Teny nampidirina farany

Tokina
[admin]
: (toky) mt, ih. (tokio): Am osavina, vorehina. Ahitsio
Tokiky
[admin]
: a.: Fipetrahana mamitsaka sady manjonitra noho ny alahelo na aretina na fahasahiranan-tsaina; takoko ; torovoka; jokaiky. 6 t. L f : Atokiky, voatokiky, tafatokiky 1 manatokiky, fanatokiky, mpanatokiky / anatokikiana, fanatokikiana 1 mitokiky, fitokiky, mpitokiky / itokikiana, fitokikiana / mahatokiky / tokikikiky. Ahitsio
Toky
[admin]
: a. : Mosavy. 6 Tokina, voatoky 1 mitoky, fitoky, mpitoky 1 itokiana, fitokiana 1 mahatoky. Ahitsio
Toky
[admin]
: a.: Fanantenana mafy amin'olona na amin-javatra iray: Mibanjina ny ho avy amin-toky. 1 Antoka azo ianteherana: Nanome toky izy fa hanampy ahy raha vao tonga. - t.i.f.: Mitoky, fitoky, mpitoky / itokiana, fitokiana J matoky 1 hatokiana, fahatokiana 1 mahatoky. - F.-p.: Manama toky: mametra-teny. J Fanomezantoky: fametrahan-teny, teny napetraka. / Manary toky: kivy ka miraviravy tanana, rera-po tanteraka. J Matoky tena: sahisahy, be hambo. J Tokim-panompoana: fampanantenana ampahibemaso fa hanoa tanteraka ny mpanjaka na ny mpitondra. J Tokin' aina: fampanantenana avy amin'ny mpisikidy fa tsy ho faty ny marary. / Toky ratsy: fihamboana be loatra, hasahian-doatra. * Fiten.: Ny toky fitaka: enti-milaza teny fampanantenana ahiahina ho tsy tanteraky ny mpanome toky. Ahitsio
Tokelaka
[admin]
: a.: Fihomehezana mikakakaka tsy misy hambahamba na indraindray koa somary maneso fanaon'ny ankizy kely indrindra. - t.i.f,: Atokelaka, voatokelaka, tafatokelaka / manatokelaka, fanatokelaka, mpanatokelaka 1 anatokelahana, fanatokelahana 1 mitokelaka, fitokelaka, mpitokelaka 1 itokelahana, fitokelahana 1 mahatokelaka 1 tokelakelaka. Ahitsio
Tokazo
[admin]
: a.: Foto-kazo na hazo nalevina ila natao hamatorana omby. ~ Vola farantsa volafotsy misy sarina fotokazo amin'ny ilany iray. Ahitsio
Tokavina
[admin]
: (toka) mt. ih. (tokavy): Rarina hahery (amin'ny famoran-jaza) 'na ozonina ho resy (amin'ny fampinomana na fampisotroana tangena). Mitovitovy amin'ny tsitsihina ihany, saingy tsy dia mba tanisaina lava ny fitokavana, fa atao amin'ny teny vitsy miverimberina fotsiny. Ahitsio
Tôkatôka
[admin]
: (Btm) a.: Karazantononkira na tononkalo betsimisaraka mitanisanisa zavatra mifangaro, tsy dia roba mifbtotra amin'ny zavatra iray, nefa kosa mirindra sy manara-paika aoka izany: indraindray koa fitanisana na fitsikerana eritreritra samihafa, fihetseham-po. Ahitsio
Tokantranomaso
[admin]
: a,: Firaisamonin'ny lehilahy sy vehivavy izay tsy mpivady ara-dalàna: Manao tokantranomaso. Ahitsio
Tokantrano
[admin]
: a.: Ny trano iveloman'ny mpivady mitokana tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny na ny havana; vady: Efa nahazo tokantrano izy. • Izay rehetra mikasika ny trano: forongo amam-panaka, ny asa aman-draharaha fanao ao: Miuoaka lava io oehivavy io fa tsy mikarakara ny tokantranony. - Arahaba nahazo tokantrano: fiarahabana fanao amin'ny mpivady vao. / Marena tokantrano: firariana mba ho marina tsy ho voahozongozona ny fanambadiana. / Tokantrano tsy ahahaka: tsy tokony haely ho fantatry ny any ivelany ny fahoriana amam-pahasahiranana ao an-tokantrano. Ahitsio
