Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanasoniavana: (sonia) a, : Fanaovana, fanasiavana sonia. Ahitsio
Fanasosa: (sosa) a: Fomba entina manasosa, mampizotra tsara tsy misy manakantsakana. Ahitsio
Fanasosana: (sosa) a: Fandefasana zavatra handeha milamina sy haingana ary tsy misy manakantsakana na manelingelina. Ahitsio
Fanasosorana: (sosotra) a. : Fanaovana izay hahasosotra. Ahitsio
Fanasosotra: (sosotra) a.: Fomba entina manasosotra. Ahitsio
Fanasotitihana: (sotitika) a. : Fandotoana. Ahitsio
Fanasotitika: (sotitika) ci. : Fomba entina manasotitika. ? Azo sotitihana. Ahitsio
Fanata: (Ski) a. : Saboran-kazandrano. Ahitsio
Fanatabariahana: (tabarioka) a. : Fanaparitadritahana et? sy er}', Ahitsio
Fanataboretahana: (taboretaka) a. : Fampipetrahana mi-bote taira. Ahitsio
Fanataboretaka: (taboretaka) a. : Fomba entina manataboretaka, mampipetraka mibotetaka. Ahitsio
Fanataboroahana: (taboroaka) a. : Fandoahana tanteraka, fanagorobahan. Ahitsio
Fanataboroaka: (taboroaka) a.: Fomba entina manataboroaka, mandoaka tanteraka, managorobaka. Ahitsio
Fanataborobahana: (toborobaka) a. : Fandoahana tanteraka, faninterahana, fanagorobahana. Ahitsio
Fanataborobaka: (taborobaka) a : Fomba entina manataborobaka, mandoaka maninteraka, managorobaka. Ahitsio
Fanatabotetahana: (tabotetaka) a : Fametrahana zavatra hibotetaka amin'ny fanambaniny. Ahitsio
Fanatabotetaka: (tabotetaka) a.: Fametrahana manatabotetaka, mampipetraka zavatra amin'ny fanambaniny. Ahitsio
Fanatadiana: (tady) a. : Famatorana amin'ny tady, Ahitsio
Fanatady: (tady) a. : Fomba entina manatady, mamatotra amin'ny tady. Ahitsio
Fanatafoahana: (tafoaka) a : Fampihoarana ny fefy; fampamorivoriana. Ahitsio