Teny nampidirina farany

Orina
[admin]
: a.: Fanatsatohana; fananganana trano, vohitra, taozavatra samihafa; fametahana zavatra ho mafy; fiandoham-pikarakarana amin' izay atao. - t.i.f.: Orenana, aorina, voaorina, tafaorina I manorina, fanorina, mpanorina 1 anorenana, fanorenana / miorina, fiorina, mpiorina / iorenana, fiorenana / mahorina / orinorina. - Orimbato (jar. io teny io). / Orim-paka: enti-milaza ny vehivavy niteraka tamin'ny vadiny ara-dalàna (noheveriny fa hanamafy toerana azy izany). / Orinkazo: tsato-kazo naorina amin'ny tany. Ahitsio
Orimbato
[admin]
: a.: Vato naorina ho toy ny fanamarinana ny fahavitan-javatra iray inhibe toy ny fifanekena, fifampivarotana...; izay mivadikany fanekena aty aoriana dia antsoina hoe "nitsoaka orimbato". ? Vola nomena ny fokonolona ka napetraka tao amin'ny tahirim-bolan' ny fokonolona raha nisy raharaha lehibe natao teo anoloan'ny fokonolona, toy ny fananganan-jaza, fanarian-jaza, sns..., ka io vola io no heverina ho fanamarinana ny nahavitan'ny raharaha, izay nolazaina fa "vita orimbato". Ahitsio
Orika
[admin]
: o.: Fiakarana na fandehanana an-dakana manohitra ny fidinan'ny rano; fandehanana mitsena ny rano. i fi, f.: Aorika, voaorika, tafaorika I miorika, fiorika, mpiorika I iorihana, fiorihana / mahorika / orikorika, Ahitsio
Ory
[admin]
: p. t.: Malahelo, mijaly, miferinaina: Manafaka alahelo ny olona ory. 0 Mahantra, fadiranovana: Ampio ny oiona ory. ¶ Mit.: Faraidiny, poripory, mikaforoforo, mikokokoko. 0 Ampijalina, ampahorina. ? Hontsa, malahelo: Ory ny foko nahita azy. - t.i.f.: Orena, orina, voaory, tafaory I manory, fanory, mpanory / anorena, fanorena / miory, fiory, mpiory / ioriana, fioriana I mahory / fahoriana, - F.-p.: Ory ampiana: entimilaza ny vadibe izay malahelo raha manampy vady masay ny léhilahy vadiny. I Ory misalahy: malahelo na-nana anjara mitovy amin' ireo namany. I Ory velona: faran'izay ory. * Ohab.: Ny ory tsy mba rangahy: ny mahantra tsY mba voahaja na ananana henamaso. f Ny zaza mihanta amin-dRay aman-dreny saro-miory: enti-milaza fa ny zaza tsy mba nihafy fa niadan-dava teo amin'ny ray aman-dreniny no sahirana sy mijaly eo amin'ny tsy fisiana. Ahitsio
Organa
[admin]
: na Organina (fr. organe) a.: Fitambaran-tsela mitovy izay miforona ho taova ao anatin'ny tenan'ny olombelona na ny biby, ary na dia ny zavamaniry ana, izay manatontosa asa iray: Ny vavony no organa misahana ny fandeuonan-kanina./Ny uoany no organa fampitomboana ny zavamaniry. Ahitsio
Orenana
[admin]
: (orina) mt. ih. na pdr. (oreno): Tsatohana: Ter? amoron'ny renirano no norenana ny lay. 1 Ananganana: Tsy azo orenana trano, hono, eto fa hisy lalana hatao. • I-lana, ananganana (ady): Norenany ady tamin'ny taniko aho. Ahitsio
Orena
[admin]
: (ory) mt, ih. (oreo): Rabirabina, sorena, hetraketrahina. Ahitsio
Oranoranina
[admin]
: (oranorana) mt ih. (oranoràny): Abosibosika. Ahitsio
Oranorana
[admin]
: a.: Fihinanana (voankazo na katsaka) mamosibosika sy manesokesoka eryr. 1 t.i.f.: Oranoranina, aoranorana, voaoranorana / manoranorana, fanoranorana, mpanoranorana I anoranoranana, fanoranoranana I mahoranorana. Ahitsio
Orana
[admin]
: a.: Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana amantongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin'ny nofon'izay ketohiny. - Antsanga tsy aman' orana: teny na fitenenana tsy misy fotony; zavatra betsaka tsy misy antony. Ahitsio
Orana
[admin]
: a.: Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy. - t.i.f.: Aorana, voaorana / manorana, fanorana I mpanorana 1 anoranana, fanoranana / mahorana. Ahitsio
Orana
[admin]
: a.: Rano mirotsaka avy eny amin'ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan'ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana. / Avy ny orana. / Latsaka ny orana. /Mitsahatra ny orana. - t.i.f.: Manorana I morana.? F.-p.: Oram-baratra: orana be fiavy arahin-kotroka. ( 0-ram-batrauatra: orana mahery fiavy. / Oram-be mitraho: orana arnbaran'ny rahomainty mitamba-be fa efa ho latsaka. 1 h.o.: Loza lehibe mananontanona. ( Orankateloana: orana maharitra mandritra ny hateloana, izay fahita indrindra rehefa ririnina. I Oran-kerinandro na oran-kafitoana: na laifito: orana maharitra mandritra ny hafitoana, izay fahita indrindra eo amin'ny volana Fevrie na Marsa. Ahitsio
Ora
[admin]
: (lat. hora) a.: Ampahefatra amby roapolon'ny andro sy aima iray, izay nalaina ho venty fototra amin'ny fandrefesam-potoana; adim-pamantaranandro iray: Nahemotra ora roa ny fiaingan' ny firamanidina. Ahitsio
Ontsy
[admin]
: (Atk) a.: Akondro. Ahitsio
Ontsana
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Hontsana. Ahitsio
Ontany
[admin]
: a.: Anarana laharantsikidy. Ahitsio
Ontany
[admin]
: ft.: Fitadiavana valiny na fanazavana momba an' izay tiana ho fantatra, teny filana setriny sy valiny. - t.i.f.: Voaontany,voanontany, 1 manontany, fanontany, mpanontany / anontaniana, fanontaniana I mahontany, mahanontany I ontanintany. Ahitsio
Ontana
[admin]
: a.: Fahatairam-po raha misy zavatra manaitra tampoka; fihendratana na fibitahana avy amin'ny toe-javatra mitranga; entana. - t.i.f.: Tafaontana 1 miontana, fiontana, mpiontana / iontanana, fiontanana I ontanontana. Ahitsio
Ontailanina
[admin]
: p.t.: Vahilanina, mibilaka fa tsy mahitsy; man dringa ila (rafitra). - t.i.f.: Miontailanina. Ahitsio
Onotra
[admin]
: a.: Fihintsanana na fiongotan'ny volo na volomborona. - t.i.f.: Onorana, onotana, voaonotra I manonotra, fanonotra, mpanonotra I ononorana, fanonorana, anonotana, fanonotana / mionotra, fionotra, mpionotra I ionotana, fionotana / mahonotra / onotronotra. Ahitsio