Tokantandroka
[admin]
: a.: Biby lehibe mahatratra 4 metatra ny lavany ary 2 metatra ny haavony, mivelona amin'ny tany be heniheny, fantatra amin'ny anarana vahiny hoe "rhinocéros". Ahitsio
Tokandilana
[admin]
: o.: Hazo mafy fanaovana zaran'angady (lavalava ary teritery eo afovoany toy ny ravin'ny zahana ny ravin'ny tokandilana). Ahitsio
Tokandia
[admin]
: a.: Biby fandre amin'ny angano izay toy ny songomby, tokana tsy mivaky ny kitrony. Ahitsio
Tokana
[admin]
: p. t.: Iray, anankiray, singana: Andriamanitra dia tokana ary tsy mety ho ma-ro Izy. • Irery, miavaka irery, manirery: Trano tokana er? an-tampon-tendrombohitra no ipetrahany. (t Tsy misy afa-tsy izany: Ny fanamboaran-tena tokana no hany raharahany mandritra ny ma-raina tontolo. - t.i.f.: Atokana, voatokana / manokana, fanokana, mpanokana / anokanana, fanokanana / mitokana, fitokana, mpitokana / itokanana, fitokanana / mahatokana / tokantokana / mitokantokana, tsitokantokanana, mitsitokantokana. - F.-p.: Tokam-bolana: tsy be teny fa dia iray iny ihany ary tsy ovana na soloana. / Tokam-bolo: ranoray tsy misy pentina, fa fotsy manontolo na mainty manontolo. / Toka-maso: poa-maso an'ila. / Toka-molotra: haron-tokan-tsosona ny rary nanaovana ny vavany ary tsy mba mizaitra. / Tokam-pilana: 1) enti-milaza ny angely izay afaka ny feny ilany no-ho ny fampiadiana azy -2) ilazana olona izay asa karazany iray monja no ivelomany. / Tokana aman-tany: enti-milaza hatsarana tsy misy mitovy aminy. ¶ M.h.: Tsy misy toa azy, tsy manam-paharoa, safatsiroa aman-tany, tapitra ohatra, tapitra efatra. / Tokan-dambanana: ilazana ny tsihy tokan-dela fa tsy mba mivitrana. / Tokantaolana: taolana iray ihany fa tsy mba roa ny hatotanany; enti-milaza hatanjahana sy hery. / Tokan-tena: entimilaza olona irery tsy ambady tsy an-janaka. / Tokantouo: tsihy tokan-dambanana, tsy mivitrana. / Tokanj•eny: tsy be resaka, na tsy miovaova filaza. / Tokantsisina: enti-milaza ny lamba izay fotsy ny afovoany, fa ny sisiny kosa misy sorany mitsoriaka. ¶ M.h.: Irery, honjohonjo, singana, hany, fotsiny. — Tokan-teny, tokam-po, bontolo fo, tokam-bolana, manontolo fo, be tsy miteny, vitsy teny, jomdka. Ahitsio
Tokam-bolana
[admin]
: p, t.: Enti-milaza olona tsy mivadika amin' ny teny nataony, fa reliefa izay dia izay. Ahitsio
Tokambany
[admin]
: a.: Karazam-bary izay iray ihany ny vaniny eo anelanelan'ny fakany sy ny salohiny. Ahitsio
Tokamaso
[admin]
: a.: Olona poa-maso an'ila. Ahitsio
Tokalo
[admin]
: a: Fizizoana mangataka tsy an-kijanona, mitaky, mitaraindraina tsy an-Mato. i t. if.: Mitokalo, fitokalo, mpitokalo. Ahitsio
Tokàka
[admin]
: p.t.: Mihomehy mitokelakelaka fatratra. •Talanjona, mitampim-bava: Tokàka Ikoto nahita ilay Boeing. - t.i.f.: Atokàka / mitokàka, fitokàka, mpitokàka / itokakàna, fitokakàna / mahatokàka. Ahitsio
Toka
[admin]
: a.: Fototeny tsy fampiasa. - t.i.f.: Tokavina / mitoka, fitoka, mpitoka / itokana, fitokana. Ahitsio