaina
[admin]
: (rabaraba) mt. ih. (rabarabao): Atao tsy amimpiheverana. Ahitsio