Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kionkiona: a.: Teniteny, bedi- / bedy: Olona be kionkiona koa raha itony Rakoto itony. Ahitsio
Kiore: (fr. curé) a.: Pretra mitondra paroasy na zana-piangonana maromaro; ny lefiny dia antsoina hoe vikera (Fiv. kat.). Ahitsio
Kipa: na kipakipa a: Fandroahana, fanariana. i Akipakipa, manipakipa, fanipakipa, mpanipaki-Pa / mahakipakipa. Ahitsio
Kipaka: Kipakipaka a: Fanendahana na fanesorana na f androahana tsy misY fanajana; fiendahana, fialana mitambatra; fielakelahan-javatra mihofakofaka miala. i t.if.: Akipaka, voakipaka, tafakipaka I manakipaka, fanakipaka, mpanaldpaka I a• nakipahana, fanakipahana I mikipaka, fikipaka / ikipabana, fikipahana I aldpakipaka 1 manakipakipaka, fanakipaldpaka, mpanakipakipaka 1 mahakipakipaka. Ahitsio
Kipala: Jer. Kopala. Ahitsio
Kipantsona: a: Fonjam-by ahantona ary velesina amin' ny tapa-by ihany; maso karazana izy io rehefa ampiasaina amin'ny fiarahan-javamaneno araka izay feo ilaina: misy toy ny takotra manify, misy tariby vaventy afolaka indroa, ary misy karazana lakolosy kely atambatra vitsivitsy. (Taloha nampiasaina ho toy ny lakolosy fiantsoana ny kipantsona, ary ankehitriny ampiasaina amin'ny Fanabeazana fototra araka ny fomba fampianarana vaovao eo amin'ny mozika aman-kira). Ahitsio
Kipantsona: a: Takela-barahina mitapelaka roa izay ampiadina ka mamoaka feo mikarantsana. t• h.o.: Entina milaza ny olona vavèna. Ahitsio
Kipetaka: (Btl) a.: Randrambolo betsileo mipetaka amin' ny loha, ka misy lavalava, misy fisaka, misy boribory. Ahitsio
Kipika: a.: Fanesorana zavatra hiala ka ailika na atsipy; fanalana amin'ny fanakifihana. i t.i.f.: Akipika, voakipika, tafakipika / manakipika, fanakipika, mpanakipika I anakipihana, fanakipihana ) mikipika, fikipika, mpikipika I ildpihana, fikipihana I mahakipika 1 kipikipika. Ahitsio
Kipikipy: a: Hazo fohifohy mitovy amin'ny sandry nomanina hitoraham-borona, toy ny akanga, na tsipoy na papelika, izay ikipilizana azy. - t.i.f: Akipikipy, voakipikipy I manipikipy, fanipikipi, mpanipikipy I anipikipiana, fanipikipiana I mahaldpi• kiPY. * Ohab.: Lany ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia: lany tamin'ny tsinontsinona ny vola sy ny fitaovana vao tonga ny ilana azy. Ahitsio
Kipilizana: (kipily) mt. pdr. (kipilizo): Torahana zavatra, izay toa mihodfnkodina alohan'ny hiantefany amin'ilay asiana: Aza kipilizan'iaiahy langilangy leitia ny omby a! Ahitsio
Kipily: a: Tehina fohy na fantika ataon'ny mpiandry omby fitorahana; flantoraka ny zavatra lavalava atsipy ka mihodinkodina alohan'ny hiantefany amin'ny anipazana azy. ik t.ff.: Kipilizana, akipily, voakipily, tafakipily / manakipily, fanakipily, mpanakipily I anakipilizana, fanaki• pilizana I mildpily, fikipily I ikipilizana, fikipi)lzana I mahakipily I kipiRpily I mild' pilipily. Ahitsio
Kira: a: Ny vanditry ny ravinkazo. ? Ny tsiratsiraky ny ravinkazo na tahon-kazo toy ny hozatrozatra izay azo a-tao kofehy: Ny kiran-dro fia dia hoza-dravina fa ny kiran-tahon-drongony kosa dia hozataho. - t.i.f.: Kixaina, voakira / manakira, fanakira, mpanakira / anakirana, fanakirana / mikira. fikira, mpikira 1 ikirana, fikirana / mahakira / kirakira 1 kirakiraina, voakirakira, kinirakira / manirakira, fanirakira, mpanirakira anirakirana / mikirakira, fikirakira / mahakirakira. Ahitsio
Kiraina: (kira) mtih. (kirao): Akana kira: Io ue ny rofia nokirainao? Ahitsio
Kirakira: (kira) a.: Fanasaratsarahana hitokantokana, fandraidraisana hahitana ny antsipiriany. Ahitsio
Kiramba: Kirambaina a.: Hatina na hazaka mitakovana be; takoperin-katina. Ahitsio
Kirambay: a.: Hazo madinidinika misy kirany. Ahitsio
Kiramborambo: a.: Zavatramikirazorazo ka mitaritarika avy eo aoriana; somotraviavindamba mirefarefa avy eo ivoho. - t.i.f.: Akiramborambo, tafakiramborambo / manakiramborambo, fanakiramborambo, mpanakiramborambo 1 anakiramboramboana, fanakiramboramboana / mikiramborambo, fikiramborambo, mpikiramborambo / ikiramboramboana, fikiramboramboana. Ahitsio
Kiramena: a.: Karazan-kazo azo akana kirany no sady ampiasaina handokoana; mafy sahala amin'ny kiran-drofia ny kirany (Indigofera Bojeri Baker). Ahitsio
Kirana: p.t.: Tsy sahy fa kivy ambony ihany; mangaihay noho ny hagagana tamin'ny zavatra hita tsy nampoizina: Kiranalsambilo nahita ny nibatako ilay fonjam-by roapolo kilao. Ahitsio