Teny nampidirina farany

Disanteria
[admin]
: (fr. dysenterie) a: Aretina mampivalan-dra izay mety hahatratra indroapolo na mihoatra isan'andro ka mahatonga faharerahana, fahiazana ary tsy fahampiandra Ahitsio
Disaka
[admin]
: Disadisaka p.t. : Valaka, sasatra. 1 Leo na tofoka tanteraka. ~ Entina milaza koa ny mongomongo, ny potipotika na torotoro. Ahitsio
Disaina
[admin]
: (disa) mt.ih. (disao) : Hosena. Ahitsio
Disahina
[admin]
: (disaka) mt.ih, (disaho) : Vakina, potehina. Ahitsio
Disadisa
[admin]
: a. : Harisarisa, zavamanahirana. - t.i.f. : Madisadisa. Ahitsio
Disa
[admin]
: ft. : Enti-milaza hitsaka, hosy, fitetezana amin'ny tongotra. - t.i.f. : Disaina, voadisa / mandisa, fandisa, mpandisa 1 andisana, fandisana 1 madisa 1 fahadisa, fahadisana 1 madisadisa. Ahitsio
Dirotanty
[admin]
: na Doratanty a : FanafodY antsoina amin'ny teny vahiny hoe iodiure de sodium. Ahitsio
Dirina
[admin]
: (ditra) mt, ih. (diro) : Anaovana kiry : Nodiriny teo ny lambako ka lasany. Ahitsio
Diridiry
[admin]
: ft, : Enti-milaza : Fihenjanana tsy mety mllefitra. ~ Ny maso mivandraka sy misokatra be. Fihenahenana na kiry tafahoatra izaY manjary avona sy fireharehana. 6 : Adiridiry 1 midiridiry, fidiridiry, mpidiridiry 1 idiridiriana, fidiridixiana. Ahitsio
Dirandoza
[admin]
: (idiran-doza) : Tenim-piontanana mivoaka ny vava raha mahare fa nisy voina lehibe nitranga tamindRanona tatsy na tamindRanona taroa : May, hono, ny tranon-dRazafy ar? Ankorahotra. Dirandoza mari-na! Ahitsio
Dipoavatra
[admin]
: (du poivre) a, : Zavamaniry masiatsiaka karazana tsiperifery, fampiasa hampahatsiro sakafo, ka amin'ny endrika roa no isehoany : na vovobovoka mainty avy amin'ny voankazo aminy nototoina, na vovobovoka fotsy, avy amin'ny voany madinika ao anatiny kosa nototoina. Ahitsio
Diplio
[admin]
: (fr, du plomb) a. : Baia firaka. Ahitsio
Diplaoma
[admin]
: (fr. diplôme) a. : Taratasy filazam-pahaizana avY amin'ny Sekoly ambony, Ahitsio
Dipaina
[admin]
: (fr. du pain) a. : Karaza-mofo vita amin'ny lafarinina, ary foto-tsakafon'ny firenena maro, indrindra ny any Eoraopa. Ahitsio
Diovina
[admin]
: (dio) mt ih. (diovy) : Sasana, atao afa-doto : Diouy ny akanjonao fa fety rahampitso. ? H,o. : Diovy ny fonao. ~ Fotsina : Efa nodiovin'ny miaramila ve ny benitra. ? Nangalarana, atao mafafa: Nodiovin'ny dahalo ny tanàna tao Ananona. Ahitsio
Diosezy
[admin]
: (fr. diocèse) a: (Fiv. kat.) Faritany eo ambany fitondran'ny eveka iray, izay mandidy mahatapaka eo amin'io faritra io rehefa manaraka ny sori-dalan'ny Eglizy. Ahitsio
Dio
[admin]
: a. : Tsy fisiana loto na pentina; fangarangaranana sy tsy fananan-tsiny na kilema; tsy fifangaroana amin-javatra hafa : Tsy mbola mahafa-po ahy ny dion'it9 villa it?. - t.i.f. : Madio, fadio, hadio, hadiovana, fahadiovana/ diovina, voadio / mandio na manadio, fandio, mpandio / andiovana, fandiovana; anadiovana,fanadiovana / midio,fidio, mpidio / idiovana, fidiovana I mahadio. Ahitsio
Dintinina
[admin]
: a. : Karazan-kazo mamony mena midorehitra. (Symphonia clusioides). Ahitsio
Dintanala
[admin]
: a. : (Jar. Dimatika). Ahitsio
Dintamborona
[admin]
: a : Karazana dinta mpipetaka amin'ny vavan'ny vorom-bazaha rehefa ilay misotrasotra amin'ny rano iny ireto. Ahitsio