Teny nampidirina farany

Tohy
[admin]
: a.: Zavatra anampy zavatra hafa iray mba hahafeno tsara ilay voalohany: Lia-na handre ny tohin'ilay tan-tara aho. •Fampidiran-javatra maro mifanarakaraka amin'ny kofehy na tsora-by: Tohy vakana. 1 Famerenanjavatra na fiverenan-javatra fanindroany indray: Matahotra aho sao hisy tohiny ity ady ity. ? Fanalavana: Ny rambo, hono, dia tohin'ny hazondamosina ihany. / Fohy loatra io tady io ka tsy hahatakatra raha tsy asiana tohiny. 1 Fomba na asa enti-mampitambatra: Ataovy tsara tohy ireo hazo ireo, - t.i.f•: Tohizina, tohizana, atohy, voatohy, tafatohy / manohy, fanohy, mpanohy 1 anohizana, fanohizana / mitohy, fitohy, mpitohy 1 itohizana, fitohizana / tohitohy f mahatohy. ? F.-p.: Tohy lany: enti-milaza fifandimbiasana mitohy lava hatrany. / Tohy loha: ilazana ny lamba izay nampiana ila keliny mifampitohy ny lambanany; atao hoe: "kely ila" koa ny anaran'ny lamba toy izany. / Tohy nonoka: enti-milaza omby matavy hatrany an-dohany ka hatrany am-bodiny. / Tohy vandana: ilazana vakana mitohy ka mifanelanelana fotsy sy mainty. / Tohy uouoka: vovoka mitorajofo mifanesy tsy an-kiato. Ahitsio
Toherina
[admin]
: (tohitra) mt. (tohero): Tsy ekena ka atosika: Notoherin-dRakoto ny rain y. Ahitsio
Tohenjy
[admin]
: a.: Fanaovana kivazivazy na sangisangy ratsy, fikarenjirenjena. - t.i.f.: Mitohenjy. Ahitsio
Tohatra
[admin]
: a.: Ny nonon'ny biby, indrindra ny ombivavy. i t.i.f.: Mitohatra. Ahitsio
Tohatra
[admin]
: p. t. na mt. P. ft.: Sendra, tojo, mifanena amy...: Tohatra azy indrindra aho teny an-tsena ka akory ny hafaliako! 1 tif: Toharina, voatohatra f manohatra. Ahitsio
Tohatra
[admin]
: a.: Fandehanana vita ambaratonga mitohitohy mba hahazoana miakatra sy midina: Nidina ny tohatra indrindra aho no nifanena taminy. 1 Hazo roa nasiana zanany mitsivalana mba hiakarana sy hidinana: Afindrao eto ny tohatra hiakarak o er? an-tafontrano. - t.i.f.: Toharana, voatohatra. Ahitsio
Tohatohatra
[admin]
: a.: Aretina tampoka mandalo. Ahitsio
Toharina
[admin]
: (tohatra) mt. ih.: I-fanenana. Ahitsio
Toharana
[admin]
: (tohatra) mt. ih.: Asiana tohatra: Maizina ny andro, azo tsilouina; lalina ny rano, azo lakanina; laüna ny hady, azo toharana, fa ny ratsy atao tsy mba azonkeuitra (fiten.). Ahitsio
Tohandrano
[admin]
: a.: Fefiloha ampiana na hatevenina mba hahamafimafy azy kokoa. Ahitsio
Tohanana
[admin]
: (tohana) mt. ih. (tohano): Asiana zava-misakana tsy hianjera: Tokony hotohanana ity andry ity fa toa malemy. ? Tantanana tsy hianjera: Tohano io marary io fa fanina. ? Sakanana tsy ho avy: Moa ve azo tohanana tokoa ny havandra? F• Sakanana: Notohanany aho tsy hiditra, ka lasa nisintona amim-pahendrena. (• Ampiana: Notohanany ny kamboty sy mananotena fahauelony. Ahitsio
Tohana
[admin]
: a.: Tsy fivalanana. - t.i.f.: Mitohana, fitohana, mpitohana 1 itohanana, fitohanana. Ahitsio
Tohana
[admin]
: a.: Zava-miaro tsy hianjera: Asiuo tohana ity rindrina ity sao mianjera. ? Andry iankinana, fiankinana, kiady: Izy no tohan'ny f'tanakauiany. - t.i.f.: Tohanana, atohana, voatohana 1 manohana, fanohana, mpanohana 1 anohanana, fanohanana 1 mitohana, fitohana, mpitohana 1 itohanana, fitohanana 1 mahatohana 1 tohantohana. - F,-p,: Toham-bahiny: ny sakafo omena ny mpandevina manatrika ny fandevenana. / Toham-baliha: ny kapilam-boatavo ipetrahan'ny tahom-baliha. / Toham-boly: ny hazo anohanana sy iankinan'ny hazo mamoa. / Toham-paika: ilazana ny vatom-panorona afindra hanohana ny andaniny. / Tohan' aina: ilazana ny sakafo na ny fitafiana atao famonjena, ny sikina ahodidina ny valahana. / Tohan-kabary: teny alahatra efa misy fandrika mialoha mba tsy hahazoan'ny andaniny mamandrika ny tena amin'izay lazaina. / Tohan-karatra: ilazana ny hazo manohana ny haratra amin' ny tafontrano ary anambarana koa ny safeli-teny amin' ny lahateny izay misy hafetsena hoentina mandresy lahatra. / Tohan'orana: ody atao tsy hiavian'ny orana. Ahitsio
Tohaina
[admin]
: (toha) mt. ih. (tohay): Tadiavina (haza, remby). Ahitsio
Tohaina
[admin]
: (toha) mk ih. (tohay): Sakanana: Tohay tsy hiditra ireo olona ireo fa mbola tsy uita ny fiomanantsika, ? Toherina: Tsy azo tohaina ny rano mahery. Ahitsio
Toha
[admin]
: a.: Hanina tadiavin'ny biby dia; haza; remby: Mitatitra ny tohany ny uitsika. I t.i.f.: Tohaina, voatoha / mitoha, fitoha, mpitoha 1 itohana, fitohana / mahatoha / tohatoha / mitohatoha. Ahitsio
Toha
[admin]
: p. t.: Azo ihafiana; zaka; lefitra; aritra: Tohanao ve izany teny famingauingana izany? - t.i.f.: Tohaina, voatoha 1 manoha, fanoha, mpanoha 1 anohana, fanohana 1 mahatoha. Ahitsio
Tofotra
[admin]
: ft.: Fifampipohana, fifandonana. i ti.f•: Atofotra, voatofotra, tafatofotra 1 manatofotra, fanatofotra, mpanatofotra 1 anatoforana, fanatoforana 1 mitofotra, fitofotra, mpitofotra 1 itoforana, fitoforana 1 mahatofotra. Ahitsio
Tofona
[admin]
: a.: Jer. Tofina. Ahitsio
Tofoka
[admin]
: p.t.: Tsy tia mainty, tsy tia hiherika fa efa nihinana be loatra; tohina, tola: To fo-kazandrano aho izany, 1 h.o,: Leony, boboka: Tofo-dresaka aho. Ahitsio