Teny nampidirina farany

Tankazo
[admin]
: a.: Olona miasa hazo any an'ala. Ahitsio
Tankasina
[admin]
: a.: Mitovy amin'ny Takasina. Ahitsio
Tanjozotra
[admin]
: a.: Fandehanana milahatra betsaka. Ahitsio
Tanjozorina
[admin]
: (tanjozotra) mt. ih. (tanjozory): Ampandehanina milahatra betsaka tsy miato. Ahitsio
Tanjona
[admin]
: a.: Tany eo amorondrano azo ipetrahana raha miala avy ao anaty rano; vody tanety mandroso ao anaty rano mora itodian'ny lakana. ? h.o.: Zava-kendrena, faritra kendrena ho tratra: Ny fitouian-jo tanteraka no tanjona hotratrarin'ny fitondrana entim-bahoaka. Ahitsio
Tanjaka
[admin]
: ft.: Fisehoan'ny vatana tsy misy manarona azy, boridana; hanja; hanjaka. - t.i.f.: Mitanjaka, fitanjaka, mpitanjaka / itanjahana, fitanjahana. Ahitsio
Tanjaka
[admin]
: a.: Herim-batana: Nihena ny tanjak'io touolahy io hatramin'ny nahapotrahany. ? h.i.: Izay entinamanamafy zavatra: Tsy mba nanifisany akory ny volotsangana natao tanjany, fa nokapakapaina dia narafitra. (Fofombadiko, E.D. And.) Ahitsio
Tanjahina
[admin]
: (tanjaka) mt. ih. (tanjaho): Atao tonga mafy, manan-kery: Tanjaho ity tady ity fa mila ho tapaka. Ahitsio
Tanisaina
[admin]
: (tanisa) mt. ih. (tanisao): Atao tanisa. ? Tononina tsirairay, lazaina antsipiriany: Tsy hita hotanisaina ny soa nataon'io lehilahy io teto amin'ny fokontany. Ahitsio
Tanisa
[admin]
: a.: Kilalao enti-manisa ka toy izao no fanao izany: atsipy ambony ny vatokely, dia tantazana am?m-pahakingana tsy avala ho latsaka ary dia atsipy haingana indray, ary dia toy izany hatrany hatrany. - t.i.f•: Tanisaina, voatanisa / mitanisa, fitanisa, mpitanisa / itanisana, fitanisana / mahatanisa. Ahitsio
Taninketsa
[admin]
: a.: Tany amafazana ny vary ambolena, izay mbola hafindra amin'ny te-na atao hoe tanimbary. Ahitsio
Taninina
[admin]
: na Taninana (tanina) mt. ih. (tanino): Asian' (ny hafanan'ny afo na ny masoandro): Notaninin'ny hainandro ilay baoritra ka nivonto. Ahitsio
Tanindrazana
[admin]
: a.: Tany niavian'ireo razana ary ilevenany: Entina any an-tanindrazana ny taolambalon'ny olona maty any an-tany ha-fa. Ahitsio
Tanindrana
[admin]
: (indrana) a.: Teny ilazana ny mponina rehetra amin'ny sisin-tany man odidina ny havoana marintampona afovoan'ny Nosy (jar. Indrana — sisiny, manolotra ny sisiny). Ahitsio
Tanina
[admin]
: a.: Fametrahana eo anilan'ny afo, eo amin'ny hainandro, mba hafana. - t.i.f. : Taninina na taninana, atanina, voatanina, tafatanina / manatanina, fanatanina, mpanatanina / anataninana, fanataninana 1 mitanina, fitanina, mpitanina / ninana, fitaninana / mahatanina. Ahitsio
Tanimbary
[admin]
: a.: Tany anirian' ny vary rehefa avy ketsaina avy eo amin'ny taninketsa, ka eo no ahamasahany sy ijinjana azy. Ahitsio
Tanilaina
[admin]
: (tanila) mt. ih. (tanilao): Analana lafiny iray. Ahitsio
Tanila
[admin]
: a.: Zavatra afaka ny ilany na lafiny iray, nakana ilany na lafiny iray. - t.i.f. : Tanilaina, atanila, voatanila / mitanila, fanatanila / anatanilana, fanatanilana / mitanila, fitanila, mpitanila / itanilana, fitanilana / m ahatanila. Ahitsio
Tanikandro
[admin]
: a.: Karazan'ahitra fanao fanafody tety. Ahitsio
Tanika
[admin]
: a.: Fampangotrahana, fandrahoana, fampiempoana, fampandevonan-ko etona, fanenjehana sy fizohina tsy an-kijanona: Ataouy maty tanika ny laoka fa mafy. - t.i.f. : Tanehina, atanika, voatanika 1 mitanika, fitanika, mpitanika / itanehana, fitanehana / mahatanika. - F.-p.: Tanik'andro: hainandro. / Tanik'orana: andro migaingaina toa manempotra manambara orana ho avy. Ahitsio