Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misavembena: (savembena) mt. s,: Mivezivezy, misavilivily. Ahitsio
Misavenavena: (savenauena) mt. s.: Misokatra be, mitanatana, miveraka. Ahitsio
Misaveravera: (saverauera) mt. s.: Ratsy fiakanjo, miakanjo mampihanjaka vatana, misarira-pitafy. Ahitsio
Misavika: (savika) mt. P. (misauiha): Mandray (omby) amin' ny tandrony na ny vozony dia mandavo azy: Raha miss misauika omby na manao katsaka hampiseho hery foana, dia analana sikajy isan'olona manao izany. (Fanekem-pokonolona tao Antananarivo tamin'ny 1885). ? Misarangotra amy.,.: Saika potraka izy raha tsy nisavika ny tenako. ? Mihambo zavatra tsy an'ny tena, maka tsy an-drariny: Misauika fananan'olona. - Misavi-drazana: (taloha) nilazana ny lehilahy ambany firazanana nitady haka vady ambony fixazanana noho izy. Ahitsio
Misavily: (savily) mt. s.: Mikivilivily, mikapilipily: Aza misavily amin'io rantsan-kazo io ianao sao potraka. ? Miolaka: Hevitra misavily. Ahitsio
Misavoana: (savoana) mt. s. (misavoàna): Miakatra ambony eny amin'ny habakabaka: Nodakany nisavoana ny baolina. ? Misondrotra, midangana: Nisavoana tampoka teo ny uidin'ny hena. ? Lasa la-vitra loatra: Misavoana izany heuitrao izany. Ahitsio
Misavoretaka: (savoretaka) mt, s. na p. t.: Mipetraka amin'ny toerana maloto; misotisoty, voretra. Ahitsio
Misavoritaka: (savoritaka) mt. s. na p.t.: Tsy milamina, misafotofoto. Ahitsio
Misavorovoro: (saoorovoro) mt. s.: Tsy milamina, mikorontana, misaritaka: Misauorovoro be izany volonao izany! * Fiten.: Ny isauorovoroankilantoana: matetika hitadiavana ny filaminana no toa isavoritahana amin'ny ady hevitra. Ahitsio
Misavovoka: (savovoka) mt. s.: Enti-milaza ny vovoka miainga mitambolimbolina. Ahitsio
Misavovona: (savovona) mt. s.: Miavosa, mifanongoa: Nisy an ton ta-mololo nisavovona teo an-tokotanin'i Dadabe. Ahitsio
Misazoka: (sazoka) mt. s. (misazoha): Mitaky tsy an-drariny, an-keriny, maka tsy andrariny: Nisazoka vola tany amiko izy. Ahitsio
Misazy: (sazy) mt. s.: Voasazy handoa onitra. Ahitsio
Misebiseby: (sebiseby) mt. s.: Mihetsiketsika, manonja, mivezivezy: Misebiseby ny vahoaka. Ahitsio
Misedisedy: (sedisedy) mt s. (misedisede): Maika, mitaitay, maimay, mirotoroto, mivezivezy etsy sy eroa. Ahitsio
Misedra: (sedra) mt. P. (misedrà): Manandrana: Lasa nisedra ilay bisikilety vao novidiny izy. ? Mitsapa: Misedra ny olombelona amin'ny fakampanahy Andriamanitra, Ahitsio
Misefaka: (sefaka) mt. s.: Mitriatra, mitsefaka. Ahitsio
Misefosefo: (sefosefo) mt. s.: Miaina mafy misesisesy: Misefosefo ilay zaza azon'ny miakatra be ny hafanany. ¶ M.h.: Sanehaka, miehakehaka, miemponempona. ? Sempotsempotry ny hatezerana: Nisefosefo er? Rakoto avy any 'ndeha hamely tehamaina ahy. Ahitsio
Misehaka: (sehaka) mt. s.: Ma-ka fofon'aina mafy. Ahitsio
Misehaseha: (sehaseha) mt. s.: Sahisahy, miandranandrana mampiseho avona, mirehareha, Ahitsio