Teny nampidirina farany

Tratreva
[admin]
: a.: Vatravatra; fandeha mahery setra manimba izay sendra azy; fihetsika mivatravatra na amin'ny fandeha na amin'ny fiteny. - t.i.f.: Tratrevaina, atratreva, voatratreva / manatratreva, fanatratreva, mpanatratreva 1 anatratrevana, fanatratrevana / mitratreva, titratreva, mpitratreva 1 itratrevàna, fitratrevàna / mahatratreva 1 tratrevatreva. Ahitsio
Tratrarina
[admin]
: (traira) mt, ih. (tratraro): Atao izay hahatongavana eo amin'izay enjehina: Tratraro ir9 olona mihazakazaka iry. 1 Takarina: Traira-ro kely ir? sary mihantona Ahitsio
Tratraingo
[admin]
: a.: Biloka, baraingo. ~ Fandeha mikotringatringa. 1 Kilema. i Mitratraingo. Ahitsio
Tratra
[admin]
: p.t.: Enti-milaza olona na zavatra mandeha eo aloha ka enjehin'ny hafa avy ato aoriana ary tonga eo aminy ilay io: Tratrako haingana teny an-dalana izy. ? Azo: Tratrako am-body omby ilay nangalatra ny birikiko. ? Tampohina, sovohina: Tratran'ny orana teny an-tsaha aho. 1 Takatra: Mbola„tsy tratran'ny saiko izany. ? Tonga:Tratrako an tsasak 'adiny amin'ny aotomobilina A ntsaha firaisana. - t.i.f.: Tratrarina, voatratra 1 manatratra, fanatratra, mpanatratra 1 anatratrarana, fanatratrarana / mankatratra, fankatratra, mpankatratra 1 ankatrarana, fankatrarana J mahatratra J ahatrarana, fahatratrarana, fahatrarana. - F. -p.: Izaitratra: be dia be. / Mahatra-po: mahatratra na mahavonjy ny faharerahana, ny hanoanana. J Tra-basy: takatry ny balam-basy. / Traboina na tra-doza: voan'ny loza. / Tra-bonjy: voavonjy ara-potoana ka tsy tratran' ny loza. / Tra-danosina: enti-milaza rano izay mety ho tratra amin'ny filomanosana raha hiampitana. J Tra-drasa, atao tra-drasa: biby efa toa ho faty — na noho ny aretina na noho ny loza nahazo azy — ka vonjena vonoina haingana mba hohanina na hamidy. / Tra-maso: ?itan' ny maso jerena J Tra-tehaka: azo eo am-panaovana ratsy na eo am-pangalarana mihit'sy. ¶ M. h.: Azo an-tanana, azo olan-tanana, tratra am-body omby. / Tra-toraka: akaiky mety ho tongan'ny vato atoraka. J Tratr'andro: tsy tafafoha maraina fa efa mazava vao taitra tamin'ny torimaso. J Tratra antitra: ela velona sy maro andro niainana. / Trara antitra: teny fanaovam-beloma sy fixariana ho tratra antitra anie. / Tratra antso: enti-milaza olona mety ho takatry ny antso atao — enti-milaza koa ny efa voaheloka ho faty, nefa nahazo famindram-po ka tsy novonoina indray. J Tratra aoriana: diso fotoana, tsy tonga ara-potoana. J Tsy tra-drano: ilazana olona maty tampoka sy vetivety noho ny voina nahazo azy. J Tsy tra-maso mipy: haingana dia haingana, tsy hita hojere-maso akory. Ahitsio
Tratra
[admin]
: a.: Faritry ny vatana eo anelanelan'ny soroka roa, ny vozona ary ny kibo, misy ny havokavoka sy ny fo. - F.-p.: Vaky tratra: torovana izaitsizy ka ohatra ny misasaka roa ny tratra. J Tratran-gisa: enti-milaza ny olona mitringitringy ny taolantratrany. / An-tratra: enti-milaza zavatra novononina hanoloana ny lany na hitsinjovana izay mety ho tonga. / Manao an-tratra: manomana mialoha izay hasolo ny lany na hitsinjovana izay mety ho tonga. Ahitsio
Trarantitra
[admin]
: a.: Fomba fiarahabana, izay entina mirary ilay olona arahabaina ho tratra antitra. Ahitsio
Traotraoka
[admin]
: a.: Anarana omena ilay taolamalemy mivohitra eo anoloan'ny lohatraoka. Ahitsio
Traokabe
[admin]
: a.: Fantsona miendrika antsasaka varingarina, idiran'ny rivotra any amin' ny havokavoka, ka ny atiny dia misy tsibolo sy tsilelo izay afa-mamerina ny vovoka entin'ny rivotra ho any anaty vava: ny traokabe dia mizara ho traoka roa izay miditra ao anaty havokavoka ka mizarazara madinika maromaro indray. Ahitsio
Traoka
[admin]
: a.: Taova lavalava idiran'ny rivotra any amin'ny havokavoka, ka mizara roa: ny lohatraoka ary ny traokabe (jar. ireo teny ireo). Ahitsio
Traohina
[admin]
: (traoka) p.t.: Kendaina. Ahitsio
Tranovorona
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny vatam-paty nohaingoina eo ambony lampihazo rehefa anaovana fombam-pivavahana any am-piangonana. Ahitsio
Tranonomby
[admin]
: a.: Sari-na fihinanan'omby mampahatsiaro ny nahaterahan'i Kristy fahizay, atao ao an-trano fiangonana amin'ny fetin'ny Krismasy. Ahitsio
Tranomasina
[admin]
: a.: Trano kely miorina ambony fasan'ny mpanjaka. Ahitsio
Tranomanara
[admin]
