Tofitra [admin] | : | a.: Fihasimban'ny Ti-titra. Ahitsio |
Tofirina [admin] | : | mt, ih.: Fihasimban' ny teny hoe: Tifirina (tifitra). Ahitsio |
Tofina [admin] | : | Tofintofina Tt,: Fianjera, fidona; faharary noho ny fianjerana amin'ny tany; fihetsiketsehana, fanonjanonjana, fitopatopan'ny (volon-doha raha ohatra mihazakazaka). - t.i.f.: Mitofina, fitofina, mpitofina 1 miantofina / tofintofina 1 atofintofina, voatofintofina, tafatofintofina / manatofintofina, fan atofintofina, mpanatofintofina / anatofintofinana, fanatofintofinana / mitofintofina, fitofintofina, mpitofintofina / itofintofinana, fitofintofinana. Ahitsio |
Tofezika [admin] | : | a,: Fandehanana mankatsy mankaroa. Ahitsio |
Tofezaka [admin] | : | p. t.: Trotraky ny hanoanana. - t.i.f.: Tofezahina, atofezaka, voatofezaka, tafatofezaka / manatofezaka, fanatofezaka, mpanatofezaka / anatofezahana, fanatofezahana / mitofezaka, fitofezaka 1 itofezahana, fitofezahana / mahatofezaka. Ahitsio |
Tofezahina [admin] | : | (tofezaka) mt. ill. (tofezaho): Tsy omena hanina, avala ho noana. Ahitsio |
Tofendro [admin] | : | a : Fitalahoana mafy dia mafy. - t.i.f.: Mitofendro. Ahitsio |
Tofefika [admin] | : | p.t.: Mihilana, mirai-ka, mirona, mitady hihohoka. 6 t,if,: Atofefika, voatofefika, tafatofefika / manatofefika, fanatofefika, mpanatofefika / anatofefehana, fanatofefehana / mitofefika, fitofefika, mpitofefika 1 itofefehana, fitofefehana. Ahitsio |
Tofatofa [admin] | : | a.: Fihetsiketsiky ny taho malefolefo tsofin'ny rivotra; fihofahofan'ny volon-doha rahamihazakazaka; topatopa. - t.i.f.: Atofatofa, voatofatofa, tafatofatofa / manatofatofa, fanatofatofa, mpanatofatofa / anatofatofana, fanatofatofana I mitofatofa, fitofatofa/itofatofahana, fitofatofahana / mahatofatofa. Ahitsio |
Tofantsika [admin] | : | n.: Fibaraingoana manao andohalambo, fihantsihana, filantsihana. - t.i.f.: Atofantsika, voatofantsika, tafatofantsika 1 manatofantsika, fanatofantsika, mpanatofantsika / anatofantsihana, fanatofantsihana 1 mitofantsika, fitofantsika, mpitofantsika 1 itofantsihana, fitofantsihana / mahatofantsika. Ahitsio |
Toetra [admin] | : | a.: Teny enti-milaza ny hevitra sy ny fihetsika ao amin'ny olona iray, izay anisan'ny mampiavaka azy amin'ny hafa: Mahafinaritra ny toetran'i Naiuo fa tsotra sy tia namana izy. • Fandeha: Ratsy ny toe-barotray ka angamba, hakatonay ny tsena atsy ho atsy. / Tsara ny toetran'ny tafika, ? Laharana: Samy tokony hanao fitafiana araka ny toetrany avy. • Fomba, ny maha-izy ny zavatra iray: Ny toetrantsika olombelona. / Samy manana ny toetrany avy ny zavatra rehetra. • Hatsarana na haratsiana: Ny toetran'ny tanimboly. 1 Fipetraka, fitoetra: Manàna toetra maotina. - t.i.f.: Atoetra, tafatoetra 1 mitoetra, fitoetra, mpitoetra / itoerana, fitoerana / mahatoetra / toetoetra 1 toerana. - F.-p.: Toe-baventy: toetr' olon-dehibe. / Toe-bavy: toetra mitovitovy amin'ny an' ny vehivavy, na amin'ny fihetsika na amin'ny fomba fisaina. / Toe-dahy: toetra mitovitovy amin'ny an'ny lehilahy na amin'ny fihetsika na amin'ny fomba fisaina. / Toe-panahy: toetran'nY fanahy, izany hoe: ny fahamendreham-piainana. Ahitsio |
