Teny nampidirina farany

Mbomba
[hery]
:a,: Asa ataon'ny reny manarona ny zanany amin'ny sandriny ? na ny renakoho amin'ny elany ?ka mamihina azy ao toy ny miaro azy na manafana azy. Ahitsio
Mbola
[hery]
:p. mt.: (miaraka amin' ny milaza ny ankehitriny na ny lasa): enti-milaza fa eo am-panaovana na teo am-panaovana asa iray ilay olona tenenina: Mbola miasa izY fa aza tabatabaina. / Mbola nisakafo izahay tamin'lzy ton_ ga, ? (miaraka amin'ny milaza .ny ho avy): enti-milaza fitohizana na fiverenana asa efa nisy teo aloha: Mbola ha_ noratra aminao aho amin'ny herinandro ambony. /Mbola hatory indray aho rehefa a_ faka kelikely, na fahatongavan-javatra efa nandrasana: Mbola ho avy izy fa aza matahotra, ? (miaraka amin'ny "tsy") samy azo atao eo aloha na eo aorian'ny "mbola" ny "tsy", saingy matetika raha filazana tsotra, dia ny "mbola" no atao aloha: Mbola tsy tonga lahy Rakoto, fa raha mamaly fanontanana kosa, ny "tsy" no atao aloha: Efa tonga ue Rakoto? tsy mbola tonga izy, tompo_ ho (marihina fa amin'ity farany ity dia azo tsy averina ny fehezanteny manontolo, fa ny "mbola" kosa no miova hoe "mbolana": Efa tonga ne Rakoto? ? Tsy mbo. lana, tompoko), Ahitsio
Mbika
[hery]
:kely a,: Mamty kely, Ahitsio
Mby
[hery]
:mt,: Famintinana ny hoe "omby", izay manan-kevitra hoe "tonga tafiditra": Mby eo am.bauahady ny fahaualo ka miomana daholo ny uatan-dehilahy, >t Ohab.: Tongotra mby andak ana (tongotra efa ao anaty lakana) ka tsy azo auerina intsony: enti-milaza zavatra efa natomboka natao ka tsy azo itsoahana intsony. Ahitsio
Mbetika
[hery]
:p. mt.: Mbetika,,, mbetika; enti-milaza hevitra roa samy hafa na matetika mifanohitra mihitsy aza a. min'ny fotoana roa mifanakaiky: Mbetika izy mihome. hy, mbetlka mitomany. Ahitsio
Mbavy
[hery]
:a,: Hazo kely tsara fire. hitra ka nanaovan'ny taloha fanilo mba hitsilovana ny dia amin'ny alina. Ahitsio
Mbany
[hery]
:na Mbamy ppt,: Miaraka amy: Izy mban.dry Da. datoa no lasa any an-tsena. Ahitsio
Mbay
[hery]
:(kianteny): Mihataha kely (tenY entina mangatadalana, solon'ny "aza fady"): Mbay, tompoko, Mbay lalana tompoko, ? h,i,: Mial?, miesora (teny entina man. droaka): Mbay ail fa manelingelina. Ahitsio
Mbà
[hery]
:Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sY toy izao: Mbd hendry anaka, Mb? olom-banona (marihina fa tsy fampiasa miaraka aamin'ny mt, amin'ny fomba mandidy ity mb? ity: Mb? mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandi. dy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy: Mba mi. anara fa aza uarian-daolao), Ahitsio
Mba
[hery]
:Kianteny enti-manisika hevitra. 1) Fanajana, fianga. viana raha toa ka mampiasa matoanteny amin'ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy: Mba omeo hely amin'iny aho. / Mba mianara fa aza varian.daolao, 2) Fanesoana: Izany hono ka mba hendry. 3) Filazana sahala amin'ny "koa", izay amplasaina miaraka aminy rahateo: Mba handeha koa aho raha mandeha ianao, Ahitsio
Mba
[hery]
:TenY mpampitohy fehezankevitra ka milaza antonY hanaovan-)avatra: Tonga izahay mba hijery $y hamantatra (arahin'nY "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity), Ahitsio
Mazoto
[hery]
:(zoto) p.t.: Be hafanam.po hanao zavatra na asa, marisika: Mazoto hanamaint-y molaly ny tanindrazany izy, ? h,i,: Tia asa fatratra, tia fianarana: Mpianatra mazoto izy ha tsy mahagaga raha afa-panadinana, - F,-p,: Mifoha olo-mazoto: fizaran'andro vaomaraim-be. / Zotom-po: faharisihana sy fitiavana. ? M.h.: Rodaka, rototra, marisika, mavitrika, mavika, ' mavibika, mafana fo, mafana vay, mirehidrehitra, nisotro tsilaky, tsy misatry fanahy, be zotom-po. Ahitsio
Mazefatra
[hery]
:(zefatra) P.t.: Mavesatra, be lanja, mafonia. Ahitsio
Mazaza
[hery]
:(zaza) Maitso manopy mavo toy ny tain-jaza. ? Malazo ary efa simba: Efa mazaza ireto anana ireto ha tokony hariana, ? h,i,: Entimilaza fitafiana lena tsy nahahy ka niova volo, Ahitsio
Mazava
[hery]
:(zava) Mitera-kazavana: Mazava ny afo, ? Voazava, tsy maizimaizina, hita tsara daholo nY ao anatiny: Tiako ity efitrano ity fa mazava tsara, ? Mahitsy, tsy farimparina: Feo mazaua no auoakan'io sodina io, ? Tsy miolikolika, tsy misy an-kifonofono: Heuitra mazaua; teny mazava. ? Tano_ ranora (loko): Itsy mazava. zava itsy no endrehina anao, ? F.-P.: Mazava atsinanana: ny andro vao maraina mialoha ny fiposahan'ny masoan. dro. / Mazava endrika: miramiran-tarehy sady falifaly lava,/Mazaua fo: olona mandeha amin-kitsim-po, / Mazaua loha; ilazana ny omby na ondry misy fotsy ny handriny, I Mazava andro: efa mi. posaka ny masoandro, / Mazaua rats y: ilay maraina manaraka ny mangoana atsina. nana sy ny mangiran-dratsy, I Mazaua ray: sola ny volo eo ambonin'ny handrina izay tonga mangadihady be. /Ma. zaua saina: tsara saina ka tsy mba fatra.piahiahy olona na sarotsarotiny. I Ro mazaua: ro madio, tsy be fangarony, Ahitsio
Mazaotra
[hery]
:(zaotra) Mahia, kaozatra, tslsy nofo: Olona mazaotm, / Tsy matevina, manify: Ala mazaotra. Ahitsio
Mazàna
[hery]
:p. mt,: Matetika: Mazàna izy no mankaty ambanivohitra. Ahitsio
Mazana
[hery]
:(hazana) p.t.: Entimilaza tany maina be ka mafy tsy laitran'ny angady: Tany mahavokatra ny tany mazana - Sarotra atao izaitsizy: Mazana ito raharaha ito. Tsy azo ifanarahana. Ahitsio
Mazaizino
[hery]
:a.: Anaran-kazo, Ahitsio
Mavozo
[hery]
:na Mavozovozo (vozo na uozouozo) p.t.: Osa. reraka, reradreraka, valabalaka: Nanao mavozovozo aho androany ka tsy afaka hand?ha, 1 (taloha) Midonanapoana, tsy miasa. Ahitsio