Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misehatra: (sehatra) mt. s.: Mitsena: Aza misehatra tandrok'omby maranitra (fi-tan.) Ahitsio
Miseho: (seho) mt s. (misehoa): Manolo-tena ho hita: Tsy sahy miseho intsony izy hatramin'ny nanaovany izany hadalana izany. ? Manomboka ho hita: Raha vao misokatra ny ridao, dia tovovavy no miseho eo ambon y lampihazo. / Efa miseho izao ny haratsiany. ? Mitombana: Misehoa ho lehilahy mafana fo.* Mitranga, miposaka: Niandry ny masoandro hiseho izy van nifoha. Ahitsio
Misehotra: (sehotra) rat. s.: Mai-ka erys, liana. Ahitsio
Miselaka: (selaka) mt. s.: Miendaka isan'elakelany, misilaka. Ahitsio
Miselatra: (selatra) mt. s. (mise-tara): Mandalo vetivety, haingana; mihelina, miserana: Niselatra kely fotsiny izy. ? Manjopiaka, mamirapiratra: Niselatra tamin'ny rano ny taratry ny fiaramanidina nandalo teo amboniny. Ahitsio
Miselisely: na Miseloselo (selisely) mt s.: Mandalo na mipetraka eo anoloan'olona mba hanelingelina azy. Ahitsio
Miselontselona: (selontselona) mt. s.: Mandalondalo, mivezivezy eo anoloan'olona. Ahitsio
Miselotselotra: (selotselotra) mt. s.: Misalovana ny raharahan'ny hafa, misisika amin' ny.,. Ahitsio
Misembana: (sembana) mt. s.: Mandalo miserana. Ahitsio
Misempotra: (sempotra) mt. s. (misempora): Misanehaka, miehakehaka. Ahitsio
Misendaka: (sendaka) mt. s. (misendaha): Miendaka, miala, midifika: Misendaka ho azy ity hodi-kazo ity. ? Miolonolona, miendaka: Tsy tsara ny misendaka amin'ny be sy ny maro. 1 Misintona, miala: Raha vao avy niteny ny rainy dia lasa nisendaka izy. Ahitsio
Misendoatra: (sendoatra) mt. s.: Tezitra tafahoatra ny mety. Ahitsio
Misendrasendra: (sendrasendra) mt. s.: Mifanakaiky;efamby hifanaraka momba ny vidinjavatra iadiam-barotra. Ahitsio
Misenotsenoka: (senotsenoka) mt. s.: Variana, sahirana;miheninkenina; dibo-kafaliana. Ahitsio
Misento: (sento) mt. s. (misem toa): Mandefa sento: Misento lava io mahantra io, ? Miato kely: Nisento kely izahay nony tonga teo an-dohasaha. Ahitsio
Miserana: (serana) mt. s. (miseràna): Miseho vetivety dia lasa, mandalo faingana, tsy maharitra: Niserana ihany izy teto fa tsy nipetraka akory. ¶ M.h.: Mandalo, mihelina. 1 Mora simba na levona: Miserana ihany ny voninahitr'izao tontolo izao! ? Ampandalovina eo ambony afo (fiteny amin'ny zavatra nentina alina ka homena hohanin'ny zaza): Efa niserana teo ambony afo ue iny hena avy any alatrano iny no nomenareo ny zaza? ¶ M.h.: Mihelina, mandala, mihelatra, tsy tra-maso mipy, misalovana. Ahitsio
Misesika: (sesika) mt. p. (miseseha): Misy sesika: Misesika horompotsy io kidoro io ka asa raha ho tianao. 1 Fano: Misesika ny entana ny efitrano ka tsy misy hidirana intsony. ? Mirohotra miditra na mitsofoka an-keriny: Nisesika niditra tao an-trano fianarana ny ankizy, 1 Mihinana be ambosika, na terena hihinana toy ny vorona afahy: Loza raha hisesika katsaka io ganagana io. Ahitsio
Misesy: (sesy) mt. s. (misese): Mifandimby tsy an-kijanona: Misesy foana ny olona maka fanafody ato izany. ? Mitohy tsy tapaka: Misesy loatra ny asa ka uizana aho. ? Isanisany avy, tsirairay avy: Lafoko dimampolo amby zato misesy ireo bitro foio nentiko tany an-tsena. ¶ M.h.: An-kisesy, tsy miato, tsy an-kiato, tsy an-kijanona, sesilany, sesirivotra, sesimontotra, dodoria, tohokafo. Ahitsio
Misetaseta: (setaseta) mt. s.: Mianjonanjona sy mieboebo. Ahitsio
Misetrasetra: (setrasetra) mt. s.: Mihetraketraka feno avona. Ahitsio