: a.: Trano kely miorina eo ambonin'ny fasan'antokon'andriana sasantsasany. Ahitsio
Tranomaizina
[admin]
: a.: Trano itanana an'ireo voaheloky ny fitsarana noho ny heloka bava-va vitany; fonja. Ahitsio
Tranoambo
[admin]
: a.: Trano avo misy tongony, fitehirizana vary. Ahitsio
Trano
[admin]
: a.: Toerana amboarin' ny olombelona hataony fonenana, mipetraka amin'ny fototra, misy rindrina efatra sy varavarana, varavarankely, ary voarakotra tafo: Misy efitra enina ny tranonay. ? h.i.: a) Orin-javatra ataon'ny olombelona na ny biby ho fonenana: Tranomborona, tranon-kala, tranon' omby, tranon-takatra, tranon-tsoavaly. b) Fitoerana fasiana zavatra: Tranon'afokasika, tranom-tsabatra. i t. f.: Miantrano, fiantrano, mpiantrano / iantranoana, fiantranoana. - F,-p.: Maro karazana ny trano: 1) Arakaraka ny fombafomba maha-trano azy, misy ny trano tomboka: trano tsy misy rindrina, na misy fa iva kely foana, ka ny tafony mitombina amin' ny tany; ny trano tsiotsiory: trano nisy rindrina izay na-tao tamin'ny rantsan-kazo madinika na ampanga, ary notemerina tain'omby ny tao anatiny mba hitana hafanana tsara; ny trano feta: tahaka ny trano tsiotsiory fhany, saingy tany no nanaovana azy, izany hoe feta na tany nopetapetahana; ny trano tora-peta: trano natao tamin'ny hazo norarina izay lalorina, atiny sy ivelany, amin'ny feta atoraka; ny trano terilatsy: volotsangana notorotoroina no natao rindriny, ary ny zorony, hazofisaka efa-joro; ny trano kotona: trano hazo avokoa ny tenany. 2) Arakaraka ny fomban'ny tafo kosa, dia misy ny trano tilikambo: izay trano natao avo ka nasiana rihana volotsangana; ny trano hava: izay tsy nasiana rindrina fa zoro sy lavany ary sakany fotsiny mba hipetrahan'ny lohany; ny trano ta-taro: izay trano nasiana ta-fo marin-tampona vonjimaika. 3) Farany, raha ny zavatra anaovana ny trano kosa no jerena, dia ao ny trano tany na trano bongo, ny trano hazo, ny trano vato, ny trano falafa, ny trano zozo-ro na trano rindrina ary ny trano lay. * Ohab.: Aza mitoto vary an-trano fohy loha: tokony hitsinjo izay mety ho vokatry ny atao, fa tsy hanaonao foana. / Tao trano tsy efan' irery: zava-dehibe tsy vita raha tsy ifanampiana. / Velona iray trano, maty iray fasana: enti-rnilaza ny tsy fisarahamianakavy. J Trano ben'Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina: enti-milaza fifaninanana antoky ny fandrosoana. J Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony: ny soa ho an'ny sasany indraindray mitarika fahavoazana ho an'ny hafa. ¶ M.h.: Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lido kitay. Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo: na dia mahantrahantra aza ny tokantrano, rehefa misy zavamamy ao, toy ny fifankatiavana izany na zavatra hafa mahahenika ny fo, dia ampy hahasambatra ny mitoetra ao. J Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hiaiofana: enti-milaza ny fifanampian'ny mpifanolobody rindrina. J Toy ny trano vaky vovonana ha mitondra teny mivoaka: ilazana izay tsy mahatam-bava ka milazalaza any ivelany izay tsy tokony ho fantatry ny olona. / Amoron'ala tsy manantrano be: matetika izay ma-nana ny ilaina rehetra mba hananan-javatra iray indrindra no tsy manana an'io zavatra io, na noho ny tsy firaharahan-tena na noho ny fikokorany hitady vola ka ny tenany indray no tsy tsaroany. J Lasa mpifosa vao mifafa trano: efa hitan'olona kilema vao taitra mitady hanatsara toetra. J Ny olona no maha-trano ny trano: tsy dia ny vatan-trano loatra no inona ao an-tokantrano, fa ny olona monina ao. J Aza manao vazaha fito an-trano: aoka tsy hitady handidididy daholo ao an-trano. ¶ M.h. ifandraisany: Akany, tohotra, toho, votry, ambotry, lavaka, bongo, zohy, akora. Ahitsio
Tranitrany
[admin]
: p.t.: Lava ary mitringitringy. - t.i.f•: Mitranitrany, fitranitrany. Ahitsio
Tranga
[admin]
: a.: Fiseltoana lany, izany hoe ny ilany fotsiny no hita aloha. 1 tif: Atranga, voatranga, tafatranga / manatranga, fanatranga,' mpanatranga / anatrangana, fanatrangana / mitranga, fitranga, mpitranga / itrangana, fitrangana / mahatranga / trangatranga. Ahitsio
Trandraka
[admin]
: a.: Fiasana taret amin'ny angady. fihadiana tany. ? h.o,: Fikarohana amin' ny alalan'ny famotopotorana. - t.i.f : Trandrahina, afZandraka, voatrandraka, tinandraka / mitrandraka, fitrandraka, mpitrandraka / itrandrahana, fitrandrahana / mahatrandraka. Ahitsio