Teny nampidirina farany

Rabaraba
[admin]
: (Ski) a.: Fivelatry ny ravin-javamaniry raha vao mitsiry. Ahitsio
Rabaraba
[admin]
: a.: Voalavo: Taindrabaraba. (Ny tain-drabaraba dia nolazain'ny Ntaolo ho mahamora na manafaingana ny fihetsehan-jaza ho an'ny vehivavy miteraka). Ahitsio
Rabaka
[admin]
: a.: Fidirana an-kasahiana amin-javatra iray, fanaovan-javatra an-kasahiana be loatra, fitsofohana ao anaty... - t.i.f.: Rabahina, arabaka, voarabaka, tafarabaka / mandrabaka, fandrabaka, mpandrabaka / andrabahana, fandrabahana / mirabaka, fixabaka, mpirabaka / irabahana, firabahana / maharabaka / rabadrabaka. Ahitsio
Rabahina
[admin]
: (rabaka) mt. ih. (rabaho): Tsofohana amin-kasahiana. Ahitsio
Raba
[admin]
: na Rabaraba a.: Fandehandehanana atsy sy aroa tsy misy fieritreretana, tsy misy kitotony; fanaovan-javatra tsy amim-piheverana, kitoatoa. - t.i.f.: Rabarabaina, arabaraba, voarabaraba, tafaraba• raba / mirabaraba, firabaraba, mpirabaraba j irabarabana, firabarabana / maharabaraba. - F.-p.: raban-tsahona: faon' ny sahona mihoraka; h.o.: fikorontanana noho ny tsy fisian'ny mpitondra fa samy manao izay tiany ny olon drehetra. M.h,: fanjakana raban-tsahona, fanjakan'i Baroa, tany manjaka hova. Ahitsio
Ra-
[admin]
: Mpanoritra anarana zary tovona eo alohan'ny anarantsamirery milaza olona, indrindra amin'ny foko anivon-tany, ka atao ho maripanajana, mifanohitra amin' ny f: Rakoto, Ikoto. Ahitsio
Ra
[admin]
: a.: Zava-mihanankanana na ranoka menamena mikoriana eran'ny tenan'ny olombelona sy ny biby ka mamelona azy ary mivoaka amin' ny nofo velona raha voadidy, ? F,-p.: Lany ra, kely ra na tsy ampy ra: enti-milaza ny olona izay kely ny ra amin' ny tenany ka osa sy reraka izy, / Mandeha ra na mandara: mivoaka ra. / Tsy mandara: h,o. tsy mangoraka olona, mafy fo. / Mibaba ra: enti-milaza ratra mivoaka ra be dia be. / Maria ra: mana-na toe-dra sarotra ajanona rehefa mandeha. / Misondrodra: miakatra any an-doha ny ra, h.o, tezitra izaitsizy. / Ra velona: ny ra mikoriana amin'ny tena velona. / Ra otrika: ra maloto mivoaka avy ao anatin'ny vay tsy vaky, ohatra. J Vongan-dra: vaingan-dra kely mihandrona. / Avy ra: avy fotoana isam-bolana. / Lalan-dra: fantsona ifamezivezen'ny ra manerana ny tena. / Liandra: mpandatsa-dra olona sady tia ady. / Maimbo ra: ilazana ny fahatezerana mihoapampana sy fitadiavana hamaly faty. / Mihosin-dra: feno ra avy amin'ny ratran' ny tena ihany na avy amin' ny an'ny hafa — entina milaza koa ny olona nahavita heloka tamin'ny famonoana olo-marina. / Mijananaka ny ra: mandeha tsy miato noho ny halehibe na halalin'ny ratra ny ra. / Nofo aman-dra: enti-milaza ny toetran'ny olombelona mora mihontsina na malemy. / Somampy ra: mihamena ny maso sy ny endrika manontolo ahitana taratry ny hatezerana. / Vaky ra: mivoa-dra noho ny ratra amin'ny tena. Ahitsio
R
[admin]
: a.: Tarehintsoratra fahenina ambin'ny folo ary renisoratra faharoa ambin'ny fo-Io amin'ny abidy malagasy. Amin'ny fanakambanan-teny, ny r dia lasa dr: tapaka roa = tapa-droa; toy izany koa raha mitovona man mba hanaovana matoanteny: man+ ray =mandray, Ahitsio
Protestanta
[admin]
