Teny nampidirina farany

Polimielita
[admin]
: (fr. polimyéiite) a.: Aretina avy amin'ny virosy iray izay mamely ny sala mpampihetsika eo amin'ny tendron'ny tsokan-damosina ka mety hahatonga fahalemen-drantsambatana, indrindra ny rantsambatana ambany;lefakozatra. Ahitsio
Poly
[admin]
: ft.: Fandraisana sady famoriporetan-javatra amin'ny rantsantanana mba ho potika na halemy. - t.i.f•: Polena, polesina,voapol? j manapoly, fanapoly, mpanapoly J anapolesana, fanapolesana / mahapoly / polipoly. Ahitsio
Poly
[admin]
: a.: Anana voahahy atao fitaiza hohanina. Ahitsio
Poleta
[admin]
: na Basipoleta (fr. pistolet) a.: Fiadianamipoaka, fohy sady maivana, fanapoaka tanana an'ila ihany. y Ahitsio
Polesina
[admin]
: (poly) mt. ih. (poleso): Jer. Polena. na. Ahitsio
Polena
[admin]
: na Polesina (poly) rat. ih. (poleso): Poriporetina, fozafozaina amin'ny rantsantanana: Raha polesina ny ravin-drarnbiazina, mandraraka fofona manitra. Ahitsio
Polaka
[admin]
: p.t.: Milefitra, miforitra (jer. Folaka). * t.i.f.: Polahina, apolaka, voapolaka, tafapolaka / manapolaka, fanapolaka, mpanapolaka / anapolahana, fanapolahana / mipolaka, fipolaka, mpipolaka J ipolahana, fipolahana / mahapolaka 1 polapolaka. Ahitsio
Polahina
[admin]
: (polaka) mt. ih. (polahy): Aforitra, folahina. Ahitsio
Pokopoke
[admin]
: (Ski) a.: Ny kitrokely. Ahitsio
Poka
[admin]
: a.: Feo re mirefotra amin'ny fifandonana, fidonana: Po-doha. - t.i.f.: Pohina, apoka, voapoka J mamoka, manapoka, fanapoka, mpanapoka / anapohana, fanapohana 1 mipoka, fipoka, mpipoka J ipohana, fipohana / mahapoka J popoka. - F.-p.: Poka akalana: teny enti-milaza ny don-tandroka ataon'ny mpifanorona fa voany ny an-kilany noho io diso fandeha. J Po-doha: fipehana ny loha, pai-doha. J Po-tandroka: ilazana ny fihetsika atao hampanaiky ny an-kilany raha miady hevitra amin'ny alalan'ny fihetsika maherihery.JPo-drindrina: fandonana ny rindrina na ny varavarana izay ataon'ny mpamaky volana fa Ranona mipetraka ao dia mpamosavy araka ny latsa-bato, ka hampinomina. / Po-tany: lo• za lehibe toy ny areti-mifindra mahazo ny mponina rehetra. / Tsy hita poka, tsy hi-ta popoka: very tanteraka, tsy hita mihitsy izay toerana misy azy. ¶ M.h.: Dona, gona, paika, katroka. Ahitsio
Poizinina
[admin]
: (poizina) mt. ih. (poizino): Asiana poizina: Nopoizininy ny sakafo narosony ho azy. ? Omena poizina: Poizino io alika io fa romotra. Ahitsio
Poizina
[admin]
: (angl. poison) a.: Zavatra mety hahafaty raha tafiditra ao anatin'ny tena amin'ny alalan'ny fihinanana, fisotroana, sns... - t.i.f.: Poizina, voapoizina 1 manapoizina, fanapoizina, mpanapoizina / anapoizinana, fanapoizinana. Ahitsio
Poitra
[admin]
: a.: Fisehoana, fitsimohan'ny zavatra ambolena. i t.i.f.: Poirina, apoitra, voapoitra, tafapoitra / mamoitra, famoitra, nranapoitra, fanapoitra j amoirana, famoirana; anapoirana, fana-. poirana / mipoitra, fipoitra, mpipoitra / ipoirana, fipoirana / mahapoitra / poipoitra. Ahitsio
Poirina
[admin]
: (poitra) mt. ih. (poiro): Loarana avy any anaty zavatra mba hiseho: Poiro amin'ny fangady io vato io. * Esorina amin-kery: Poirina ny hidin-trano. Ahitsio
Poipoy
[admin]
: (Ski) a.: Fikakakan'ny boloky. Ahitsio
Poika
[admin]
: t. p.: Teny ataon'ny ankizy entiny mandà izay lazaina aminy: Bozy a, indriako, hono, no namaky ity fitaratra ity? Poika! izaho tsy nahalala ny fisian'io fitaratra io akory. Ahitsio
Pohina
[admin]
: (poka) mt. ih. (pohy): Donina: Tandremo fa raha vao pohina kely foana io dia vaky. Ahitsio
Po-doha
[admin]
: Jer. Poka. Ahitsio
Poezia
[admin]
: (fr. poésie) a.: Tononkalo: Nahafinaritra izay poezia nataon'Isambilo tamin' ny fetin'ny reny izay. ? Toetran'ny zavatra mampisondrotra fanahy na mampamelovelo ny fo sy ny saina: Tsy misy tsy manembonembona eo anoloan'ny poezian'ny takariva mahatsara vahiny. Ahitsio
Poety
[admin]
: (fr. poète) a.: Mpanao na mpanoratra poezia: Iza no poety ankafizinao indrindra? ? Enti-milaza koa ny olona manao fitenenana feno sarisary ary mampamelovelo: Lasa poety indray i zokilahy izany! Ahitsio