Teny nampidirina farany

Rahana
[admin]
: p.t.: Enti-milaza vary na voan-javatra mbola tsy tena masaka tsara ka nampangotrahina mba hahamafy ny hodiny ka hahazoana mitoto azy na hanakanana azy tsy ho vaky vazana na hitsimoka. - t.i.f.: Rahanina, arahana, voarahana / mandrahana, fandrahana, mpandrahana / andrahanana, fandrahanana / mirahana. * Ohab.: Maty indroa toa uary rahana: enti-milaza olona na zavatra tratran'ny fahavoazana in droa miantoana. Ahitsio
Rahampitso
[admin]
: p. nit,: Enti-milaza ny andro manaraka ny anio: Talata anio, alarobia rahampitso. / Handeha ho any Toamasina izy rahampitso. Ahitsio
Rahalahy
[admin]
: a.: Lehilahy iray ray sy iray reny amin'ny lehilahy iray hafa: Manana rahalahy efatra Rakoto. — Ny lehilahy iray ray na iray reny fotsiny amin'ny lehilahy hafa koa dia atao hoe rahalahy, toy izany koa ny lehilahy vadin'ny olona mirahavavy amin'ny vadin'ny tena dia antsoina koa hoe rahalahy. - t.i.f.: Mirahalahy, firahalahy, mpirahalahy / firahalahiana. - F.-p.: Rahalahin-teny: 1) teny roa mitovy fanonona; 2) teny azo raisin amin'ny hevitra roa. Ahitsio
Rahaka
[admin]
: ft.: Rantsan-kazo. i t.if,: Mandrahaka, fandrahaka, mpandrahaka / rahadrahaka. Ahitsio
Raha vao
[admin]
: Mitarika fehezankevitra milaza fotoana hentitra: Raha vao maneno ny lakolosy, dia tsy maintsy miditra ny mpianatra. Ahitsio
Raha tany
[admin]
: raha tahiny ka: toy ny raha tsotra ihany, saingy manantitrantitra kokoa ny fisian'ilay fepetra: Raha tany, raha tahiny ka mihira ianao, dia homeko vo-la. Ahitsio
Raha
[admin]
: ppt. feh.: Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan'ny fahatanterahan'ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola. Ahitsio
Raha
[admin]
: a.: Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin'io rano io. 1 Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Ahitsio
Ragehezina
[admin]
: a.: Anaran-javamaniry fanao ody farasisa. Ahitsio
Rafozanina
[admin]
: (rafozana) mt, ih. (rafozano): Alaina ho rafozana. * Ohab.: Ny hovadina be ihany, fa ny horafozanina no tsy misy: mora ny mitady izay halaina ho vady, fa ny ho rafozana, sarotra ny hahalala mialoha na ho tsara izy na ho ratsy. Ahitsio
Rafozana
[admin]
: a.: Teny ilazana ny ray aman-drenin'ny vady, na izay olona heverina ho tokotokony ho izany, toy ny iray tam-po aminy: Rafozan-dahy, rafozam-bauy. - t.i.f.: Rafozanina / mandrafozana, fandrafozana, mpandrafozana / andrafozanana, fandrafozanana / maharafozana. - F.-p.: Miasa jamba rafoxana: miasa ho an'olona tsy mahalala na tsy mankasitraka akory izay ataonao ho azy. * Ohab.: Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no uonoina, ka dimy no ma-mono: mihetsiketsika be, ne-fa tsy lifta izay vita, lasan-ko vavany. ) Rafozana be menomenona: anaterana ny masaha, lazainy "sisa tsy lany"; anaterana ny manta, lazainy "tsy omby vilany": enti-milaza olona sarotra omena fahafahampo, be fanakianana na inona inona atao aminy. / Rafozana jamba: ny mana-titra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany: enti-milaza ny olonamahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe a-tao azy. / Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina: ny tena zavatra indray no hadino. ¶ M.h.: aza atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa. Ahitsio
