Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misetry: (setry) mt. s.: Mivaly: Raha tsy misetry eto an-tany ny ratsy atao, tsy maintsy misetry any an-koatra. Ahitsio
Misevosevo: Misevotsevoka (sevosevo) mt. s. (misevosevo, misevotsevoha): Maimay, dodona, mirotoroto, mikorododo: Ilazao izy tsy hisevotsevoka foana toy izany. Ahitsio
Misiaka: (siaka) mt.s. (misiaha): Mamoaka feo kely mikiririoka avy amin'ny fanosehana ny rivotra amin'ny molotra sy ny nify; misioka: Heno misiaka ny bibilaua. ? mt, p.: Manao feon-kira amin'ny siaka: Mahay misiaka hira betsaka io zazalahy kely io, 1 Miantso amin'ny siaka: Misiaka alika, Ahitsio
Misiantsiana: (siantsrana) mt. s.: Mivily amin'izay tsy tokony ho izy; diso fandeha noho ny haitraitra. Ahitsio
Misiasia: (siasia) mt. s.: Jar. Maniasia. Ahitsio
Misidina: (sidina) mt. s. (misid(na): Miezaka miakatra eny amin'ny habakabaka: Misidina ambon y vao tra-pahoriana ohatra ny akohokely lasampapango. ? Mandeha haingana maivamaivana: Misidina izy rehefa mandeha. ! Misondrotra ambony be amin'ny fahaizana, voninahitra, harena...: Nisidina ambony tamin'ny harena Ingahy Rabe tato anatin'ny roa tanna. ¶ M.h.: Manidina, mikopaka elatra, misodika, misonanina. Ahitsio
Misidiondiona: (sidiondiona) mt. s.: Miriorio namandeha, mivezivezy foana mba handositra adidy, hibolidy amin' ny raharaha. Ahitsio
Misifotra: (sifotra) mt, s. (misifora): Mangalatra zavatra madinidinika, mamitaka amin'ny fomba tsy mendrika. Ahitsio
Misikidy: (sikidy) mt. s.: Manao sikidy: Mianatra misikidy Rakoto. ? Mamantatra ny ho avy na ny fitsaboana aretina amin'ny alalan'ny sikidy: Matoky ny olona misikidy ue ianao? Ahitsio
Misikina: (sikina) mt. s. (misikina): Mamehy lamba manodidina ny valahana: Nitsangana izy dia nisikina handeha hamoha trano. ? h.o.: Miomana, mivonona fatratra: Misikfna ianareo fa hanao tetezana isika fokonolona. ? Manao asa amin-kafanam-po: Nisikina tamin'ny fanadiovana ny tanàna ny mponina. ? Manana: Misikina herim-po fa hiankinan'ny ho avinao ity zauatra ity, Ahitsio
Misiky: (siky) mt s. (misikia): Mandroaka biby amin'ny filazanahoe "siky". Ahitsio
Misilaka: (silaka) mt. s.: Miendaka mihelaka, midifika. Ahitsio
Misilantsilana: (silantsilana) mt. s. (misilantsilàna): Mipelipelika, mihetsiketsika noho ny hajejoana. Ahitsio
Misilatra: (silatra) mt. s.: Misy dimbana kely, nahabangana kely. Ahitsio
Misilisily: (silisilY) mt. s.: Ma-nome kely bitika; mahihitra; kahidy. Ahitsio
Misimaka: (simakq) mt. s.: Mitsoaka, miendaka. Ahitsio
Misimba: (simba) mt. s.: Manisy ratsy; mamosavy. Ahitsio
Misinda: (sinda) (t.tr.) p.t.: Mibilaka, mivena, misilaka. Ahitsio
Misinda: (sinda) mt. s. (misindà): Mihataka, miala, manalavitra: Nisinda teo anatrehanao izy raha uao nilazako izany. / Ao (anatin'ny fo) ny nofy novolavolaina — izay nisinda nalaky, tsy hita — Ao no rendrika ilay nantenaina — ilay sambo nataoko ho tafita. (J.J.R.) ~ Misava: Efa nisinda ny zavona. Ahitsio
Misindaka: (sindaka) nit s. (misindaha): Mihataka amin'ny maro, mitokana, miolonolona. Ahitsio