Teny nampidirina farany

Paritra
[admin]
: a.: Fizarazan'ny feo amin'ny hira; feo voalohany, feo faharoa, torebiny... - F.-p.: Diso paritra: tsy mitana ny anjara paritry ny te-na fa mangalatra ny an'ny hafa. Ahitsio
Paritaka
[admin]
: a.: Fielezana fa tsy iray toerana; fihahaka tsisy kototony,fisafotofoto. - t.i.f.: Aparitaka, voaparitaka, tafaparitaka 1 manaparitaka, fanaparitaka, mpanaparitaka / anaparitahana, fanaparitahana 1 miparitaka, fiparitaka, mpiparitaka / iparitahana, fiparitahana mahaparitaka 1 paritadritaka, Ahitsio
Pariritra
[admin]
: o.: Fantsitsirana fitifitry ny rano mivoaka ny fantsona na ny ra mivoaka ny hoza-dra tapaka. - t.i.f.: Pariritina, aparkitra, voapariritra, tafapariritra 1 manapariritra, fanapariritra, mpanapariritra 1 anapariritana, fanapariritana 1 mipariritra, fipariritra, mpipariritra 1 ipariritana, fipariritana / mahapariritra / pariridritra, Ahitsio
Pariritana
[admin]
: p.t.: Enti-milaza olona na zavatra ifantsitsirandrano. Ahitsio
Pariamaso
[admin]
: a.: Karazam-borona (Zosterops madagascariensis). Ahitsio
Pariakala
[admin]
: (fr. percale) a.: Karazan-damba somizo. Ahitsio
Pariaka
[admin]
: a.: Paritaka, fiely, fihahaka amin'ny toerana ma-ro. - t.i.f.: Pariahana, apariaka, voapariaka, tafapariaka / manapariaka, fanapariaka, mpanapariaka / anaparlahana, fanapariahana / mipariaka, fipariaka, mpipariaka / ipariahana, fipariahana 1 mahapariaka / pariadriaka, Ahitsio
Pariahana
[admin]
: (pariaka) mt. pdr. (pariaho): Enti-milaza toerana anaparitahana zavatra. Ahitsio
Pareake
[admin]
: (Ski) a.: Verontsanjy. Ahitsio
Parata
[admin]
: na Paranta (fit.-p.) a.: Ariary: Parata telo uao mahazo voasary. Ahitsio
Parasily
[admin]
: a.: Lamba lasoa-manify sady mamirapiratra. * Fiten.: Mainka izany raha parasily, rauin-katsaka aza mikasoka: enti-milaza ny olona be hambo aoka izany ka zavatra tsinontsinona iny dia efa mampibontsina azy izaitsizy. ¶ M.h.: Mainka izany raha ranomasina, ranom-potaka ara manonja. Ahitsio
Parasy
[admin]
: a.: Bibikely mitsentsitra ny ran'ny biby lehibe sy ny olona ka manaikitra mampangidfhidy izaitsizy: Mitondra areti-mifindra toy ny pesta ny parasy. • F.-p.: Volomparasy: 1c lao na volon-javatra mitovy , min'ny an'ny vonim-boah. rana na tatamo. / Be taimparasy: enti-milaza ny hoditava na ny akondro misy pentimpentina kely madinika. / Parasin'alika: karazamparasy lehibe, fahita indrindra ao anaty volon'ny alika. / Parasy lafrika: karazam-parasy madinika, izay manatody any anatin'ny hoditra. / Parasy kankana: parasy fahita indrindra any an-tsiraka ao anaty fasika (biby lavalava kely toy ny kankana izy io ka mitsofoka anatin'ny hoditra). ¶ M.h.: Parapandy, parasaingy. Ahitsio
Parasaka
[admin]
: a.: Fiparitahana na fielezana; fisehoan-javatra tsy misy miafina. - t.i.f.: Parasahana, aparasaka, voaparasaka, tafaparasaka / manaparasaka, fanaparasaka, mpanaparasaka I anaparasahana, fanaparasahana / miparasaka, fiparasaka, mpiparasaka I iparasahana, fiparasahana / mahaparasaka 1 parasadrasaka. Ahitsio
Parasahana
[admin]
: (parasaka) mt. pdr. (parasaho): Enti-milaza zavatra anelezana rano na voa. Ahitsio
Pararetra
[admin]
: a.: Fangovingovitra, fihararetra, h ovitrovitra. i Pararetina, apararetra, tafapararetra 1 manapararetra, fanapararetra, mpanapararetra / anapararetana, fanapararetana / mipararetra, fipararetra, mpipararetra / ipararetana, fipararetana / mahapararetra 1 pararedretra. - F.-p.: Pararetra am-bato malaza: teny ataon'ny ankizy an-kirs rehefa mampandihy samoina izay fatorany amin'ny tongobeny izy. Ahitsio
Pararetina
[admin]
: (pararetra) mt. ih. (parareto): Ampangovitina izaitsizy. Ahitsio
Pararatra
[admin]
: a.: Ny fifantsitsiran' ny rano amin'ny siny loaka na ny fianjeran'ny voan-javatra madinika raraka avy ao amin'ny harona na kitapo itoerany. - t.i.f.: Pararatana, apararatra, voapararatra, tafapararatra / manapararatra, fanapararatra, mpanapararâtra / anaparatana, fanapararatana / mipararatra,fipararatra, mpipararatra / ipararatana, fipararatana I mahapararatra. Ahitsio
Pararatana
[admin]
: (pararatra) mt. ih. (pamrato): Anidinana (rano). Ahitsio
Parapandry
[admin]
: (fit.-p.) a.: Parasy. Ahitsio
Parapandy
[admin]
: (t. tr.) a.: Parasy madinika. Ahitsio