Teny nampidirina farany

Repaky
[hery]
:Avy amin'ny [Repaka] Ahitsio
hoavy
[hery]
:Mbola tsy tonga. Fotoana aorian'ny ankehitriny Ahitsio
Songa
[hery]
:fiakarana, mifanohitra amin'ny mijotso. ohatra : Misonga ny fiainana Ahitsio
kidedika
[miaksel]
:p.t miambakavaka; Ahitsio
TSARANDRO
[rainimaharavo]
:Fomba fiarahabana misy mampiasa, dika malalaka avy amin'ny teny frantsay hoe "bonjour" Ahitsio
soanambo
[critix]
:anaram-boankazo fahita amin'ny faritra atsinanan'i Madagasikara, mitsiro toy ny voamanga Ahitsio
tsaràva
[critix]
:firariana ny hafa ho tsara, teny fiarahabana andriana. ohatra : tsaràva tompoko Ahitsio
katro
[critix]
:kilalao malagasy ampiasàna faritra boribory kely maromaro sy vatokely ahisakisaka Ahitsio
katry
[critix]
:mpamari-toetra, tenin-jatovo, mitovy dika amin'ny mamo Ahitsio
mijotso
[critix]
:jereo "jotso". Midina, mihena, miletsy. ohatra : Mijotso ny salan'isan'ilay mpianatra varimbariana Ahitsio
jotso
[critix]
:fidinana, fihenàna: nijotso teo amin'ny seranana ny mpandeha rehefa nijanona ny fiara fitaterana Ahitsio
kolo
[critix]
:karakara, kajy. Koloina : raisina andraikitra ny fikajiana (zavatra na olona). kolokoloina : fikarakaràna (zavatra na olona). mikolo. Ahitsio
soatoavina
[critix]
:hasina sy riba mamaritra vahoaka, firenena, fikambanana na vondrona iray. Toetra mamaritra ireo vondrona na fikambanana na vahoaka iray. Ohatra : Anisan'ny soatoavina maha-malagasy ny fiavanana sy ny firaisan-kina Ahitsio
Vakiraoka
[critix]
:andrana, tsy tena izy, mbola ilaina fanatsarana sy fandaminana Ahitsio
Zanafaly
[admin]
: (Atm) a.: Zanatsirika misy poizina miharo voan-tsakay voatoto. Ahitsio
Sampana
[admin]
: a.: Ny rantsana madinika miray amin'ny vataben'ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo. ? Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin'ny foto-be: Amin'ireo rano aisy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa. ? Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin'ny firaisam-be: Ny marika dia sampan'ny fianarana ambaratonga uoalohany. ? Fikambanana kely izay mifandray amin'ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin'ny sampan'ny Fikambanan'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra eto amin'ny faritany. - t.i.f.: Sampanana na sampanina, asampana, voasampana, tafasampana / manampana, fanampana, mpanampana / anampanana, fanampanana / misampana, fisampana, mpisampana / isampanana, fisampanana / mahasampana / sampantsampana. Ahitsio
Penefo
[admin]
: (angl. penknife) a.: Antsipika. Ahitsio
Misangisangy
[admin]
: : Jer. Misangy. Ahitsio
Mirava
[admin]
: (rava) mt. s. (miraud): Mivoaka ny fianarana, ny trano fiasana: Amin'ny dimy no miraua ny mpiasa. 1 Miparitaka, mihahaka: Miraua ny uahoaka. ? Vita, mifarana: Miraua ny fiangonana. 1 h.o.: Tsy tanteraka: Miraua ny fitsangantsanganana rahariva fa ratsy ny andro, - F.-p.: Mirava maina: entimilaza fivoriana izay nifarana tsy nisy hevitra tapaka na nahitam-bokatsoa. J Miraua samy marina: zava-niseho tamin'ny andron-dRanavalona II no nahatonga an'io fitenenana io: somary sahala amin' ny didy manko, hono, ny miangona tamin'izany, ka tonga tao am-piangonana ny olona nefa tsy nisy mandrakariva ny mpitari-pivavahana; koa rehefa nirava ny olona, dia samy nirava samy marina, hono, satria samy tao am-piangonana nefa tsy niasa alahady. Ahitsio
Manadonto
[admin]
: (donto) mt.p. (manadontoa): Mahatonga harenina: Nanadonto azy ilay fahapotrahany. ? Manadombo: Nidofitra tamin'ny vato no nanadonto it? angady ity. ? Mahatonga tsy haranitra: Ny kapoka izaitsizy nafitsokao azy taloha no nanadonto ny sain y. Ahitsio