Teny nampidirina farany

Pepo
[admin]
: (Ski) a.: Hodipotsy. - F.-p.: Pepeo: be hodipotsy (enti-milaza ny paraky rehefa antitra ka vandambandana ny raviny). Ahitsio
Pepipepy
[admin]
: a. : Fivezivezena mankatsy mankaroa noho ny hatairana na haverezan-tsaina ka tsy mahita izay hatao na haleha. - t.i.f.: Apepipepy / mipepipepy. ¶ M.h.: Pempena, papapapa. Ahitsio
Pepetra
[admin]
: na Petra a.: Hafatrafatra mafy: Nasain-drainy honina any ambanivohitra izy araka ny pepetrany taminy. Hevitra nifanekena ary tandremana tsara: Natao ny pepetra alohan'ny hisarahana. - t.i.f.: Peperana, perana, apepetra, voapepetra, voapetra f mamepetra, famepetra, mpamepetra / ameperana, fameperana f mahapetra, (...). Ahitsio
Peperana
[admin]
: Perana (pepetra) mt, ih. (pepero, pero): Hafatrafarana: Nopeperan-drainy izy hanao fasana. ? Didiana: Nopeperan'ny fanjakana tsy hisy vola hiuoaka any iuelany. Ahitsio
Pepe
[admin]
: (Ski) a.: Anaran-kazandrano be taolana. Ahitsio
Pentsona
[admin]
: na Pentsompentsona a.: Habasiam-bava, fitsaontsaonam-bava, haim-bava. I t.i.f.: Pentsompentsonina, apentsompentsona 1 mipentsompentsona, mipentsona, fipentsona, fipentsompentsona, mpipentsona, mpipentsompentsona 1 ipentsompentsonana, fipentsompentsonana / mahapentsompentsona. Ahitsio
Pentsompentsonina
[admin]
: (pentsompentsona) mt. ih. (pentsopentsony): Enti-milaza ny zavatra na ny olona tenenina na resahina amin-kabasiambava, itsaontsaonana. Ahitsio
Pentina
[admin]
: na Pentimpentina a.: Loto kely mipetaka amin-javatra: Tsy mahatondra io lamba rakotra pentina io aho. • h. o.: Tsiny na hadisoana kely maivana: Ny fanahy tsisy pentina ihany no hahazo hiditra any an-danitra avy hatrany. - t.i.f.: Pentimpentina, apentimpentina, voapentimpentina, voapentina 1 mamentimpentina, famentimpentina I amentimpentenana, famentimpentenana 1 mipentimpentina, fipentimpentina 1 mahapentina. Ahitsio
Pentimpentenana
[admin]
: (pentimpentina) mt. ih. (pentimpenteno): Asiana pentimpentina, loto kely mitentintentina. Ahitsio
Pensily
[admin]
: (angl. pencil) a.: Fanoratana amin'ny solaitra. Pensilihazo: Hazo lavalava kely misy atiny manjarano, atao fanoratana amin'ny taratasy. Ahitsio
Penjy
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanao satroka. Ahitsio
Penjy
[admin]
: ft.: Geja mafy, fitazonana sady fanerena ho poritra mafy. - t.i.f.: Apenjy, penjena, voapenjy. Ahitsio
Penjena
[admin]
: (penjina) mt, ih. (penjeo): Tazonina sady terena ho poritra mafy, giazina, gejaina. Ahitsio
Penina
[admin]
: (angl. pen) a.: Vy kely fanoratana amin'ny ranomainty: Lelam-penina: ilay vy kely fanoratana mihitsy; tahom-penina: ny hazo na metaly lavalava misy varombo idiran'ny lelam-penina. Ahitsio
Penimpenina
[admin]
: a.: Fivezivezena ets? sy er? mitady zavatra, na taitra ka tsy mahita izay horaisina na han dosirana. i tif: Apenimpenina, penimpenina, tafapenimpenina 1 mipenimpenina, fipenimpenina, mpipenimpenina 1 ipenimpenenana, fipenimpenenana 1 mahapenimpenina. Ahitsio
Penimpenenina
[admin]
: (penimpenina) mt ih. (penimpeneno): Asaina mitotototo ets? sy er?. Ahitsio
Pendrampendranina
[admin]
: (pendrampendrana) mt. ih. (pendrampendrano): Atao izay hahajemby. Ahitsio
Pendrampendrana
[admin]
: p. t.: Jembijemby, tsy mahita tsara no-ho ny hazavana mitaratra. 6 t.i.f.: Pendrampendrana, apendrampendrana, voapendrampendrana 1 mamendrampendrana, famendrampendrana 1 mipendrampendrana, fipendrampendrana. Ahitsio
Pendo
[admin]
: p. t.: Kely endrika: Ankizivavy kely pendo. Ahitsio
Pendina
[admin]
: a.: Pentina man doto. I t.i.f.: Pendenana, pendenina, apendina, voapendina, manapendina, fanapendina, mpanapendina 1 anapendenana, fanapendenana / mipendina, fipendina 1 ipendenana, fipendenana 1 mahapendina 1 pendimpendina / mamendimpendina / mipendimpendina. Ahitsio