Toerana [admin] | : | a.: Fipetrahana; ny misy ny zavatra iray andavanandro: Samy ataouy amin' ny toerany auy ny zavatra rehetra. • Fipetraka, fitoetra: Tsy tiako ny toeran'ity trano ity. - F,-p,: Toera-mahery: fampisehoana hasiahana tafahoatra ka tsy mahazaka ilay iharan'izany dia lasa. / Toerana ifandiasana: toerana ifanolosoloana: an'ny iray izao, dia mandimby kosa ny hafa avy eo. / Toeran-tsy zaka: fitondrana ratsy mankaleo, fanaovana izay hialana. Ahitsio |
Toditra [admin] | : | a.: Fanandramana kely ny sakafo andrahoina mbola tsy tena masaka, izay noheverina ho karazana fametavetana fahizay. - t.i.f.: Atoditra, voatoditra / manoditra, fanoditra, mpanoditra / anodirana, fanodirana. Ahitsio |
Todina [admin] | : | (tody) mt. ih.: Ifoterana: Notodin'ny nataony ilay mpifetsifetsy zavatr'olona ka maty fadiranovana. * Ohab.: Todin'ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra: ara-bakiteny: taloha ny nanao fanompoana dia naka ambora (hazo mafy fanao vatam-patan'andriana) tany an'ala; raha nisy nanao kilavadavaka, dia nosazina hitondra izay hazo sendra teny ho eny. ? h.o.: Iharan'ny todin'ny tsy anaovana fanompoana na adidy, ka manjary manao ny tsy fanao. Ahitsio |
Todika [admin] | : | a.: Hodina, fijerena na fanodinana ny loha eo anindrana na any aoriana; herika. i t.i.f.: Todihina, atodika, voatodika, tafatodika / manatodika, fanatodika, mpanatodika / anatodihana, fanatodihana 1 mitodika, fitodika, mpitodika / itodihana, fitodihana / mahatodika / toditodika. Ahitsio |
Todihina [admin] | : | (todiha) mt. ih. (todiho): Enti-milaza zavatra na olona eo anindrana na any aoriana izay jerena ka anodinana ny loha; herehina: Todiho Rakoto ao an-damosinao. • h.o.: Todihina ny lasa. Ahitsio |
Todiana [admin] | : | (Tsm) a.: Voronkely misy fotsy eo amin'ny feny sy eo ambony kibony. ? h. i.: Omby mitovy volo main' ny todiana. Ahitsio |
Tody [admin] | : | p.t.: Tonga an-tseranana: Tody soa aman-tsara ny sambonay. • a.: Valin'ny tao mifotitra amin'ny tena:Ny tody tsy misy fa ny atao no miuerina. - t.i.f.: Todina, atody, voatody, tafatody 1 manody, fanody, mpanody 1 anodiavana, fanodiavana / mitody, fitody, mpitody 1 itodiana, fitodiana / mahatody. - F.-p.: Tsy leo entin-tody: tsy zaka ny tody hahazo ny tena raha manao izany. 1 Tsy tody tsy angatra: tsy zaka, tsy lefitra. / Tsy mataho-tody: olon-dratsy tokony hatahorana satria tsy matahotra ny hanao ratsy anao lzy noho izy tsy matahotra tody. 1 Sakaiza manody: sakaiza nitokisana nefa namadika. / Todin'aina: vaiin'ny ra nalatsaka, valifaty taldn'ny rani olona nalatsaka. / Miantso tody: manana alahelo aman' olona noho ny ratsy nataony tamin'ny tans, ka mirary an'io ratsy io hihatra aminy ihany koa. * Ohab,: Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina: ny tody akory, tsy hoe zavatra mivaingana hita maso eny, fa ny fifoteran'izay nataonao amin'ny tenanao ihany no a-tao hoe tody. Ahitsio |
Toby [admin] | : | a: Toerana ilasian'ny tafika. ? Toerana anorenana trano vonjimaika hitoeran' ny mpiasa toy ny mpihady volamena, manjarano, mpanao laiana; lasy. - t.i.f.: Atoby, voatoby, tafatobylmitoby, fitoby, mpitoby 1 itobiana, fitobiana / mahatoby, tobitoby. Ahitsio |
Tobebaka [admin] | : | p. t.: (harona) Be va-va nefa tsy lalina aty; (trano) iva nefa malalaka; tabebaka. i t.i.f.: Mitobebaka, fitobebaka. Ahitsio |