Teny nampidirina farany

Trandraka
[admin]
: a.: Biby antonontoniny ohatra ny voalavo, lavalava mitsokotsoko ny vavany ary mahery tahaka ny tsilo ny volony (toy izao ny fomba fiainan'ny trandraka: milevina indray mandeha isan-taona ao anaty lavany izy ka tapitra orana no misitrika izy ary tsy mivoaka raha tsy efa midon-tokana indray; kankana trongisiny amin'ny vavany no haniny). Ahitsio
Trandrahina
[admin]
: (trandraka) mt. th, (trandraho): (tany) Hadina mba hovolena: Trandraho tsara ny tany dia hovelominy ianao. Ahitsio
Tranainy
[admin]
: p.t.: Tsy vao fa taloha, efa ela: Trano tranainy. Ahitsio
Trambo
[admin]
: a.: Karazam-bibikely maro tongotra misy poizina ny kaikiny. Ahitsio
Traktera
[admin]
: (fr. tracteur) a.: Masinina natao hitarihana fiasana fambolena na fiotazana. Ahitsio
Trakitraky
[admin]
: Mitrakitraky p.t.: Mievotrevotra avo, mitringitringy noho ny hahiazana: Trakitraky ny taolan-tratran' io marary io. Ahitsio
Traky
[admin]
: p.t.: Lava na mandroso noho ny namany (nify): Traky nify ity zaza ity. Ahitsio
Traka
[admin]
: a.: Fanarenana ny loha hiatrana tsara. - t.i.f.: Atraka, voatraka, tafatraka / manatraka, fanatraka, mpanatraka / anatrakana, fanatrakana; fanatrahana / mitraka, fitraka, mpitraka / itrahana, fitrahana, fitràkana / mahatraka / tratraka J mitratraka. Ahitsio
Traka
[admin]
: (Btl) a.: Anana: Mividy traka. Ahitsio
Traingovazana
[admin]
: a.: Hozatra amin'ny leferana mampihetsfka ny voditongotra. Ahitsio
Traingoina
[admin]
: (traingo) mt. ih. (traingoy): Tapahina ny tongony. Ahitsio
Traingo
[admin]
: a.: Fikapana amin'ny antsy ny tongo-biby hatreo amin'ny lohalika no ho midi-na. 1 t. f.: Traingoina, voatraingo, trinaingo / manatraingo, mitraingo, fitraingo ( itraingoana, fitraingoana / mahatraingo. Ahitsio
Traingy
[admin]
: Mitovy amin'ny Raingiraingy (jer. io teny io). Ahitsio
Traika
[admin]
: a.: Fidonana na fipohana amin-javatra ao ambany ka mihilangilana. - t.i.f.: Atraika, voatraika / mitraika, fitraika / itraikana, fitraikana, itraihana, fitraihana / miantraika, flantraika, mpiantraika / iantraikàna, fiantraikàna I mahatraika / traitraika / miantraitraika. Ahitsio
Traika
[admin]
: p.t.: Betsaka, vokatra, feno. Ahitsio
Traho
[admin]
: Trahotraho ft.: Handrohandro efa ho latsaka (orana, ranomaso...). Ahitsio
Trafo
[admin]
: a.: 1) Ilay mivohitra eo an-doha soroky ny karazambiby sasantsasany, toy ny omby, rameva, ans... 2) Fivontosana sampona eo an-damosina ka mahavokoka. 1 h,o.: Zava-tsy misaraka amin'ny tena. - F.-p,: Trafon-kena: hena matrafotrafoka sy matavy eo an-doha soroky ny omby. / Trafon'omby: ilay mivohitra eo an-tsoroky ny omby. * Ohab.: Trafon-kena be rano ka hanina amin'ny laxany: enti-milaza ny zavatra tsara nefa tsy ny tokony ho izy no nandrahoana na nanaovana azy — ilazana ny olo-mahay nefa tsy dia manao ahoana akory ny zavabitany. / Trafon-kena ornemahery: am-bava homana, am-po mieritra: enti-milaza ny zava-tsoa avy amin'ny mahery, ka tokony hodinihina ny antony nanomezany azy; enti-manambara koa fa ny olona mahery (lehibe) no omena zava-tsoa, dia mba ho fanairana ny hambom-pony hahavita zavatra araka ny fahamboniany. Ahitsio
Trafantrafanina
[admin]
: (trafana) mt. ih. (trafantrafano): Atao izay hahatezitra. Ahitsio
Trafana
[admin]
: sy Trafantrafana a.: Fihetsika mahery setra misy hatezerana; fitroatroarana; trifana. i t. f.: Trafantrafanina, atrafantrafana, voatrafana, tafatrafana / manatrafana, fanatrafana, mpanatrafana / anatrafantrafanana, fanatrafantrafanana / mitraf ana, fitrafana, mpitrafana / itrafantrafanana, fitrafantrafanana / m ah atraf ana. Ahitsio
Trabotrabo
[admin]
: a. :Havokavok'omby. ¶ M.h.: Trabotrabony, trabotrabon-kena, havokavo-kena. Ahitsio