Teny nampidirina farany

zava-manitra
[manampisoanathaniel]
:zavatra mampatsiro sakafo, mety ho zava-maniry manim-pofona Ahitsio
aniversera
[manampisoanathaniel]
:fitsingerenan'ny andro nahaterahana Ahitsio
angidim-by
[hery]
:Fiaramanidina miendrika angidina, (fr. hélicoptère) Ahitsio
kanty
[hery]
:Hendry, mora be, tsotra, vory saina Ahitsio
nanambatra
[hery]
:Jereo [tambatra] Ahitsio
nandrandraina
[hery]
:Nantenaina, jereo [miandrandra] Ahitsio
ialonana
[hery]
:Fomba entina mialona, jereo [alona] Ahitsio
ikirizana
[hery]
:Iezahana, jereo [kiry] Ahitsio
voary
[hery]
:Jereo [ary] Ahitsio
Kalitao
[hery]
:Hatsara, hatsaràna. Fenitra tratrarina: mifanaraka amin'ny kalitao. Ahitsio
hazalambo
[jentilisa]
:Fikarohana hatraiza hatraiza ary amin'ny fomba rehetra sy tsy ananana indrafo ny olona na vondron'olona manokana tadiavina sy hosamborina. Ahitsio
saoma
[hery]
:Lalao: Ndao hisaoma, ndao hilalao Ahitsio
bala
[hery]
:Firaka boribory alefan'ny basy amin'ny herin' ny vanja. [Balana], [voabala], [nobinala] balabala, abalabala 1 balabalana. - F.-p.: Bala mangatsiaka, bala maty, baba sasatra: bala maty afo, tsy mipoaka, tsisy hery. l Baba mihanta: bala misisika any anaty nofo ka tsy mety miala ao raha tsy didiana. / Balam-basy, balantafondro; bala very maina: enti-milaza fikirizana na asa natao tsy nisy vokany. Bala atifi-danitra, bala atifi-potaka. * Ohab.: Bala asesiky ny vanja ka tsy mianina raha tsy any an-tampony: enti-milaza olona mikiry manao zavatra ka tsy mijanona raha tsy tonga amin'izay kendreny. Ahitsio
itiavana
[hery]
:Jereo: tia Ahitsio
iadivana
[hery]
:Jereo: ady Ahitsio
nokajiana
[hery]
:Jereo: kajy Ahitsio
vomanga
[hnjakaniaina]
:zavamaniry fihinambody sy ravina, mbizo no iantsoana azy amin'ny faritr'i Fianarantsoa Misy karazany maro ny vomanga toy ny vomanga sihanaka, vomanga navetô fotsy sy vaventy, vomanga voatavo miloko mavo, ... ravimbomanga, ravimbizo: ravin'ny vomanga izay fampiasa fanaovana rony na atao laoka ohabolana: Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany, entina ilazana ireo olona voan'ny heviny. Ahitsio
imailaka
[hery]
:(ang. email) Hafatra elektronika izay vakina amin'ny ordinatera. Ny endriky ny imailaka dia toa izao adiresy@vala.frn Ahitsio
jomaka
[ral_]
:fiteny ilazana jiolahim-boto. oh: izaho aza mba anaovana fitenin-jomaka. Ahitsio
jaboady
[ral_]
:karazam-biby mitovy habe amin'ny vatotra bitro, miloko mainty sy fotsy , mandefa fofona mahery hiarovany tena rehefa misy manafika. oh: ialahy ity tena jaboady mihintsy Ahitsio