Teny nampidirina farany

Tipika
[admin]
: a.: Mitovy hevitra sy fomba fiovaovana amin'ny Tifika. Ahitsio
Tiorka
[admin]
: (fr. turc) a.: Ny firenena tompon-tany any amin' ny tanin'i Torkia: Fanoharana ny hoe "matanjaka tahaka ny Tiorka", 1 p.t.: Mikasika an'i Torkia, an'i Torkia, na avy any Torkia: Izany Mustapha Kémal izany no nanauao sy nanatsara ny fitondram-panjak ana tiorka. Ahitsio
Tionelina
[admin]
: (fr. tunnel) a.: Lavaka noloahana anaty tendrombohitra mba hampitohy toerana roa toy izay hiolaka hanodidina. Ahitsio
Tiona
[admin]
: (angl. tune) a.: Boky fihirana misy ny feon-kira antsolfa sy ny tonony. ? Feo anaovana ny hira, pitsiny: Ampidino ny tiona fa aoo loatra. Ahitsio
Tintina
[admin]
: a.: Feo mangintsingintsina toy ny an'ny lakolosy. i t.i.f.: Mitintina, fitintina. Ahitsio
Tinteraka
[admin]
: Jer. Tanteraka. Ahitsio
Tinozo
[admin]
: (tozo) mt. ih. misy tsofoka in: Tozoina, atao iaretana eny ihany: Notinozony ihany ny asa efa natombony na dia teo aza ny olana ma-ro. Ahitsio
Tinovo
[admin]
: (touo) mt. ih. misy tsofoka in: Tovozina: Hatao aiza ny rano notinouo? Ahitsio
Tinovana
[admin]
: (touana) mt. ih, misy tsofoka in: Voatovana, tovonana, asiana tovana. Ahitsio
Tinototra
[admin]
: (tototra) mt. ih. misy tsofoka in: Voatototra, nototorana: Nasiany trano tamin'ilay tany notinototra. Ahitsio
Tinoto
[admin]
: (toto) mt. ih. misy tsofoka in: Voatoto, totoina: Efa notinoton'ny ankizy ne ny uary? Ahitsio
Tinorotoro
[admin]
: (torotoro) mt. ih. misy tsofoka in: Voatorotoro, voamontsamontsana, mongomongoina: Notinorotoro ny voanjo. Ahitsio
Tinory
[admin]
: (tory) mt. ih. misy tsofoka in: Tonna, didiana, rasaina (omby, kisoa...): Notinory ilay kisoa ka aoka izany ny tanin y. Ahitsio
Tinory
[admin]
: (tory) mt. ih, misy tsofoka in: Voatory, torina. Ahitsio
Tinoraka
[admin]
: (toraka) mt. ih. misy tsofoka in: Voatoraka, torahana: Omby tinora-defona. Ahitsio
Tinonta
[admin]
: (tonta) mt. ih. misy tsofoka in: Voatonta, tontaina: Betsaka izay biriky notinontany androany izay. Ahitsio
Tinongotra
[admin]
: (tongotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voaray amin'ny tongony, notongorina: Rehefa auy naronjiny ilay izy, dia notinongony ka nitsinkasina tery. Ahitsio
Tinompo
[admin]
: (tompo) mt ih. misy tsofoka in: Voatompo, notompoina: Ny Tanindrazana no notinompony hatramin'ny fahatanorany. Ahitsio
Tinomboka
[admin]
: (tomboka) mt. ih. misy tsofoka in: Voatomboka, notetehina: Notinombony ny tarehiny. Ahitsio
Tinombana
[admin]
: (tombana) mt. ih. misy tsofoka in: Voatombana, notombanana, novinavinaina ny tokom-bidiny: Notinombana ny uidin'ilay tanimbary ka hay tsy takatry ny vola. Ahitsio