Teny nampidirina farany

Raika
[admin]
: a.: Rona. - t.i.f.: Araika, voaraika, tafaxaika 1 mandraika, fandraika, mpandraika / andraihana, fandraihana / mifandraika 1 miraika, firaika, mpiraika / iraihana, firaihana, iraikana, firaikana / maharaika / raikaraika / mifandraika. Ahitsio
Raiheka
[admin]
: o.: Karazan-kazo fanao trano, atao koa hoe famelona. Ahitsio
Raiboboka
[admin]
: a: Poizina avy amin'ny zavamaniry ataon'ny Sakalava amin'ny tendron' ny lefona ka izay voan'ny lefona misy azy io mfzihitra ny kibony dia maty. • h.o.: Zava-dratsy mampidi-doza: Raiboboka manimba firenena ny fifankahalana ara-poko. Ahitsio
Raibe
[admin]
: a.: Rain'ny ray na rain' ny reny. Ahitsio
Ray
[admin]
: Fanononana haingana ny Iray. Ahitsio
Ray
[admin]
: na Ry: Tenim-piontanana fanao eo alohan'ny olona itenenana raha maro: Henoy izao teny izao, ray uahoaka. Ahitsio
Ray
[admin]
: a.: Ny lehilahy manan-janaka tokana na maro: I Rainilita no rain'Ibalita; ilazana koa ny olona tokotokony ho ray na tsy niteraka aza, toy ny vadin'ny reny niteraka (raikely), lehilahy nihahy sy nitaiza (ray mpitaiza), ny lehilahy nanangana ho zanaka (ray nanangana), ny raY tampo amin'ny ray aman-dreny (ireo dadatoa isan-kolafiny). ? F.-p.: Ray aman-dreny: ny ray sy ny reny niteraka. • h. i.: enti-milaza ireo mpiton- - dra na ara-nofo na ara-panahy. J Ray nanangana: lehilahy niseho teo anatrehan'ny fokonolona sy ny fanjakana ho nanjanaka zaza iray izay ho afaka handova azy. J Ray mpitaiza: ray tsy niteraka fa niantoka ny famelomana. / Tsy manan-dray: enti-milaza ny zaza tsy fantatra ny ray niteraka azy. ¶ M.h.: zazasary, zaza tsisy ray, zanadranitra, zanaka an'elakelatrano. / Rain-janaka: enti-milaza vady tsy ara-dalàna na sakaiza fotsiny niterahana zaza. / Rain-jaza: enti-milaza a) ny lehilahy manao hasoavana ny zazalahy iray (ka nanangana azy mihitsy tamin' ny andro taloha); b) ny rain' ny zazavavy ampakarina. ¶ M. h.: Aba, baba, ikaky, lany voamena zato, lany sikajy arivo, kiady sy voninahitra, haja sy voninahitra, an-dry iankinana, vato nandiavana. Ahitsio
Ray
[admin]
: sy Rairay a.: Kasika: Zozo tia rairay. 1 Fakana zavatra amin'ny tanana. • Fampidirana olona ao an-trano. - t.i.f.: Raisina, aray, voaray / mandray, fandray, mpandray / andraisana, fandraisana / maharay / rairay 1 mandrairay, fandrairay, mpandrairay 1 andrairaisana, fandrairaisana. Ahitsio
Rahoviana
[admin]
: p. rat.: Entina manontany fotoana mbola ho avy: Rahouiana no ho tonga ny zokinao? • h.i.: Tay... na na oviana na oviana: Rahoviana Rakoto no mba hampisam bo-bo!a olono! Ahitsio
Rahonana
[admin]
: (rahona) mt. ih. (rahony): Teneninamafy, fa nisy ratsy nataony; levilevena: Nandrairay zauatr'olona Ikoto ka norahonan-drainy mafy. Ahitsio
Rahona
[admin]
: a.: Fitambaran'entona avy amin'ny ranon'ny renirano, ony, farihy, ranomasina donafan'ny hainandro, ka mitangorona eny amin'ny habakabaka ary milatsaka ho orana raha sendra miova ho man gatsiaka ny toetr' an dro, • Teny atao amin-katezerana mba haniniana olona noho ny ratsy nataony, 1 t: Rahonana, arahona, voaxahona 1 mandrahona, fandrahona, mpandxahona / andxahonana, fandrahonana . I maharahona 1 rahondrahona / mirahondrahona. - F,-p.: Mifanoto rahona: enti-milaza asa na raharaha betsaka mifangaro, mifanontona, na olona mifandrombaka miteny indray miaraka. / Misamboarauoara ny rahona: enti-milaza ny rahona jerena toa misamboaravoara nefa samy manana ny fandehany. / Rahom-bava: fandrahonana amin'ny fitenenana. / Raho-mitatao: rahona mivangongo betsaka eny an-danitra ka manamaloka ny masoandro, fambara fa ho avy ny orana. / Semban-drahona: takon'ny rahona. ? h.o.: enti-milaza zavatra tsy tanteraka fa voasampon-javatra kely. / Sondrodrahona: ilazana ny tafontrano izay atao vonjy maika hiarovana ny rindrin-trano tsy ho simban' ny orana; tafontrano bozaka ary manify. / Takondrahona: saron'ny rahona. / Tandrifin-drahona: orana milatsaka tsy ampoizina ary tsy maharitra ela. / Tory rahona ny lanitra: feno rahona tanteraka ny manodidina, ka mety haharitra ny orana raha avy. Ahitsio
