Teny nampidirina farany

Petsaina
[admin]
: Petsana (petsa) mt. ih, (petsao): Atao tonga mando; kotsana. Ahitsio
Petsahina
[admin]
: (petsaka) mt. ih. (petsaho): Lemana, mandoina, atao izay hahatonga azy mangeniheny. Ahitsio
Petsa
[admin]
: p. t.: Tsy maina fa misy rano ka mando be. - t.i.f.: Petsaina, petsana, apetsa, voapetsa / petsapetsa f petsapetsaina, apetsapetsa, voapetsapetsa / marnetsapetsa, fametsapetsa, mpametsaqetsa / ametsapetsana, fametsapetsana j mahapetsapetsa. Ahitsio
Petrika
[admin]
: na Petripetrika a.: Jer. Pitrika na pitti¢itrika. Ahitsio
Petraka
[admin]
: a.: Fitoerana, toerana misy ny tena; fitombenana fa tsy fitsanganana. - t.i.f.:Petrahana, apetraka, voapetraka, tafapetraka / mametraka, fametraka, mpametraka / ametrahana, fametrahana / mipetraka, fipetraka, mpipetraka j ipetrahana, fipetrahana / mahapetraka / petrapetraka. - Petrak'ahitra: fandrika atao mba hanombotombohana ny hafa (nisy olon-dratsy mpamandrika taloha izay nanao toy izao: nametraka entan-kely teo anjoron-dalana izy, dia nihataka lavidavitra nitily, ka izay naka an'ilay entan-kely dia notombohany ho mpangalatra), / Petra-parafara: ny hazo fisaka tontam-parafara. Ahitsio
Petrahana
[admin]
: (petraka) mt. pdr. (petraho): Enti-milaza izay asiana, ametrahana zavatra: Nopetrahan'i Bozy ilay siny mitete ny tsihy ka lena. Ahitsio
Petra-dango
[admin]
: a.: Fomba nanaovana ny lango. (Raha vao nanomboka ho mena reny ny vary eny an-tanimbary, dia niotazan'ny olona ha-tao lango, ka ny sasany nentina hisaorana an'Andriamanitra Andriananahary, ary ny sasany kosa hanaovan'ny ankizy sambasamba). Ahitsio
Petra
[admin]
: a.: Fandrarana na fisakanana, - t.i.f.: Perana, voapetra. Ahitsio
Petaka
[admin]
: p. t.: Fisaka, tsy mivohitra fa mitovy tantana amin'ny manodidina: Orona petaka. • a.: Fandraiketana zavatra roa na maro mba hikambana tsara: Misy petataratasy eo amin'ny rindrin' ny tranonareo. - t.i.f.: Petahina, petahana, apetaka, voapetaka, pinetaka, tafapetaka / mametaka, fametaka, mpametaka / mipetaka, fipetaka / ametahana, fametahana / ipetahana, fipetahana. • F.-p,: Petaka an-toko na peta-toko: enti-milaza zavatra natao antemaka, tsy dia mafy rafitra fa kongorevo, vita tsizarizary. f Peta-doha: ilazana fantsika izay mitapelaka sy fisaka ny lohany. / Peta-drindrina: (taloha) nilazana ny saridiseza amin'ny trano; (ankehitriny) taratasy apetaka amin'ny rindrina misy filazana ho an'ny be sy ny maro. f Petaka orona: enti-milaza olona izay fisaka mila hitovy tantana amin' ny tarehiny ny haavon'ny orony. f Peta-taikomby: fametahana tainomby amin'ny rindrina. / Peta-taratasy: fametahana temitra na taratasy be velarana amin'ny rindrina. * Ohab.: Tsara tarehy petaka orona ha uoatondro iray no tsy naha-izy azy: zavatra kely matetika dia ampy hanimba zavatra iray izay mety ho tsara amin'ny ankapobeny. Ahitsio
Petahina
[admin]
: (petaka) mt. ih. (petaho): Fisahana amin'ny fa-m oretana. Ahitsio
Petahana
[admin]
: (petaka) mt pdr na ih. (petaho): Raiketana: Nopetahany taratasy misy teny fanarabiana ny lamosin'I-sambilo. • Asiana, tefohana: Petaho tehamaina io zaza io fa maditra. • Raisina, samborina: Nopetahan'ny polisy tlay mpangalatra. Ahitsio
Pesta
[admin]
: (fr. peste) a.: Areti-mifindra mahatahotra aoka izany, izay misy karazany roa: ny "peste bubonique" sy ny "peste pulmonaire": ilay voalohany dia azo avy amin' ny kaikitry ny parasy tratran'io aretina io noho ny nanaikerany voalavo narary, ka ny amantarana azy dia ny fisehoana atodintaria eo amin'ny tata na ambany hetika; ny "peste pulmonaire" kosa, izay miendrika amonia dia mifindra mivantana avy amin'ny olona voany ka anisan'ny aretina mora mifindra indrindra. Ahitsio
Pesipesenina
[admin]
: na Pesipesinina: Heverina, (tsy fampiasa afatsy raha miaraka amin'ireto teny ireto: tsy azo, tsy hita, tsy takatra): Tsy hita pesipesenina ny haben'ny masoandro. Ahitsio
Perovianina
[admin]
: (fr. pérouvien) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Peroa (Amerika atsimo): Ny Perouianina no voalohany amin' ny fanjonoana eran'izao tontoio izao. ? p.t.: Momba an'i Peroa, an'i Peroa na avy any Peroa: Fomba perovianina. Ahitsio
Perla
[admin]
: (fr. perle) a.: Voahangy. Peripetika a.: Jer. Tsipetrika. Ahitsio
Peretika
[admin]
: a.: Karazam-borona. Ahitsio
Peratra
[admin]
: a.: Masom-by na metaly hafa (volafotsy, volamena) atsofoka amin'ny rantsantanana mba hatao firavaka na ho mari-pomba misy heviny sy dikany: Peratry ny fifamofoana; peratry ny mariazy. - t.i.f.: Miperatra, fiperatxa, mpipexatra / iperatana, fiperatana f mahaperatra. Ahitsio
Perana
[admin]
: (petra) mt. ih, (pero): Rarana, sakanana: Pero mafy ny zanakao tsy hilalao eo amoron-teuana. Ahitsio
Pepoina
[admin]
: (pepo) mt. ih, (pepoy): Asiana lempona, atao pepo: Adala mihitsy i Soa kely: nopepoiny tamin'ny vato ny sininy. ? h.o.: Tsy avala hitraka, tsy avala handroso: Aza pepoina ny tanora fa avela izy hivelatra amin' ny maha-izy azy. Ahitsio
Pepo
[admin]
: p.t.: Misy lempona petaka milentika: Nidona tamin'ny varavarana izy ka pepo ny handriny. - t.i.f.: Pepoina, apepo, voapepo, tafapepo / manapepo, fanapepo, mpanapepo f anapepoana, fanapepoana f mipepo, fipepo, mpipepo f ipepoana, fipepoana f mahapepo / pepopepo. Ahitsio