Teny nampidirina farany

Pilao
[admin]
: (fr. plomb) a: Tady kely misy vongam-pira-mainty izay entina manamarina ny fahitsian'ny rindrina tsy vilana na mivohitra. Ahitsio
Pilampilana
[admin]
: p.t.: Mitovy amin' ny Pilapilaka. Ahitsio
Pilaka
[admin]
: na Pilapilakap.t.: Jejojejo mba hanaitra ny mason' ny lehilahy. - t.i.f.: Apilapilaka / mipilapilaka, fipilapilaka, mpipilapilaka / ipilapilahana, fipilapilahana ( mahapilaka na mahapilapilaka / mitsipilaka. ¶ M.h.: Jejo, jefy, jila. Ahitsio
Pila
[admin]
: (fr, pile) a,: Fitehirizana aratra, avy amin'ny fitambaran-javatra miteraka angovo simika lzay miova ho angovo elektrika ka ampiasaina amin' ny 7iro na radio fitondra mandeha; misy pila fisaka ary misy pila boribory ; vataaratra. Ahitsio
Pike
[admin]
: (Ski) a.: Tady mifatotra amin'ny laveroka ka marnaky ny laim-botry sady mifatotra koa amin'ny take. Ahitsio
Pike
[admin]
: (Ski) a.: Karazan-tsakamalao tsara fofona fihosotry ny vehivavy sakalava. Ahitsio
Pikany
[admin]
: (t. tr.) a.: Vodin-javamaniry izay nambolena ka vao niitaran'ny sisa. Ahitsio
Pika
[admin]
: a.: Karazam-boninkazo izay madinika maro loko mahafinaritra mitambatambatra ny felany. Ahitsio
Pika
[admin]
: a.: Fipitsile-javatra miala amin'ny toerana misy azy, ka misy feo kely miaraka amin'izany; fampifantsitsirana; fandosirana. - t.i.f.: Pihina, apika, voapika, tafapika / mamika, manapika, fanapika, mpanapika j anapihana, fanapihana j mipika, fipika, mpipika / ipihana, fipihana / mahapika / pipika / mamipika j mipipiha / mamipika. - F.-p.: Pik'afo: tselatr'afo. l Pik'ampela: ny fanosehana feno hakingana ny ampela famolesana alohan'ny hampandihizana azY. / Tsy misy rano piny akory eo an-tsinibe: enti-milaza fa tsy misy rano na dia kely akory aza ao an-tsinibe. Ahitsio
Pihina
[admin]
: (pika) mt. ih, (piho): Kitihina hetsehina: Nopihiny tamin'ny uy kely ilay hidin-trano dia afaka. • Asiana rano mifantsitsitra: Piho rano kely aho fa mafana, • Vonoina (jiro mirehitra amin'ny herimbaratra): Piho amin'izay ny jiro hatoriana. • Akombona: Piho amin' izay ny elo fa efa maloka. Ahitsio
Piarapiara
[admin]
: na Fiarafiara a.: Lalaon'ankizy mifampilanja na manao kilanjalanja ka ny tanana mifandika eo anoloana no ilanjan'ny zaza roa ny anankiray fahatelo. Ahitsio
Piano
[admin]
: (fr. piano) a.: Zavama- neno misy fitendry toy ny arimonia, saingy tsy mba rivotra no mampaneno azy fa ny fikapohana ny fitendrena izay mifandray amin'ny tadim-peo mikarantsana tsirairay avy: Mitendry piano. Ahitsio
Piaka
[admin]
: p.t. na a.: Tapaka, feo heno mikepoka amin'ny fahatapahan'ny hazo mailla na fifandonan'ny zavatra roa mifampikasika. - t.i.f.: Piahina, voapiaka / manapiaka, mamiaka, famiaka, mpamiaka / amiahana, famiahana f mipiaka, fipiaka, mpipiaka / ipiahana, fipiahana / mahapiaka / piapiaka. - F,-p.: Piaka ampinga: fikapohana ampinga sy fampandihizana azy ho marika fanehoan-kafaliana. / Manao piaka: milalao karatra. / Pia-koho: feon'ny hoho ampifampisakohina amin'ny hoho ha-fa iray. Ahitsio
Piahina
[admin]
: (piaka) mt. th. (piaho): Tapahina na vakina ka misy feo kely heno amin' izany. Ahitsio
Pia
[admin]
: a.: Aretina mpahazo ny mpifana. Ahitsio
Py
[admin]
: (Ski) p.t.: Maranitra (tan- drok'ombalahy). Ahitsio
Petsapetsaina
[admin]
: (petsapetsa) mt. ih. (petsapetsao): Vontosana rano, atao feno fotaka. Py a.: Fikimpikfmpin'ny ma- so, baiko atao amin'ny ma- so. 1 fi, f.: Pizina, pinizina, apy, voapy, tafapy / manapy, fa- napy, mpanapy f anapiazana, fanapiazana / mipy, fipy, mpipy / ipizana, fipizana I mahapy / pipy. - F.-p.: Py maso na pimaso: fanomezana baiko amin'ny maso. Ahitsio
Petsapetsa
[admin]
: (Btl) a.: Honahona nototofana natao tanimbary. Ahitsio
Petsapetsa
[admin]
: p. t. : Enti-milaza ny tany misy rano ka mangeniheny, mangonahona. - F.-p.: Iray petsapetsa: 1) enti-milaza olona vitsivitsy na maro manana tanimbary iraisana; 2) olona iray foko; 3) olona miray tetika. / Petsapetsa vava: olona tsy mahatam-bava, mania vava, milaza ny nafenina na ny tsy tokony holazaina. Ahitsio
Petsaka
[admin]
: a.: Leman-drano misy rihidrihitra. - t.i.f.: Petsahina, apetsaka, voapetsaka / mametsaka, manapetsaka, fanapetsaka, mpanapetsaka / anapetsahana, fanapetsahana / petsapetsa. Ahitsio