Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Toraraka: p.t.: Mipetrapetrapoana tsy manao na inona na inona, varimbariam-poana. ¶ M.h.: Torevaka. Ahitsio
Torebina: Torebiny (angl. treble) a.: Amin'ny hira misy feo maro, ilay fizarana ataona feon-dehilahy avo indrindra: "Lohataona... Indreny fa manao tonera avo dia avo ny papango, arahin'ny railovy ny torebiny malefaka; ampian'ny goaika fasiny mikantsankantsana; dobohan' ny toloho ny besony mikotrokotroka. (Rabenjamina Androvakely) Ahitsio
Torendrena: Mitovy amin'ny Tandrendrena. Ahitsio
Toreo: a.: Feom-borona mitaraindraina; feo mampahonena; fiangaviana fatratra; hataka arahim-pitaraindrainana. - t.i.f.: Atoreo, tafatoreo 1 mitoreo, fitoreo, mpitoreo J mahatoreo J toreoreo . Ahitsio
Toreraka: Mitovy amin'ny Torevaka. Ahitsio
Toretra: p. t.: Enti-milaza ny voankazo vokatra mitangongo eny ambony hazo. ? Mikainkona, mifendrotra. 1 Tsy kinga, votsa, kisinina, osa. 1 t.if.: Mitoretra, fitoretra, mpitoretra / mahatoretra / toredretra. Ahitsio
Torevaka: a.: Toetran'izay mipetraka fotsiny tsy manao na inona na inona fa varimbariam-poana eo. - t.i.f.: Atorevaka, tafatorevaka / manatorevaka, fanatorevaka, mpanatorevaka J anatorevahana, fanatorevahana / mitorevaka, fitorevaka, mpitorevaka / itorevahana, fitorevahana I mahatorevaka / torevadrevaka. Ahitsio
Torimaso: a.: Fialan'ny tena sasatra amin'ny fikimpian' ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena (jer. Tory). - F.-p.: Torimason'akoho: enti-milaza sarintsarin-torimaso fa tsy tena matory. Ahitsio
Torina: (tory) mt. ih. (torio): Ampangaina amin'ny manam-pahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Hotoriko ianao fa nanala baraka ahy. Ahitsio
Torina: (tory) mt. ih, (torio): Lazaina sy voasana: Hotorina eran'izao tontolo izao ity Evanjely ity. Ahitsio
Torina: (tory) mt. ih. (torio): Silahina ny tsiratsirany: Torio ity rongony madinika ity. • Didiana atao didy vaventy: Torio io omby io. • Avahana amin'ny tory na soritra: Tokony hotorinao ny tanim-boangahazonao. Ahitsio
Toringana: p.t.: Kotringa, tolila. tolitsika. - t.i.f.: Mitoringana, fitorin-,gana. Ahitsio
Torisihina: Torosihina (torisika) mt. ih. (torisiho): Amporisihina (fiteny amin'ny alika amporisihina hiady na hanaikitra olona). Ahitsio
Torisika: a.: Famporisihana ny alika hiady na hanaikitra olona. - t.i.f.: Toxisihina, torosihina / atorisika, voatorisika / manatorisika, fanatorisika, mpanatorisika / anatorisihana, fanatorisihana / mampitorisika J ampitorisihina J mahatorisika. Ahitsio
Toro: a.: Fanondroana, fampahafantarana, filazana, fampianarana: Toro lalana, torohevitra. - t.i.f.: Toroana, atoro, voatoro / manoro, fanoro, mpanoro 1 anoroana, fanoroana / mifanoxo / mampanoro / mahatoro /torotoro. Ahitsio
Toro: p, t.: Voaporitra, voatoto: Toro ny tanako uoakaton'ny varavarana. Ahitsio
Toroana: (toro) mt. pdr. (toroy): Enti-milaza ny olona ilazana hevitra, zavatra; ampianarina: Olona tsy azo toroana heuitra Rakoto. Ahitsio
Torobosoa: (fr. tire-bouchon) a.: Karazana rindram-by misy tahony atao fanatsoahana ny bosoa amin'ny vava tavoahangy. Ahitsio
Torohina: (toroka) mt. ih. (torohy): Ampangaina tsy mari-na, endrikendrehina: Notorohiny ho nangalatra aho. Ahitsio
Toroka: a.: Endrikendrika amin'ny zavatra tsy natao; fiampangana tsy marina. - t.i.f.: Torohina, voatoroka 1 mitoroka, fitoroka, mpitoroka 1 itorohana, fitorohana / mampitoroka J mifampitoroka J mahatoroka. Ahitsio