Teny nampidirina farany

Tolefika
[admin]
: a.: Hilana, rona, rai-ka. - t.i.f : Mitolefika, fitolefika, mpitolefika. Ahitsio
Tolatola
[admin]
: a.: Fampihevingevenana ny loha, ny tena; doladola. - t.i.f,: Atolatola, voatolatola, tafatolatola / manatolatola, fanatolatola, mpanatolatola / anatolatolana, fanatolatolana / mitolatola, fitolatola, mpitolatola / itolatolana, fitolatolana / mahatolatola. Ahitsio
Tolantsika
[admin]
: p.t.: Manao ohatra ny volantsinana, ka ny mivohitra, at? anoloana;hantsika, lantsika. i tif: Atolantsika, voatolantsika, tafatolantsika 1 manatolantsika, fanatolantsika, mpanatolantsika 1 anatolan• tsihana, fanatolantsihana J mitolantsika, fitolantsika, mpitolantsila / itolantsihana, fitolantsihana / mahatolantsika / tolantsidantsika. Ahitsio
Tolàna
[admin]
: a.: Ny hazo ipetrahan' ny lelavaravarana sy irindrinany. * Fiten.: Ny tola-miadidy, ny varavara-miandraikitra: samy manana ny adidy aman' andraikitra tandrify azy avy. Ahitsio
Tolakitsiny
[admin]
: a.: Fanalana ny te-na amin'ny fiampangana ny hafa. Ahitsio
Talaka
[admin]
: p.t.: Mihodina, avily, ahodina ho any an-kafa. - t.i.f.: Atolaka, voatolaka, tafatolaka / manolaka, fanolaka, mpanolaka / anolahana, fanolahana / mitolaka, fitolaka, mpitolaka 1 itolahana, fitolahana / mahatolaka / tolatolaka. - Tola-drano: matyteo am-pinomana. J Tolaka amboa an-drano: maty ny amboa nampinomina nisolo ilay voampanga ka dia noheverina ho resy izy. J Tolaka be ravina: antsoantson'ny ankizy mba hampanidina ny voangory izay fatorany amin'ny tady ny tongony. J Tolaka andro: mby efa tsy mahery intsony ny hainandro, efa ivaiva ny masoandro. / Tolaka ila: miraika na mitongilana, mirona fa tsy marin-toerana. J Tola-kitsiny: 1)- fanalan-tsiny ny tena amin'ny fiampangana ny sasany; 2)- resy amin'ny hitsiny fa tsy nety nanaraka ny toro hevitry ny hafa. / Tolak'olona: mosavy nataon' olona. J Tolak'orona: entimilaza ny fahaizan'ombatahy manilika ny tandroky ny ombalahy miady aminy. / Tola-paditra: amin'ny fanalana faditra, ireo zavatra atsipy mianatsimo mba hanalàna ny mosavy samihafa. * Ohab.: Banga kendam-bomanga: tsy ilana tolah'olona intsony fa maty nasesiky ny tanany: enti-milaza ny o10-na voan'ny nataon'ny tenany ihany. Ahitsio
Tola
[admin]
: (Tsar) a.: Omby manana trafo lava sy mirondrona. Ahitsio
Tola
[admin]
: p.t.: Tofoka, tohina, leony: Tolan-kazandrano aho izany. ? Lefy, folaka sy mihamalemy: Ela nilibana ireny ka efa tola izao. 1 Mirai-ka, mirona, mitongilana. ? Enti-milaza ny vilany mianjera avy eo ambony toko. - t.i.f.: Voatola / mitola, fitola, mpitola J itolana, fitolana 1 mahatola. Ahitsio
Tola
[admin]
: (Btl) p..: Enti-milaza tandrok'omby mifanohitra fitsiry ka miolaka amin'n? an-daniny avy. Ahitsio
Tokozihitra
[admin]
: a.: Fihenahenana tsy mety mihetsika hissa na hanampy (ny toko dia atsatoka hiorina mafy eo amin' ny fatana mba tsy hampiongana ny vilany); famitsahana na fitakokoana noho ny hatsiaka. i Mitokozihitra, fito• kozihitra, mpitokozihitra / itokozihirana, fitokozihirana. Ahitsio
Tokotany
[admin]
: na Kototany a.: Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim pasana. ~ Tany voafaritra —ary matetika aza voafefy — miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan'ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotanyl ? h. o.: a) Ny ankevitry ny tombam-bidin'ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr'io olona io. -b) Antoka: Ny karaman'ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan'io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin'endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin'ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon'ny tokotanin'ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy marra), fa man-go ny tokntaniny. Ahitsio
