Teny nampidirina farany

Mibaka
[hery]
:(baka) p.t.: Mihataka. Ahitsio
Mibaingo
[hery]
:(baingo) p.t.: Meloka, miolana, miolikolika: Mibaingo io vy io ka tsy maha_ zo azy. Ahitsio
Mibaiko
[hery]
:(baiko) mt s. (mibaikoa): Manome didy am-bava na an-tsoratra ny miaramila fehezina: Iza dry, raha fantatrao, no nibaiko ny miaramita tany Andriba? 1 Manao famantarana amin'ny moana na amin'ny biby ka azon'izy ireo izay tiana holazaina amin'izany famanta. rana izany: Mahay mibaiko ny alikany fatratra iahy io Rangahy io. Ahitsio
Mibaikabaika
[hery]
:(baikabaika) mt. Tsy afamandeha haingana fa misabaka ny tongotra roa rehefa mamindra: Mibaikabaika ny fandehan'i Koto taorian'ny nanaovana hasoa. nana azy. Ahitsio
Mibaibay
[hery]
:(t, tr,) p.t.: Mivaivay,/ mt, s,: Mandevilevy. Ahitsio
Mibahana
[hery]
:(bahana) mt, s. (mibandna): Misabaka na maka toerana lehibe eo amin'ny toerana fandalovana ka manakana ny hafa tsy handeha: Mibandna eo ianao mba hi. sakana ireto ondry ireto, / Misy taolana mibahana amin' ny tendako ato, Ahitsio
Mibafoka
[hery]
:(bafoka) mt, s,: Mitsilailay eo am-pandriana manampatra ny hakamoana sy ny fahalainana, Ahitsio
Mibadobado
[hery]
:(badobado) mt, s,: Tsy fitenY afa-tsy amin' ilay fomba fiteny hoe: Miba. dobado fiteny: sahiram-piteny, Ahitsio
Mibadabada
[hery]
:(badabada) mt, s,: Miakanakana rehefa miteny ka tsy mazava izay lazaina: Mibadabada matetika ny zazakely latsaka ny ma taona. 1 Miraiki-dela rehefa miteny ka miambatrambatra: Mibadabada Rajao rehefa mitent', Ahitsio
Mibada
[hery]
:(bada) mt, s.: Miakanakana mbola tsy mahay miteny. Ahitsio
Mibaboka
[hery]
:(baboka) mt, s, (mibaboha): Miaiky, mitsotra, milaza avy hatrany fa resy na diso; mivalo amin'ny olona nanaovana hadisoana: Ni. baboka tamin'ny rainY ilay zaza mpandany ka noraisin. drainy tamim-pitiauana, Ahitsio
Mitondra
[hery]
:(ny valy, ny vokatry ny natao): Mibaby ny fahotan'i Adama sy Eva ny velona rehetra, araka ny fampianarana krtstianina, Ahitsio
Mibaby
[hery]
:(baby) mt, p, (mibabe): Mitondra eo an-damosina: Izaho no nibaby ny zandriko fony kely. Ahitsio
Mibabaka
[hery]
:(babaka) mt, s,: Mandriaka, mitobaka: Tonga indray ?9 ny fahavaratra ka mibabaka ny riaka eran' ny lohasaha, Ahitsio
Mibabababa
[hery]
:(babababa) mt,s, (mibabababd): Miantsoantso mitomany, miantso vonjy: Nibabababa i Koto tamin'ny nanindroman'ny do. kotera azy, / Mimenomenona mitaraina: Nibabababa aoka izany Rakoto tamin' ny namakian'ny tontakely ny tranom-barony, Ahitsio
Miba
[hery]
:(ba) Mitondra ba: Mikiraro tsy miba marina i Balita. Ahitsio
Miavovona
[hery]
:(avovona) p.t.: Miavosa, mifanongoa, miavoavo be: Vato miavovona, Ahitsio
Miavotra
[hery]
:(avotra) mt, s.: Manongotra ny ketsa hafindra any an-tanimbary. Miavoketsa: manala ny ketsa eo amin'ny tanin-ketsa ka mamindra azy eny an-tanimbary. 1 Mitovy amin'ny Manavotra, rr Miavotra ahitra: be ahiahy momba olona Iray, tsy tafandry mandry. / Mta. vo-tena: enti-milaza andevo na mpanompo taloha nandoa vola mba hanafahany ny tenany tamin'ny fanandevozana. Ahitsio
Miavosa
[hery]
:(avosa) mt, s, sady p, t.: Mitoby betsaka miakatra, miavoavo, mivongovongo amin'nY toerana iray: Miavo. sa be it9 lamba hosasako, hoy i Soa, Ahitsio
Miavona
[hery]
:(avona) mt, s. (miavdna): Mihevi-tena ho ambony ka manao ny sasany ho tsinontsinona. - Miavom-bava: mampiseho avona amin'ny fiteny, amin'ny teny avoakan'ny vava, ? M.h.: Midaondaombava, mangeto-bava, be taimbava, Ahitsio