Teny nampidirina farany

Potsiarana
[admin]
: (potsiatra) mt. ih. (potsiaro): Enti-milaza zavatra na olona asiana, andefasana rano mifantsitsitra. Ahitsio
Potsehina
[admin]
: (potsika) mt. ih. (potseho): Atao torotoro toy ny vovoka, kosohina: Potseho ireo vomanga ireo homena ny zazakely, Ahitsio
Potsaka
[admin]
: a.: Fisehoana sady fahavakisana; fipoiran-javatra eny ivelany; fivoahana avy ao anaty. - t.i.f.: Apotsaka, voapotsaka, tafapotsaka 1 mamotsaka, famotsaka, mpamotsaka; manapotsaka, fanapotsaka, mpanapotsaka / amotsahana, famotsahana; anapotsahana, fanapotsahana / mipotsaka, fipotsaka 1 ipotsahana, fipotsahana 1 mahapotsaka 1 potsapotsaka. Ahitsio
Potretra
[admin]
: p. t.: Fohy kely, botry, zeny(jer. Botretra). Ankizy potretra: zazalahy na zazavavy kely. Ahitsio
Potraka
[admin]
: rat.: Lavo: Nisolafaka izy ka potraka. ? h.o.: Ny ketraka mora mivarina / Miroraka tonga kanosa;/Ny po-fraisa nefa tafarina / Ireny ha olona kosa (Ny Av.). ? Nianjera: Potraka auy teny an-daaarangana ilay zaza. ? Miongana, mihem-boninahitra, nesorina amin'ny raharahany: Fatra-panao ny tsy rariny ny anao ka potraka. - t.i.f.: Apotraka, voapotraka, tafapotraka 1 mamotraka, famotraka, mpamotraka 1 manapotraka, fanapotraka, mpanapotraka / amotrahana, famotrahana; anapotrahana, fanapotrahana 1 mifamotraka / mipotraka, fipotraka, mpipotraka 1 ipotrahana, fipotrahana / mahapotraka 1 potrapotraka. • F.-p.: Potraka am-parafara: manana sakaiza ratsy tsy mitovy saranga amin'ny te-na. / Mipotra-tsatroka: miala satroka, mipoa-tsatroka, manaiky. I Mipotra-tsaina na mamotra-tsaina: miaiky fa resy, milavo lefona. * Ohab.: Potraka omen-tehina, solafaka omen-kiraro: enti-milaza izay tsy mahay manararaotra ny fanampiana a-tao azy. ¶ M,h.: Lavo, mianjera, mibolaly, mibolila, mibolisatra, mibolasitra, misolifaka, misolafaka, misobilatra, misolifatra, mitsirara, mitsingoana, miongana, midaboka, miantonta, mitrosina, mitrotrongy, mitsinkasina, mitotongana, mitsingidina, mitsingadina, mitsingatotra, mitsimbadika, mikodia, mikodingy, mikodingidingy, mivalangitrika, midaboboka, midalaboboka, mitalaboboka, midaxoboka, midarofoka, mivadika, mihohoka, miantofoka, mitatavoka, miankarapoka. Ahitsio
Potitika
[admin]
: p.t.: Mitovy amin'ny Botitika. Ahitsio
Potikana
[admin]
: a.: Fiporitsahana, fibolilana, fandosirana na fihatahana tsy misy mahita, - t.i.f.: Apotikana, voapotikana, tafapotikana 1 mipotikana, fipotikana, mpipotikana / ipotikanana, fipotikanana 1 mahapotikanana 1 potikantikana. Ahitsio
Potika
[admin]
: a.: Sombina, vaky: Poti-kena. 1 p. t.: Rovitra, hotohoto, voarotika: Potika ny akanjon? avy tao anatin'ny fifanjeuoana tao. ? h.o.: Hataoko potika ialahy fa aza be lama eo. - t.i.f.: Potehina, voapotika, pinotika 1 mamotika, famotika, mpamotika; manapotika, fanapotika, mpanapotika 1 amotehana, famotehana; anapotehana, fanapotehana / mipotika, fipotika / ipotehana, fipotehana / mahapotika / potipotika, mipotipotika / mitsipotipotika. Ahitsio
Potene
[admin]
: (Ski) a.: Ilay fotsifotsy kely eo afovoan'ny tendron' ny tandrok'ombY. Ahitsio
Potehina
[admin]
: (potika) mt, ih. (poteho): Atao motika, atao torotoro: Nopotehiny ny bokiko ka tsy manaiky aho. ? h. o.: Alaina baraka: Nopotehiny ny lazan'ny rahalahiny, tamin'ny endrikendrika sy ny fosafosa. Ahitsio
Potasy
[admin]
: (fr. potasse) a.: Vongana fotsy mora levona ao anaty rano, fanadiovana ny lamba mainty ary miditra amin' ny fanaovan-tsavony. Ahitsio
Po-tany
[admin]
: (poka tany) ft,: Zavamahazo ny tany ama-monina; areti-mifindra. Ahitsio
Posy
[admin]
: na Posiposy (fr. pousse-pousse) a.: Karazana kalesy kodiaran-droa, taritin'olona, izay antsoina hoe borizano, ampiasaina amin'ny fitaterana amin'ny tanàn-dehibe sasantsasany; amin'ny tanàna misy havoana sy lemaka, dia roa ny borizano mitondra ny posy: ny iray mitarika ary ny iray manosika. Ahitsio
Posasakà
[admin]
: p. t.: Mitovy amin' ny Bosasaka. Ahitsio
Posaka
[admin]
: a.: Seho, tranga, filazana na fampiharihariana. - t.i.f.: Aposaka, voaposaka, tafaposaka / mamosaka, famosaka, mpamosaka; manaposaka, fanaposaka, mpanaposaka 1 amosahana, famosahana; anaposahana, fanaposahana 1 miposaka, fiposaka, mpiposaka Iiposahana,fiposahana 1 mifamosaka, mampamosaka, mampifamosaka 1 mahaposaka 1 posaposaka. Ahitsio
Portorikanina
[admin]
: (fr. Portoricain) a.: Ny firenena monina amin'ny tan y atsinanan'i Haïti: Zanatany ela espaniola ny Portorikanina. 1 p.t.: Momba an'i Porto-Rico, an' i Porto-Rico na avy any Porto-Rico: Mandray uokatra betsaka portorikanina ny E-tazonia, toy ny kafe, siramamy ary uoankazo. Ahitsio
Portogay
[admin]
: (fr. portugais) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Portogaly: Mifanila tany ny Espaniola sy ny Portogay. 1 p.t.: Mikasika an'i Portogaly, an'i Portogaly na avy any Portogaly: Mahay teny portogay ny firenena maro any Amerika atsimo. Ahitsio
Porotse
[admin]
: (Ski) a.: Renitsirika. Ahitsio
Porotsaka
[admin]
: a.: Fanomezana avy hatrany; tambotsotra. - t.i.f.: Aporotsaka, porotsahana, voaporotsaka, tafaporotsaka / manaporotsaka, fanaporotsaka, mpanaporotsaka / anaporotsahana, fanaporotsahana / mamorotsaka, famorotsaka, mpamorotsaka 1 amorotsahana, famorotsahana 1 miporotsaka, fiporotsaka, mpiporotsaka 1 iporotsahana, fiporotsahana /mahaporotsaka / porotsadrotsaka. Ahitsio
Porotaka
[admin]
: ft.: Enti-milaza ny kibo be matavy mirotaka na mitambotsotra midina. - t.i.f.: Tafaporotaka 1 mamorotaka, famorotaka 1 miporotaka, fiporotaka 1 porotadrotaka. Ahitsio