Teny nampidirina farany

Ota
[admin]
: a.: Hadisoana, heloka na-tao (indrindra tamin'Andriamanitra). ? Fandikana didy na fitsipika na zavatra tsy azo atao: Ota fady. - t.i.f.: Otaina, voaota 1 ma-nota, fanota, mpanota / anotana, fanotana / mahaota / otaota 1 fahotana. - F.-p.: Ota fady: fanaovana ny zavatra nasaina nofadina. J Ota isa: fifandiasan'ny isa tsy mitovy fa misy elanelany amin'ny isa tena izy. Ahitsio
Osy
[admin]
: a.: Biby fiompy, fianakaviam-ben'ny biby mandinika milantsi-tandroka ary somorina, nahatongany fitenenana hoe "Tay ny osivavy somodna; ny lova tamindray tsy avala ary ny hetra tamin-dreny tsy diso"; bengY. Ahitsio
Oseana
[admin]
: (fr, océan) a.: Velarandranomasimbe mandrakotra ny telo ampahefatry ny tany ary mampisaraka ireo tanibe; nozaraina ho far3tra dimy: ny Oseana Arktika: amin'ny tendron-tany avaratra; ny 0-seana Antarktika: amin'ny tendron-tany atsimo; ny 0-seana Pasifika: mamplsaraka an'i Amerika amin't Azia sy Aostraha; ny Oseana Atlantika: mampisaraka an'i Eoropa sy Afrika amin'i Amerika; ary ny Oseana Indianina: ml-p aka hatramin' ny sisin- tanin' i India sy Afrika atsinanana ka hatrany Aostralla, hodidininy ny Nosy Madagasikara. Ahitsio
Osaosana
[admin]
: a.: Fihinanana mambosibosika mampiseho fa reraka sy sarotra an-kanina. i Aosanosana, osaosanina / miosanosana I manosanosana. Ahitsio
Osanosanina
[admin]
: Aosanosana (osanosana) mt, ih.: Haninaabosibosika. Ahitsio
Osaina
[admin]
: (osa) mt. ih. (osso): Lemena. Ahitsio
Osa
[admin]
: p.t.: Tsy manana tanjaka na herim-batana; mora reraka na tsy salama: Osa fa tsy tahaka ny lehilahy ny uehiuauy. - t.i.f.: Aosa, osaina / mahaosa I mampahosa I osaosa, ososa 1 haosana, fahosana. - F,-p.: Osa tanana: enti-milaza ireo izay tsy mba kinga na haingana rehefa manao zavatra, raharaha, fa miadaha sy milamina aoka izany. ( 0-sa tay: kabaosy, matahotra tafahoatra sy maharikoriko. ( Osa voua: tsy afa-mamaly resaka avy hatrany fa votsavotsa vava eo am-pitenenana. ¶ M.h.: Malemy, kely aina, saozanina, reraka, mihozohozo, mangozohozo. Ahitsio
Orovy
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Horovy. Ahitsio
Orosana
[admin]
: na Orotana (orotra) mt. ih. (orosy, oroty): Entimilaza ravin-javamaniry ongotana amin'ny tanana, ririsana: Orosy ny rauin'io uoaroihazo io. Ahitsio
Orotra
[admin]
: a.: Fandroritana ravinjavamaniry befahatany amin'ny tanana, fanongotana na fakana ahitra amin'ny antsy. i< t.i.f.: Orosana, orotana, voaorotra / manorotra, fanorotra, mpanorotra I anorotana, fanorotana, fanorosana / miorotra, fiorotra, I iorotana, fiorotana I mahorotra I orotrorotra. Ahitsio
Orona
[admin]
: a.: Faritra mivohitra eo afovoan'ny tarehy, izay organa amin'ny fanamboloana sy fakana fofon'aina ary ilaina amin'ny fitenenana. Ahitsio
Oroka
[admin]
: a.: Fampitehefana ny molotra sy ny orona amin' ny tarehy na ny tanana ho mari-pitiavana na fanajana. - t.i.f.: Orohana, aoroka, voaoroka 1 manoroka, fanoroka, mpanoroka I anorohana, fanorohana / mifanoroka I mioroka, fioroka, mpioroka / iorohana, fiorohana / mahaoroka, orokoroka. ¶ M.h.: Ba, mamikely. Ahitsio
Orohana
[admin]
: (oroka) mt. ih. (orohy), Ametrahana ny molotra, sy ny orona ho mari-pltiavana na fanajana: Norohany ny zanany tplohan'ny hisarahany. Ahitsio
Orobona
[admin]
: ft.: Fidokadokan-javamaniry matevina ary milobona. - t.i.f.: Manorobona, fanorobona, mpanorobona. Ahitsio
Oroanana
[admin]
: a.: Habe, halavana (ka fiteny amin'ny tendrombohitra, saha, tanàna... na eritreritra, fisainana): Lava oroanana ir? saha ir? izany! Ahitsio
Oroana
[admin]
: (oro) mt. ih. (oroy): Doroana. Ahitsio
Oro
[admin]
: a.: Fandoroana; doro: Nahatsiravina ny oro tanety nataon'ireo ratsy saina. - F.-p.: Orom-bary: fotsimbary nodorana voatorotoro hatao hamotsia-nify. Ahitsio
Oritra
[admin]
: a.: Fiforetana, fipitsohana. - t.i.f.: Aoritsa, voaoritra, tafaoritra I mioritra, fioritra, ioretana, fioretana / oritroritra. Ahitsio
Orina
[admin]
: (otra) mt. ih. (ory): Enti-milaza faritra iray amin' ny tena, na ny tena manontolo mihitsy, izay safoina sady tsindriana amin'ny tanana ampandehandehanina mba hampahalefadefaka ny hozatra. Ahitsio
Orina
[admin]
: (ory) p. t.: Atao izay hampahantra azy; botrina. Ahitsio