Rafotsy
[admin]
: a.: Teny iantsoana ny vehivavy efa zokinjokiny, efa fotsy na manomboka ho fotsy ny volony, ka ampiasaina hoenti-milaza azy, na raha miteny aminy: Vao nahazo vola Rafotsy, dia lasa. / Aoka re, Rafotsy, hoy ireo tanora mpananihany, fa efa tofoky ny anatrao izahay. Ahitsio
Rafotrako
[admin]
: (Btm) a.: Orana anaty rano, lava tanana sady mainty. Ahitsio
Rafoka
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra mora vaky, mora simba, faharefoana. - t.i.f.: Marafoka, marafodrafoka / harafoka, faharafoka / mandrafodrafoka / fandrafodrafoka. Ahitsio
Rafitra
[admin]
: a.: Fiasanany hazo hanaovana fanaka, trano: Anisan'ny taozavatra ilaina tokoa ny rafitra. ? Fomba iasana ny hazo mba hanaovana azy ho fanaka, trano...: Tsara rafitra ity latabatra ity. 1 Fikambanan'ny zavatra ma-ro ho tenan-javatra iray: Mahatalanjona ny rafitry ny tenan'ny oiombelona. • p. t.: Manomboka: Tamin'izay, rafitra ny ady. ? Raikitra: Rafitra ady Isambilo sy Ibalita. ? Mikatroka... avy hatrany, ombika: Rafitra nifampi tolona izy roa lahy. - t.i.f.: Rafetana, arafitra, voarafitra, tafarafitra / mandrafitra, fandrafitra, mpandrafitra / andrafetana, fandrafetana / mirafitra, firafitra, mpirafitra / irafetana, firafetana / maharafitra ( rafidrafitra. Mifandray hevitra: Fitaovana fanaovana rafitra: Vankona, raboha, dalompy, tsofa, didiravina, homamanta, tantanana, famoalaka, torosy, tan-dm, fandraka (fandradahy, fandrabavy), vahoho, fively, fively fandraka, filamatra, hazomahitsy, famaky, tsimaka, lamisy, rivodahy. —Fomban-drafitra: am-panoa, andahiny, ambaviny, barazedxa, sokitra, torihisatra, koronosy, fehimbarika, filioro, saridiseza. Ahitsio
Rafy
[admin]
: a.: Olona manohitra ny tena, mifanao an-daniny amin'ny tena. ? Olona mifaninana amin'ny tena. ~ Vehivavy izay alain'ny vadin'ny tena ho vadiny koa: Rafivavin-dRasoa Ravao. ~ Izay maka ny vadin'ny tena: Tsy nanaiky izy raha tsy naratrany ilay rafilahiny. - t.i.f.: Arafy, rafesina, voarafy, tafarafy / mandrafy, fandrafy, mpandrafy )andra• fesana, fandrafesana I mirafy, firafy, mpiraf y / irafesana, firafesana / mampirafy / maharaf y. - F.-p.: Mampirafy iahy: manana vady lahy maro. / Mampirafy raharaha: misahana asa na raharaha maro indray miaraka. / Rafiiahy: lehilahy manimba ny vadin' ny tena. / Rafivavy: vehivavy manimba ny vadin'ny te-na. * Ohab.: Ny rafy tsy lavitra, fa ny uadin-drahalahy mitafY iambamena: enti-milaza fampitandremana mba hahay mihetsika, hahay mitondra tena, fa ny mpifaninana amin'ny tena tsy lavitra. Ahitsio
Rafy
[admin]
: a.: Anaran-kazo madinika. Ahitsio
Norafetany
[admin]
: tampoka ny zandriko ka fanina. Ahitsio
Rafetana
[admin]
: (rafitra) mt. ih. na pdr. (rafeto): Enti-milaza 1) zavatra asiana na petahana zavatra hafa: Norafetako tehamaina ny takoiany; 2) olona iadiana, ifampitolomana: Ahitsio
Rafesina
[admin]
: (rafy) mt. ih (rafeso): Alaina ho rafy. Ahitsio