Teny nampidirina farany

Paingoina
[admin]
: (paingo) mt ih. (paingoy): Gadrana, atao am-ponja. Ahitsio
Paingo
[admin]
: na Parapaingo a.: Vy mavesatra miaraka amin'ny gadra; fatotra iray avy amin' ny tongotra roan'ny vorona, izay akambana mitohy. - t.i.f.: Paingoina, voapaingo j manapaingo, fanapaingo, mpanapaingo J anapaingoana, fanapaingoana J mipaingo, fipaingo, mpipaingo / ipaingoana, fipaingoana j miapaingo / iapaingoana, fiapaingoana / mahapaingo j paingopaingo. Ahitsio
Painga
[admin]
: p.t.: Kinga, faingan-tanana, matselaka, mailaka. / t.i.f.: Mahapainga. Ahitsio
Painana
[admin]
: (paina) mt. ih. (paino): Velesina, vonoina, levilevena. Ahitsio
Paina
[admin]
: a.: Vely, vono, levilevy. d, t.i.f.: Painana, voapaina. Ahitsio
Paikompaikona
[admin]
: na Paikopaiko a.: Tsipaikona. Ahitsio
Paika
[admin]
: a.: Feo re avy amin' ny zavatra mifandona. • Fidona, fanapoahana amin'ny tanana na hazo: Paika kely foana dia ampy hampandeha io masinina io. 1 Tefy (vato): Vato tsara paika. 1 Fandehanana (amin'ny lalao fanorona), fifindran'ny vatom-panorona rehefa mihinana, ka mankeo amin'ny toerana tiany: Anao izao ny paika. ? h. o.: Tetika ampiasaina, tetikady: Paika fotsiny ny azy. - F,-p.: Diso paika: tsy nahay nandeha na nahay tetika ka resy na voa. /Tsontsampaika ka matim-bela: diso famindra ka niharam-pahavoazana. / Paik'afo: fomba faluna afo amin'ny vato roa izay ampifampikasohina dia miteraka afo; tsy vato roa ihany no azo atao toy izany, fa tapa-kazo kely roa koa toy ny tahon-tseva, ohatra, izay ampifandilorina dia midona-tsetroka. / Pai-bato: fipehana ny vato amin'ny tantanana hanamboarana azy araka izay noheverina. / Paidoha: fipehana amin'ny loha — ilazana koa ny biby izay misy fotsy kely eo amin'ny handriny. J Paik'andro: ny andro nifanarahana sy efa nifanekena. / Diso paik'andro: tratra aoriana amin'ny fotoana efa nifanekena. /Maty paik'andro: fandoavana vola noho ny fahadisoam-potoana efa nifanekena. / Paipanorona: famindrana ny vatom-panorona ho eo amin' ny toerana azo antoka. JMaty paika: tsy afa-mihetsika intsony ny vatom-panorona any an-kilany, ka resy. ? h. i.: Vita na voakendry tsara amin'ny tokony ho izy. J Malemy paika: enti-milaza ny olona tsy mba maka mahery fa miteny na mihetsika mors sy milamina. ¶ M.h.: Dona, poka, gona, katroka. Ahitsio
Pahina
[admin]
: p.t.: Tsy mahita afatsy ny akaiky, fohy maso. ? h.i.: Olona tsy mahita izay tadiaviny, tsy mahita ny ambany maso.Mahapahina / pahimpahina / mipahimpahina, fipahimpahina, mpipahimpahina / ipahimpahinana, fipahimpahinana. Ahitsio
P
[admin]
: Tarehintsoratra fahadimy ambin'ny folo ary renisoratra fahiraika ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. Amin'ny fanakambanan-teny, ny f miova ho p: sarotra fantarina = saro-pantarina. Ahitsio
Ozonina
[admin]
: (ozona) rat. ih. (ozony): Rarina ratsy, ompana. Ahitsio
Ozona
[admin]
: p.: Teny firariana ratsy ny hafa; fianianana iantsoana loza; ompa. - t.i.f.: Ozonina, aozona, voaozona,tafaozonalrnanozona, fanozona, mpanozona 1 anozonana, fanozonana 1 miozona, fiozona, mpiozona / iozonana, fiozonana 1 mahozona 1 ozonozona. ¶ M.h.: Ompa, sahato, sariko, tsitsika. Ahitsio
Ozoina
[admin]
: Fihasimban'ny Zoina. Ahitsio
Ozatra
[admin]
: a.: Jer. Hozatra. Ahitsio
Ozana
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Hozana. Ahitsio
Ozana
[admin]
: (oza) mt. ih. (ozay na ozao): Sasana. Ahitsio
Ozan-dovia
[admin]
: - t.i.f.: Ozana, aoza, voaoza, tafaoza 1 manoza, fanoza, mpanoza 1 anozana, fanozana 1 mioza, fioza, mpioza / iozana, fiozana 1 mahaoza 1 ozaoza. Ahitsio
Oza
[admin]
: a.: Fanasana (ny tarehy, ny tanana, ny tongotra). ~ Ny loto manaraka ny rano avy nanasana zavajavatra, toy ny tanana, tarehy, lovia: Ahitsio
Ovotra
[admin]
: (Btm) a.: Atin'ny ravinala, izay fotsy ary fihinana. Ahitsio
Ovotra
[admin]
: a.: Ilay fotsifotsy afovoany indrindra ao anatin' ny hazo, tsoakan-dravinala sy. - da. Ahitsio
Ovohana
[admin]
: (ouoka) mt. ih. (ovohy): Alana, tsoahana, esorina. ? h. o.: Levilevena, tsinina mafy. 0voka a.: Fanalana ny zavatra mifantsika ka atao an'aina; fanesorana ny nify, na ny tandrok'omby alana hisaraka amin'ny kimbalombalony; fanaovana izay hampikoa ny ventin-dranovola; fikosohana ny tsikoko; fanesorana ny hoditra malemy ivelany amin'ny mangahazo, vary akotry. ? h. o.: Faniniana mafy dia mafy, levilevy. - t.i.f.: Aovoka, ovohana, voaovoka, tafaovoka 1 manovoka, fanovoka, mpanovoka 1 anovohana, fanovohana 1 miovoka, fiovoka, mpiovoka 1 iovohana, fiovohana / mahovoka lovokovoka. Ahitsio