Teny nampidirina farany

Tovevy
[admin]
: a.: Fitongilanana. - t.i.f.: Atovevy, tafatovevy / manatovevy, fanatovevy / anatovevena, fanatovevena 1 mitovevy, fitovevy / mahatovevy. Ahitsio
Tovanana
[admin]
: (touana) mt. ih. (tovano): Asiana tovana, am-Piana avy ao ambany na avy eo aoriana: Notouanana ilay kofehy uao ampy namatorana ny rata. Ahitsio
Tovana
[admin]
: a.: Enti-milaza fanampin-javatra ao ambany na eo aoriana; ny atohy na anampy amin'ny zavatra iray mba hahalava na hahafeno azy amin'ny ilana azy: Asio toua-na io tady io fa fohy loatra. ? Kian-teny kely atohy eo aorian'ny fototeny: Asiana tovana "ina" matetika ny fototeny dia tonga matoantenin'ny iharana, toy ny hoe: laza - lazaina. - t.i.f : Tovanana, atovana, voatovana, tinovana f manovana, fanovana, mpanovana / anovanana, fanovanana 1 mitovana, fitovana 1 mahatovana. Ahitsio
Totozy
[admin]
: a.: Biby mitovy bika aman'endrika amin'ny voalavo fa kely. ? Vy kely lavalava ihorongoronan'ny kofehy ampiasaina amin'ny milina fanjairana. Ahitsio
Tototsongo
[admin]
: (Btl) a.: Randrambolo betsileo (fanaon'ireo tsy dia manam-bolo loatra), mandady mitsitokotoko. Ahitsio
Tototra
[admin]
: a: Fanetsiketsehana ny foly mba hampitovy tantana azy hatrany tsy misy madilana; filefahan'ny hozatra. i tif: Totorina, atototra, voatototra / manototra, fanototra, mpanototra / anotorana, fanotorana / mitototra, fitototra. Ahitsio
Tototra
[admin]
: p.t.: Nasiana zavatra ka feno tanteraka: Efa tototra ve ilay lauaka ao atsimontrano? 1 Fano, rakotra, lelika: Tototry ny antsanga ny tanimbarinareo. 1 h,o,: Tototry ny alahelo, tototry ny voninahitra, + Poritra: Tototry ny fanompoana ny vahoaka ka mimenomenona. - t.i.f.: Totofana, totorana,atototra, voatototra, tinototra, tonototra / manototra, fanototra, mpanototra / anotofana, fanotofana / mitototra, fitototra, mpitototra 1 itotofana, fitotofana 1 mahatototra. Ahitsio
Totototo
[admin]
: a.: Dia maika mankatsy mankarq toa tsy misy antony. - t.i.f : Atotototo, voatotototo / manotototo 1 mitotototo, fitotototo, mpitotototo 1 itotototoana, fitotototoana / mahatotototo. Ahitsio
Totorina
[admin]
: (tototra) rat. ih. (totorio): Hetsiketsehina. Ahitsio
Totorebika
[admin]
: a.: Dihy manao don-tongotra amin'ny tany tsy an-kijanona. - t.i.f• : Mitotorebika. Ahitsio
Totoravoka
[admin]
: a: Toto vary be an-daona. Ahitsio
Totonganana
[admin]
: (totongana) mt. pdr. (totongano): Rarahana: Nototonganany ronono ny v Man- tsaka. Ahitsio
Totongana
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra (vilany, harona) mihilana na mihohoka ka raraka ny ao anatiny; fihenam-bidy; fietrena, fandroronana. 1 Totonganana, atotongana, voatotongana 1 fnanatotongana, fanatotongana, mpanatotongana / anatotonganana, fanatotonganana / mitotongana, fitotongana 1 mahatotongana / totongantongana. Ahitsio
Totokafo
[admin]
: p.t.: Voahodidin'ny afo. ? a.: Asa maika mora mifanontona tsy maintsy ha-tao tsy misy hataka andro. Ahitsio
Totojanjina
[admin]
: sy Totozanjina a: Fihanjahanjana miseho vatana, tsy miakanjo. - t.i.f.: Mitotojanjina, mitorozanjina. Ahitsio
Totoina
[admin]
: (toto) mt. ih. (totoy): Potipotehina amin'ny fanazerana misesisesy loha fanoto aminy: Totoina ny uoanjo. ? Kosikosehina amin'ny fanazerana misesisesy loha fanoto aminy mba hialan'ny hodiny: Totoy ny uarintsika, Rabelohako ity! 1 Asian'ny omby (na biby hafa) amin'ny fisoirany amin'ny tandrony: Nototoin' ny ondralahy ilay zaza. Ahitsio
Totohitra
[admin]
: p.t.: Jer. Tontohitra. Ahitsio
Totofana
[admin]
: Totorana (tototra) rat. ih. na pdr. (totofy, totory: Enti-milaza lavaka fenoina tany, na zavatra asiana tany na hafa mivangongo mandrakotra azy: Totofy ity hady ity.lTokony hototorana tany ny vody hazo. Ahitsio
Toto
[admin]
: a.: Famotipotehana zavatra amin'ny fanazerana misesisesy loha fanoto aminy: Toto uoanjo. 1 Fikosehana ny vary akotry amin'ny fanazerana misesisesy loha fanoto aminy mba hialan'ny hodiny ka hahafotsy azy: Toto vary. + Ny potiky ny zavatra nozerana loha fanoto misesisesy: Toton-tsakay. 1 Famelezan'ny omby na biby hafa amin'ny fisoirany amin'ny tandrony, - t.i.f.: Totoina, voatoto, tonoto / manoto, fanoto, mpanoto / anotoana, fanotoana / mifanoto / mitoto, fitoto, mpitoto / itotoana, fitotoana f mahatoto / totototo, atotototo, voatotototo / mitotototo. - F.-p.: Toto hitsaha: fanosena na fanitsahana ny tongotry ny hafa. / Toto lohalika: sesi-dohalika sy letrezana ao anatin'ny fotoana fohy. / Totom-bazimba: ilazana ny fitotoana vary mifarimbona. / Toton'aretina: ilazana ny faharisarisana mahazo mandritra ny fisian'ny areti-mifindra. / Manao toton'omby bory: enti-milaza ny fanaovana letrezana, na fisisihan a amim-pahamaikana tsy misy hataka andro. Ahitsio
Toty
[admin]
: a.: Fikarakarana fatratra, fikajakajana. - t.i.f.: Totena / mitoty, fitoty. Ahitsio