: (fr, protestant) a.: Antokom-pivavahana kristianina niforona tamin'ny tao-na 1530; ireto avy ny fotokevitra mampiavaka ny Protestanta sy ny Katolika: fiheverana fa samy mandray ny Soratra Masina araka ny fitsilovan'ny Fanahy Masina azy ny olona tsirairay — fa ny finoana dia ampy hahavonjy — tsy misy afa-tsy Sakramenta roa: ny batisa sy ny fanasan'ny Tompo — Andriamanitra irery no ivavahana sy omem-boninahitra ka voahataka araka izany ny fanajana amam-pangatahana amin'i Masina Maria sy ny Olomasina — tsy ekena ny konfesy na filazana ny fahotana mba hahazoana ny famotsorana. Ahitsio
Protesta
[admin]
: a.: Olona anisan'ny antokom-pivavahana protestanta. Ahitsio
Proma
[admin]
: p.t. na a.: Voalohany, (mahazo) ny laharana voalohany: Nahatsiaro ny kanetiny tao am-paosiny i Koto, nefa tsy nety nijanona na dia minitra iray akory aza hijerena izay kanety nahazo pro-ma (Raharolahy). ? Ny mitarika ny lalao eo am-piandohana: Mbola aorianako ialahy fa izaho ny proma. Ahitsio
Prezidà
[admin]
: (fr, président) a.: Teny fanajana fiantsoana ny lehibem-pikambanana, na izay mitari-draharaha amin'ny fivoriana: Mazàna ny Prezidà no fidin'ny mpikambana ao amin'ny fikambanana. • h.i,: Fil oham-panjakana ambony indrindra: Handalo ny Prezidà ka diouy tsara ny tanàna. Ahitsio
Pretra
[admin]
: (fr. prêtre) a.: Olona voahosotry ny eveka mba hi-tondra fiangonana, hanao lamesa sy hizarazara sakramenta ary hitory ny tenin'Andriamanitra (Fiv. kat.). Ahitsio
Praivetra
[admin]
: (angl. private) a,: Tsiambaratelo tsy aboraka raha tsy amin'ny olon-tiana, raha tsy amin'ny olona vitsy dia vitsy, Ahitsio
Praiminisitra
[admin]
: (angl. prime minister) a.: Olona voatendrin' ny filoham-pirenena ho lehiben'ny governemanta; samy mahazo mitarika ny fivorian' ny governemanta, na ny filoham-pirenena (fivorian'ny minisitra no iantsoana ny fivoriana amin'izay) na ny praiminisitra (fivorian'ny kabinetra kosa no iantsoana an' izany). Ahitsio
Pozipozy
[admin]
: p.t.: Malemilemy, osaosa, mpangataka na olomahantra. - t.i.f.: Mipozipozy, fipozipozy, mpipozipozy / ipozipozena, fipozipozena / mahapozipozy. Ahitsio
Potsitra
[admin]
: p.t.: Loaka: Potsitra ny mason'ilay vorona. • Vaky, foy: Potsitra ny uay teo amin'ny hatony. ~ Miseho miharihary (enti-milaza ny zavatra nafenina ka vaky): Potsitra ny laingan-dRakoto. I t.i.f.: Potsirina, apotsitra, voapotsitra, pinotsitra 1 mamotsitra, famotsitra, mpamotsitra; manapotsitra, fanapotsitra, mpanapotsitra f amotsirana, famotsirana; anapotsirana, fanapotsirana 1 mahapotsitra / potsipotsitra. Ahitsio
Potsirina
[admin]
: (potsitra) mt. ih. (potsiro): Tsindronina dia vaky, loahana: Nopotsirin'ny ankizy ny mason'ilay uoronkely. 1 Vakina: Nopotsirin'ny dokotera ny vay teo amin'ny feny. 1 h,o.: Aseho miharihary:Nopotsiriko ny laingandRakoto ka ana foana teo iz y. Ahitsio
Potsika
[admin]
: p.t.: Natao torotoro toy ny vovoka: Tsy mety potsika ity mangahazo ity, fa mafy velona tahaka ny uato. i t.i.f.: Potsehina, voapotsika, pinotsika 1 mamotsika, famotsika, mpamotsika; manapotsika, fanapotsika, mpanapotsika 1 amotsehana, famotsehana; anapotsehana, fanapotsehana 1 mahapotsika 1 potsipotsika / mamotsipotsika. ¶ M.h.: Torotoro, mongo, montsana. Ahitsio
Potsiatra
[admin]
: a.: Fivoahana mifantsitsitra, fiporitihana. 1 tif: Potsiarana, apotsiatra, voapotsiatra, tafapotsiatra / manapotsiatra, fanapotsiatra, mpanapotsiatra 1 anapotsiarana, fanapotsiarana 1 mipotsiatra, fipotsiatra, mpipotsiatra 1 ipotsiarana, fipotsiarana 1 mahapotsiatra 1 potsiatsiatra. Ahitsio