Teny nampidirina farany

Poretaka
[admin]
: p.t.: Malemy, mohaka tsy misy horaisina. - t.i.f.: Poretahana, aporetaka, voaporetaka, tafaporetaka J manaporetaka, fanaporetaka, mpanaporetaka / anaporetahana, fanaporetahana / miporetaka, fiporetaka, mpiporetaka / iporetahana, fiporetahana / mahaporetaka / poretadretaka / mamoretaka. Ahitsio
Poretahana
[admin]
: (poretaka) mt. pdr. (poretaho): Asiana, petahana zavatra malemy bodaka. Ahitsio
Poraretra
[admin]
: ft.: niavian'ireto. * t.i.f,: Mipâraretra / aporaretra / iporaretana, fiporaretana. Ahitsio
Poporohana
[admin]
: p. mt.: Daholo, tsy misy avakavaka, avokoa: Toa tsy antitra, tsy tanora, fa poporohana indray miankohoka amin-dRavola ny vahoaka. (Raveloj.). ? mt. ih.: Voa daholo: Poporohan'ny uouoka ny vahoaka. Ahitsio
Popopopo
[admin]
: a.: Fitsofan'ny rivotra be sady mafy, fofofofo. - t.i.f.: Mipopopopo. Ahitsio
Popoka
[admin]
: p. mt.: Tsy fampiasa afa-tsy amin'ilay fomba fiteny hoe: Tsy hita popoka: tsy hita avanavana. Ahitsio
Pongatra
[admin]
: a.: Fongatra, seho. - t.i.f•: Mipongatra, fiponga tra, mpipongatra / ipongarana, fipongarana. Ahitsio
Pondy
[admin]
: na Pondipondy a.: Fandraisan-javatra amin'ny ta-nana izay poriporetina na fenjafenjaina; poly. - t.i.f.: Pondena, pondipondena, apondipondY,voapondipondy / mamondipondy, famondipondy, mpamondipondy / manapondipondY, fanapondipondy, mpanapondipondy / amondipondena, famondipondena / mahapondipondy. Ahitsio
Pondena
[admin]
: (pondy) mt. ih. (pondeo): Enti-milaza zavatra poriporetina mba halemilemy. Ahitsio
Polopolorina
[admin]
: (mt, ih),: Tsy fampiasa raha tsy amin'ireto fomba fiteny ireto: Tsy hita polopolorina: tsy metY ho hita na manao ahoana na manao ahoana; tsy taka-polopolorina:lalina tsyvoasain-' tsaina, tsy misy fetra, tsy misy farany. ¶ M.h.: Tsy taka-pesipesenina. Ahitsio
Poloney
[admin]
: (fr. polonais) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Polonina: 0-lona mahery fo ny Poloney, 1 p.t.: Momba an'i Polonina, an'i Polonina na avy any Polonina: Sambany nisy Papa poloney tamin'ity taonjato ity. Ahitsio
Pololotra
[admin]
: a.: Firohotana (vovoka na setroka) misesika hivoaka. * t.i.f.: Pololotina, pololorina, apololotra, voapololotra / mipololotra. Ahitsio
Pololotina
[admin]
: na Pololorina (pololotra) mt. ih. (pololoty, pololory): Enti-milaza ny vovoka na ny setroka atosiky ny rivotra na tsofina, ka toa mirohotra misesika hivoaka. Ahitsio
Politfka
[admin]
: (fr. politique) a.: Teti-pitondrana: Manao politika, mpanao politika. Hafetsena, hevitra: Olona be politika koa Rangahy in y. Ahitsio
Politika
[admin]
: na Politsika p. t.: Kely, madinika, pitiny. . Ahitsio
Politetse
[admin]
: (Ski) p.t.: Latsaka na mivoaka avy amin'ny elanelan-javatra na mitete toy ny fotsimbary entina amin'ny harona makarakara. - t.i.f.: Manapolipotse na mamolititse, mampamolititse. Ahitsio
Polisy
[admin]
: (fr. policier) a.: Olona manao fanamianamanokana, mitandrina ny filaminana ao an-tanàna: Miantso polisy. / Polis in-dalana. * Ohab.: Ny mamo indray no miantso polisy: Enti-milaza ny mamo mitabataba ka manintona ny mason'ny polisy; heviny: ny olona manao ratsy indray no mitolo-tena amin'ny manam-pahefana. Ahitsio
Pôlisa
[admin]
: (fr. pouls) a.: Fitepon' ny fo manosika ny ra, izay mora heno indrindra eo amin'ny hato-tanana anoloana: Ny isan'ny polisa ho an' ny olona salama dia eo amin'ny 72 isa-minitra eo. / Mitsapa poksa. Ahitsio
Polipitra
[admin]
: (angl. pulpit) a.: Toerana avoavo ao am-piangonana ijoroan'ny mpitory teny. Ahitsio
Poliny
[admin]
: a.: Solofom-paraky, kolokolom-paraky. Ahitsio