Teny nampidirina farany

Totena
[admin]
: (toty) mt. ih. (toteo): Karakaraina fatratra, kajina. Ahitsio
Tositosy
[admin]
: a.: Jer. Tosy. Ahitsio
Tosina
[admin]
: (tosy) mt. ih. (tosio): Kasihina (amin'ny lalao kanety). Ahitsio
Tosika
[admin]
: a.: Ronjina; ezaka atao mba hampivoaka olona amin'ny faritra iray, na hamotraka azy na handroaka azy: Resy tosiha izy ka lasa. - t.i.f.: Atosika, voatosika / manosika, fanosika, mpanosika / anosehana, fanosehana / mifanosika / mahatosika / tositosika. Ahitsio
Tosidra
[admin]
: a.: Fanoheran'ny aritera amin'ny fanosehan'ny ra, ka raha mafy tsy mifandanja amin'ny_fonon'ny aritera io fanosehana io dia mety ho tapaka ny lalandra. Ahitsio
Tosy
[admin]
: p.t.: Voakasika (ilazana ny kanety lalaovin'ny ankizy rehefa mifampikasika alohan'ny hidirany ao anaty lavaka): Tosy, leity a! - t.i.f.: Tosina, voatosy / mitosy, fitosy, mpitosy / itosiana, fitosiana / mahatosy, tositosy. Ahitsio
Tosy
[admin]
: a.: Fihetsehana miangolangola mba hanehoam-pitiavana na hierenam-pitia amin' ny olona ifampiresahana, - t.i.f.: Tosina, voatosy / mitosy, fitosy, mpitosy / itosiana, fitosiana. Ahitsio
Tosaka
[admin]
: p. t.: Mitobaka any ivelany, miraraka na mihanaka noho ny habetsahany. ? Miparitaka eo am-pahavakiana. ? Tapaka. - t.i.f.: Tosahana, tosahina f atosaka, voatosaka / manosaka, fanosaka, mpanosaka / anosahana, fanosahana / mitosaka, fitosaka / itosahana, fitosahana / mahatosaka f tosatosaka. Ahitsio
Tosahana
[admin]
: na Tosahina (tosaka) mt. pdr. sady ih. (tosahy): Rarahana rano. ? Tapahina. Ahitsio
Torovoka
[admin]
: a.: Fipetraka miarinarina eo amin'ny tany na eo ambony tsihy, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka: Mahatsikaiky ny torouok'io rafotsibe io. - t.i.f.: Atorovoka, voatorovoka, tafatorovokal manatorovoka, fanatorovoka, mpanatorovoka 1 anatorovohana, fanatorovohana 1 mitorovoka, fitorovoka, mpitorovoka / itorovor, ana, fitoxovohana / mahatorovoka / torovodrovoka. * Ohab.: Ny torouok'am boa maro mpahalala, fa ny hisafelehan'ny rambony no tsy misy mahafantatra: ilazana fa misy toetran'olona na toejavatra iaraha-mahalala izao, fa ny ho fihetsiny na ho vokany any aorianano tsy misy mahafantatra. Ahitsio
Torovana
[admin]
: p. t.: Vizana mafy, lanaky ny hasasarana: Torouana aho ka tsy maharay te-na intsony. Ahitsio
Torotoroka
[admin]
: a.: Karazana vorondolo, kelikely vatana, hi-ta eny anaty hazo rehetra eny (halavany: 25sm) — (biby mifandray arniny: vorondolo, matoriandro, tararaka). Ahitsio
Torotoroina
[admin]
: (torotoro) mt. ih. (torotoroy): Vakina atao potipotika, montsanina: Notorotoroiny tamin'ny vato ny siniko. Ahitsio
Torotorohina
[admin]
: p. t.: Manomboka ho Io ka rakotra vovobovoka fotsifotsy; lomorina, bobongolo: Haxo efa torotorohina no nanaovanao ity seza ity. Ahitsio
Torotoro
[admin]
: p.t.: Vaky potipotika, montsana: Torotoro ilay tavoahangy nianjera avy eny an-dauarangana. • h.o.: Torotoro ny fahavalo tamin'ny ady. 1 Hontsa dia hontsa: Torotoro ny foko nahita ilay reny niantoraka teo amin'ny zanany tsy niainaintsony. - t.i.f.: Torotoroina, voatorotoro, tinorotoro J manorotoro, fanorotoro, mpanorotoro J anorotoroana, fanorotoroana. Ahitsio
Torosina
[admin]
: (torosy) mt. ih, (torosio): Ampitovina halehibe amin'ny alalan'ny torosy. Ahitsio
Torosy
[admin]
: (fr. trusquin) a.: Fiasan'ny mpandrafitra hanatsipihany ny hazo hotsofana na hovankonina mba hitovy halehibe hatrany manaraka ny lavany. ? h.o,: Halehibe, lenta: Mitovy torosy. - t.i.f.: Torosina, atorosy, voatorosy J manatorosy, fanatorosy, mpanatorosy 1 anatorosiana, fanatorosiana J mitorosy, fitorosy, mpitorosy 1 itorosiana, fitorosiana J mahatorosy. Ahitsio
Torontoronina
[admin]
: p.t.: Enti-milaza: 1) ny zaza vao miforona ao an-kibon-dreniny: Vao torontoronina ny zaza dia azo lazaina fa tokony harahi-maso tandremana tsara -2) na koa ny reny manomboka hanan-janaka ao am-bohoka na mitoe-jaza: Vao notorontoronina an'io zaza io izy dia efa tsy sala-ma. Ahitsio
Toroka
[admin]
: a.: Endrikendrika amin'ny zavatra tsy natao; fiampangana tsy marina. - t.i.f.: Torohina, voatoroka 1 mitoroka, fitoroka, mpitoroka 1 itorohana, fitorohana / mampitoroka J mifampitoroka J mahatoroka. Ahitsio
Torohina
[admin]
: (toroka) mt. ih. (torohy): Ampangaina tsy mari-na, endrikendrehina: Notorohiny ho nangalatra aho. Ahitsio