Rahefa avy
[admin]
: rehefa avy: Entimilaza ny zavatra natao talohan'ny zavatra hafa iray: Rehefa auy nisakafo izahay, dia nitsangantsangana teny amoron-dranomasina. Ahitsio
Raha efa
[admin]
: indraindray dia tsy maintsy sarahina ny teny roa nikambana ho "rahefa", raha toa ka manan-kevitra hoe "vita" ny "efa" ka ampiasaina ho solo-matoanteny: Raha efa izany dia nitsangana izy nikabary. Ahitsio
Rahefa
[admin]
: na Rehefa ppt. feh.: Mitarika fehezan-kevitra milaza fotoana ka mazàna: a) zavatra mbola ho avy no lazainy: Rahefa tonga izy dia ento aty amiko; 2) na zavatra fanao matetika: Rahefa misaotra izy, tsy diso ny mitsikitsiky kely. Ahitsio
Rahavavy
[admin]
: a.: Vehivavy iray reny sy iray ray amin'ny vehivavy hafa: Tia ny rahauaviny Rasoa. — Ny vehivavy iray ray na iray reny fotsiny amin'ny vehivavy hafa koa dia atao hoe rahavavy, toy izany koa ny vehivavy manambady olona mirahalahy amin'ny vadin'ny tena dia antsoina koa hoe rahavavy. - t.i.f.: Mirahavavy, firahavavy, mpirahavavy / irahavaviana, firahavaviana. Ahitsio
Rahatrizay
[admin]
: p, mt.: Indray andro any aoriana any: Aza mamoy fo fa mbola ho sambatra ianao rahatrizay. • ppt. feh.: Rehefa... any aoriana any: Hanome fiantrana ny mahantra aho rahatrizay miasa mandray karama, hoy 1-sambilo. Ahitsio
Rahateo
[admin]
: p. mt.: Mitovy hevitra amin'ny hoe "efa" sady fampiasa mifamaly aminy matetika: Efa tonga rahateo izy ka tsy ilaina hantsoina. Ahitsio
Raharahaina
[admin]
: (roharaha) mt, ih. (raharahao): Karakaraina: Tsy noraharahainy ny fambolena nataony ka levona fotsiny, • Atao ho zavatra: Tonga teo aho fa tsy noraharahainy akory. Ahitsio
Raharaha
[admin]
: a.: Asa andaniana ny andro: Mikarakara tokantrano no mazdna raharahan' ny uehivauy mandritra ny andro. • Anton'asa ivelomana: Manjaitra no raharahan-dRanaiuo. ? Asa, taozavatra, lahasa: Misy raharaha kely home/ta anao raha manam-potoana ianao. 1 Adidy: Aza miditra amin'izany ianao fa tsy raharahanao izany. - t.i.f.: Raharahaina, voaraharaha / mandraharaha, fandraharaha, mpandraharaha / andraharahana, fandraharahana / miraharaha, firaharaha, mpirahaxaha I iraharahana, firaharahana I maharaharaha. - F.-p.: Asa aman-draharaha: enti-milaza ny fitambaran' ny asa atao fivelomana sy ny adidy eo anatrehana avy. / Hahita raharaha amiko ianao: teny fandrahonana atao noho ny herim-pahefana na lonilony. I Manauin-draharaha: mandeha mamangy na mamotopototra raharaha izay heverina ho lehibe. /Mi-la raharaha: mitady fahasahiranana ho an'ny tena. / Misahana raharaha betsaka: miandraikitra asa maro loha isankarazany. / Raharaha manaraka ny arabe: raharaha betsaka sady manahirana. / Raharahan'i Mantasoa: fanompoana mafy aoka izany, ara-ka ilay ohabolana manao hoe: Raharahan'i Mantasoa: ny miera maty uenty, ny mangala-dia maty loso; ny mitoetra lany lamba amantsalaka. / Zokin-draharaha: ny tena ventin-draharaha voalohany, izay tsy maintsy atao mialoha. * Ohab.: ?za atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa: ilazana ny fanaovana an-tsirambina ny tena fototry ny aina. Ahitsio
Rahanina
[admin]
: (rahana) mt ih. (rahano): Ampangotrahina. Ahitsio