Teny nampidirina farany

Piripite
[admin]
: (Ski) a.: Hira sy dihin' ny Masombika. Ahitsio
Piripiso
[admin]
: p.t.: MaintY ngizina noho ny loto, feno tsikoko. Ahitsio
Piripiso
[admin]
: (Ski) a.: Karazan-kazo madinika mivondrona. Ahitsio
Pirinty
[admin]
: (angl. print) a.: Taozavatra famerenana soratra na sary imbetsaka amin'ny taratasy, ka tarehintsoratra vy, izay atao hoe lohavy, no atambatambatra ho teny, dia asiana ranomainty ka apetaka miverimberina amin'ny taratasy ary dia ahazoana soratra mitovy betsaka azo anaovana gazety na boky. Ahitsio
Pirimotra
[admin]
: (angl. print) a.: Mitovy amin'ny printy (jer. io teny io). Ahitsio
Piretaka
[admin]
: na Poretika: Jer. Poretika. Ahitsio
Pipika
[admin]
: a.: Feo heno mipaipaika malemy sy an-kisesy, toy ny feon'ny fandehan'ny famantaranandro. Ahitsio
Pipa
[admin]
: (fr. pipe) a.: Zavatra lavalava misy fatana sy fantsona kely natao hifohana ravim-paraky efa voatetitetika madinika, izay ampirehetina ao anatin'ilay fatana kely dia trohina amin'ilay fantsona kely kosa indray. Ahitsio
Pioka
[admin]
: na Piopioka a.: Jer. Fioka. Ahitsio
Pintsana
[admin]
: na Pintsampintsana p. t.: Olona keliray na kelireny fa kinga;maivamaivana sy mailaka. - t.i.f•: Mipintsana, mipintsampintsana / fahapintsana, fahapintsampintsana, hapintsana, hapintsampintsana. Ahitsio
Pinotsitra
[admin]
: (potsitra) mt. ih. misy tsofoka in: Voapotsitra, potsirina: Naharary ilay uoy nopinotsitra. Ahitsio
Pinitika
[admin]
: (pitika) mt. ih. misy tsofoka in: Voapitika, ipitihana: Nopinitiky ny fotaka ilay akanjoko vao auy nosasana. Ahitsio
Piny
[admin]
: a.: Jer. Pika. Ahitsio
Pingo
[admin]
: a.: Hazo mainty sady mafy. Ahitsio
Pingipongy
[admin]
: (fr, ping-pong) a.: Karazana tenisy fanao eo ambony latabatra. -+ Ahitsio
Pingapinga
[admin]
: a.: Fahamaimaizana mipelipelika sy kevokevoka. - t.i.f.: Mipingapinga. Ahitsio
Pinetaka
[admin]
: (petaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voapetaka. Ahitsio
Pinelatra
[admin]
: (pelatra) mt, ih. misy tsofoka in: Voapelatra, pelarana, voafelaky ny tehamaina: Nopinelany ilay zaza maivan-doha. Ahitsio
Pindina
[admin]
: (pindy) mt. ih. (pindio): Apitika amin'ny fanondro, tsipindina. Ahitsio
Pindy
[admin]
: a.: Fanapitihana zavatra amin'ny fanondro izay aforitra amin'ny ankibe ka atsotra tampoka sy mafy. - t.i.f.: Pindina, voapindy / manapindy, fanapindy, mpanapindy / anapindiana, fanapindiana ) mahapindy / pindipindy. ¶ M.h.: Tsipindy. Ahitsio