Teny nampidirina farany

Tarifa
[admin]
: (fr, tarif) a.: Fampisehoana indray mijery ny vidin'entana na ny ambaratongam-pahalafosan'ny sarandalana na ny hajian-ketra arakaraka ny halehibeny avy. Ahitsio
Tariby
[admin]
: a.: Vy natao miezoezo kely toy ny kofehy na ny tady, ka ampiasaina amin' ny zavatra maro. Ahitsio
Tariavina
[admin]
: (taria) mt. ih. (tariavo): (resaka) Halavaina na tohizina tsisy farany. Ahitsio
Taria
[admin]
: a.: Resaka na dinika lavareny: Aza lava taria eo ianao. Ahitsio
Tary'
[admin]
: p. mt.: Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "aryr" raha enti-milaza ny lasa: Tari, Ankadindambo izahay afakomaly. Avy ar?: Efa tari, ue ianao? Ahitsio
Tary
[admin]
: (Mer.) a.: Ny kely indrindra amin'ireo amponga efatra nampiasaina tamin'ny famorana ka natao hipetrahan'ny zaza hodidiana. Ahitsio
Tary
[admin]
: (fit.-p.) a.: Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin'ny n'lapa izy (hoditra tokana eo amin'ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary, Ahitsio
Taretra
[admin]
: Taredretra p.t.: Tsy maika, tsy rototra. Ahitsio
Taretra
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry. fanao kofehy ny hozadraviny: Be taretra maniry amin' ity faritany atsimo ity. / Kofehy fanjairana: Kiborin-tare tra. Ahitsio
Tarehy
[admin]
: a.: Ny faritra anoloana amin'ny loha, misy ny handrina, ny maso, ny orona, ny vava; ny tava: Be tandra kely ny tarehin-dRamatoa iny. / Ny fisehoana ahitana ny zavatra iray: Be kilavadauaka, hono, ny tarehin'ny uolana, hoy ireo efa nanitsaka teny. / Nitondrany voninkazo tsara tarehy aho. - Endrika, bika: Aseho matetika amin'ny tarehin'ny uoromailala ny Fanahy Masina. * Ohab.: Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ouana: enti-milaza fa ny bika aman'endrika dia sarotra ovana satria efa izao no nanaovan'ny Nahary azy, fa ny toetra amam-panahy kosa dia miankina amin'ny sitrapon'ny tena ny mahatsara na maha-ratsy azy. ¶ M.h.: Tava, endrika, salovantava, laingon-tava, takolaka, fify. Ahitsio
Tarazoka
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Tarozaka. Ahitsio
Tarazo
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra mihantona mikiraviravy, toy ny voankazo. 1 Teny na kabary na raharaha maharitra, tsy tapaka, na dia azo faranana vetivety aza. 1 Zavatra efa lasa fahazarana ka mety ho tonga fomba mihitsy: Efa lasa tarazo ity fanaon' ny ankizy mifoka sigara mbola kely ity, 1 Taranaka efa lavitra elanelana aty aoriana, taranaka mifandimby mitohy hatrany: Velon-tarazo: manan-taranaka handimb y. Ahitsio
Taratra
[admin]
: a.: Hazavana alefa-na zavatra miantefa amin'ny rano na fitaratra: Manimba maso ny taratry ny masoandro ao anaty rano raha mandeha lava amin'ny lakana. 1 Hazavana mihalohalo na miserana kely: Mahafinaritra izany tara-bolana aty anaty hazo. 1 Fijerena zavatra maninteraka lamba na fitaratra na amin'ny elakelaky ny rantsantanana. / Fanarangaranana na fitsikilovana izay atao miafinafina. - t.i.f.: Tarafina, ataratra, voataratra, tafataratra / mitaratra, fitaratra, mpitaratra / itarafana, fitarafana / mahataratra / tarataratra. Ahitsio
Taratasy
[admin]
: a.: Zavatra amboarina amin'ny zavamaniry na voridamba izay atao koba dia tampisahana manify dia manify, ka ampiasaina hanoratana: Manify loatra ity taratasy ity ka tsy azo anoratana. / Rauin-taratasy. • Soratra ifandefasan'ny olona roa mba hifamangiana, hifampilazana vaovao na hifampiraharahana: Nandefa taratasy tany amin'i dadatoa aho mba hamangiako azy tamin' ny nahafatesan'ny zanany. 1 Teny ilazana ankapobeny ny soratra rehetra Raina ho fanamarinana ny fananan-javatra na fahavitan-draharaha iray: Ento daholo ny taratasy rehetra momba ny aotomobilina. - F.-p,: Vola taratasy: vola vita amin'ny taratasy fa tsy mba amin'ny metaly. / Taratasim-bola: taratasy solombola, izany hoe azo andraisam-bola any amin'ny tranom-bola. / Vazaha taratasy: olona manana ny zon'ny Vazaha ara-taratasy fotsiny fa hafa firenena. / Mahay taratasy: mahay mamaky sy manoratra. Ahitsio
Taratara
[admin]
: a.: Fandinihana malina dia malina, fanadihadlana sy fikarohana amim-pitandremana. Ahitsio
Tararena
[admin]
: p, t, : Farary, farofy. Ahitsio
Tararaka
[admin]
: a.: Vorona naman' ny vorondolo. ? h.o.: Entimilaza olona varimbariampoana sy midonanaka amin' ny tsy antony. Ahitsio
Taranjana
[admin]
: a.: Tangozan'ny ravina mampitohy azy amin' ny taho, sampantsampan'ny vody saonjo. • h,i: Saikiny entina manenjana ny lamba zairina na tsihy rarina. ? I-reo antokon-javatra isan-karazany ianarana: Ny marika no taranjam-pianarana tsy hainy indrindra. ~ Ahitsio
Tarangana
[admin]
: p.t.: Tapaka hentitra tsara (teny iray ihany amin'ny Tangarana fa nisy fi-fun adih am-banin teny ). Ahitsio
Taranaka
[admin]
: a.: Fitambaran'ny zanaka aman-jafy sy ny zanany mitohitohy hatrany, nateraky ny olona iray tany aloha; tamingana, solof0 amampara: Lany taranaka izy. • Firazanana: Taranak ' Andria-na Randria. / Taranak'aiika mahay mihaza itY nentiko ho anao ity. ? Zaza natsangana mahazo mandova. Ahitsio