Tokony
[admin]
: p. mt.: Teny enti-milaza fa tsara, mety, ny hanaovana zavatra iray, na hahatongavan'ny zavatra iray (eo aorlan'ny "tokony", dia tsy maintsy atao milaza ny ho avy ny matoanteny): Tokony hiala tsiny ianao fa namingavinga ny mpampianatra anao. / Tokony houana ity lambam-baravarankely ity fa efa mandalambitsika. / Moa ve ho avy izy anio? Tokony, 1 Ankeviny, eo ho eo: Tokony ho tamin'ny folo izy no tonga. Ahitsio
Tokonana
[admin]
: a.: Ny toerana eo amin'ny fanambanin'ny varavarambe izay tsy maintsy dinganina na hitsahina isaky ny mivoaka sy miditra. Ahitsio
Tokona
[admin]
: a.: Fihenahenana tsy mety mihetsika na miala amin'ny toerana misy ny te-na; fihenahenana tsy mety miasa. 1 t. f.: Mitokona, fitokona, mpitokona / itokonana, fitokonana. Ahitsio
Tokona
[admin]
: a.: Fikarakarana ny sakafo handrahoina, fametrahana azy eo ambony toko. - t.i.f,: Atokona, voatokona J manokona, fanokona, mpanokona/ anokonana, fanokonana./ mahatokona. Ahitsio
Tokoany
[admin]
: Tokoatra: Fihasimban'ny teny hoe "Tokoa", izay tsy tokony hampiasaina. Ahitsio
Tokoana
[admin]
: (toko) mt. ih. (tokoy): Enti-milaza zavatra zarazaraina, saratsarahina: Notokoany folo ny voanjo namidiny. 1 Enti-milaza ny vary karakaraina handrahoina: Nahoana no tsy mbola tokoanao ny vary? 1 Enti-milaza ny vatom-panorona alahatra amin'ny toerany avy alohan'ny hilalaovana: Tokoy àry ny vato raha vonona hilalao Rangahy. Ahitsio
Tokoana
[admin]
: a.: Ny fikarakarana ny zavatra, ny hanina atao eo ambony toko mba handrahoina. * Ohab.: Ny tokoanam-bary aza iadian'ny mpivady: entimilaza fa na dia zavatra kely aza mety hampiady mivady. Ahitsio
Tokoa
[admin]
: p. mt.: Tana... fa tsy kivazivazy: Lasa tokoa izy lahy! 1 Fanamafisana ny teny "marina" ka ny hevitr'ireo teny roa ireo amin'izay dia hoe: tsy misy isalasalana: Marina tokoa fa tsy misy mahay ohatra azy. ? a.: Ny marina: Ny tokoa lazaina, fa efa leon'ny lainganao aho. Ahitsio
Toko
[admin]
: a.: Ireo biriky na vato tala ipetrahan'ny vilany andrahoana sakafo: Tambino ity toko tapaka ity sao mianjera eo ny vilany. 1 Fizarazaran'ny boky eo amin'ny fandaharana ny lahateny na ny tantara: Toko fahasivy. 1 Fitambaran-javatra efa voatsinjarazara samy hitokana: Ohatrinona ny toko iray amin'ireto voanjo ireto? 6 Tokoana, voatoko, tafatoko / manoko, fanoko, mpanoko 1 anokoana, fanokoana / mitoko, fitoko, mpitoko / itokoana, fitokoana / miantoko, fiantoko, mpiantoko 1 iantokoana, fiantokoana / mahatoko / mitokotoko 1 tsitokotoko, mitsitokotoko. - F,-p,; Mifehy toko: entimilaza olona fatra-piahiahy ny hafa amin'ny hasarotankanina noho izy sarotra ankanina rahateo. / Toko didy: toko natao tamin'ny vatodidy. J Toko falana: ny toerana tsy mahay be toy ny la-ka (amin'ny fanorona) fany an'indrany. J Toko lava: toko fahandroana sakafo mitohitohy. J Tsy toko tsy forohana: 1) nesorina daholo na ny toko na ny forohana, tsy misy na inona na inona; 2) be dia be. J Avo roa toko: ilazana fa niampy roa ohatra ny efa tao, izany hoe: ny iray tonga telo. J Avo telo toko: ilazana fa niampy telo ohatra ny tao, izany hoe: tonga efatra. * Ohab.: Toko telo mahamasa-nahandro: enti-milaza olona na zavatra telo izay fototra ijoroan'ny asa na raharaha iray. Ahitsio