Teny nampidirina farany

Tefoedra
[admin]
: (fr. typhoïde) a.: A-retina avy amin'ny mikraoby iray manokana izay atao hoe basilin'i Eberth, avy amin'ny sakafo, ary miditra any amin'ny tsinay, ka ny famantarana azy dia tazo tsy mety miafana sy fivalanana matetitetika; raha tsy voatsabo dia miafara amin'ny fahaloahan'ny tsinay ny tefoedra. Ahitsio
Tefitra
[admin]
: p.t.: Be ebo, be hambo, kevokevoka mitady do-ka; kitokitoka raha miteny. - t.i.f.: Mitefitra, fitefitra, mpitefitra 1 mahatefitra. Ahitsio
Tefitra
[admin]
: p.t.: Maimaika er3 hanao, salehotra; misalovana ny tsy raharahan'ny tena. Ahitsio
Tefintefina
[admin]
: a.: Hamailamailahana sy fipentsompentsonana hitsabaka amin'ny raharahan'ny sasany. - t.i.f: Atefintefina, tafatefintefina / mitefintefina, fitefintefina, mpitefintefina / itefintefenana, fitefintefenanaJ mahatefintefina. Ahitsio
Tefy
[admin]
: a.: Fanamboarana vy ho zavatra: Ratsy tefy ity rojo ity izany. 1 h.o.: Famolavolana: Aleo loha tsara tefy toy izay loha nosesefana izao karazam-pahaizana rehetra izao. i t.Lf.: Tefena, atefy, voatefy 1 manefy, fanefy, mpanefy 1 anefena, fanefena 1 mahatefy / tefitefy. - F-p.: Tefy be mivaona: taozavatra maro vita ara-tefy somaradimbana sy be angesongeso; enti-milaza koa fitsarana tsy marina, na firaisan-tetika ahitana olona ma-ro voaringodringotra. / Tefy maika: tefy kongorevo, taozavatra vita tsizarizary mamonjy tavan'andro fotsiny. / Tefy monta: fanefena vy izay tsy nodorana fa novelezina amin'izao; enti-milaza taozavatra natao izay hahavitana azy fotsiny, tsy misy vidiny. Ahitsio
Tefena
[admin]
: (tefy) rut. ih. (tefeo): (metaly) Amboarina: Notefen'iza iny firavakao iny? ? Asiana (totohondry): Notefeko ny totohondry ny anao iahy ka nitsirara. Ahitsio
Tefaka
[admin]
: a.: Zavamaniry iray karazana amin'ny antendry, rofia, voaniho... izay anaovana sahafa na satrolq,a, ary ny lavenony angalana sirahazo izay atao hoe Betefaka (Chrysalidoearpus deeipiens Beeeari-Palm /ers). Ahitsio
Tefaka
[admin]
: a.: Feo re rehefa misy zavatra vaky, toy ny vilany izany. ? Vono amin'ny felatanana, tehamaina. - t.i.f.: Tefahina, atefaka, voatefakalmanatefaka, fanatefaka, mpanatefaka I anatefahana, fanatefahana / mitefaka, fitefaka, mpitefaka 1 itefahana, fitefahana. Ahitsio
Tefahina
[admin]
: (tefaka) mt ih. (tefaho): Asiana tefaka na tehamaina, kapohina: Nahoana no tefahinao ny zanako? ? Asiana teny maharary. Ahitsio
Teboka
[admin]
: a.: Mari-pijanonan-tsoratra (.) ampiasaina rehefa mamarana fehezanteny. - F..p.: Teboka amam pain go (;): mari-pijanonan-tsoratra: -a) entina manavaka fizarazaram-pehezanteny feno fa tsy tanteraka: Auy hatrany dia nanatona andrainy ilay zaza mpandany; niankohoka teo an-tongony dia nifona taminy -b) mba hampisaraka tapa-pehezanteny izay efa samy misy faingo: Toy izao no fipetrakay: teo varatra, i dada; teo atsimo, i neny.../ Teboka roa (:): mari-pijanonan-tsoratra fampiasa -a) eo alohan'ny fitanisanjavatra: Misy efatra ny zoron-trano: ny zoro firarazana, ny zoron'akoho, ny zorom-barauarambe, ny zorombaravarankely -b) alohan'ny fehezanteny manazava na mamelabelatra hevitra na teny iray eo aloha: Ny nanaovako izany dia izao: tsy riako ho fantatry ny olona aho -d) raha mamerina teny nolazain'olona: Hoy Andrianampoinimerina hoe: "Ny ranomasina no ualampariako". / Teboka manontany (1): fampiasa eo aorian'ny fahezanteny manontany: I-za no anaranaoS Ahitsio
Tebiteby
[admin]
: a.: Ahiahy, tahotra, fihavatravatra fa toa hisy hihatra na hanjo ny tena. - t.i.f.: Mitebiteby, fitebiteby, mpitebiteby 1 itebitebena, fitebitebena. Ahitsio
Tebaka
[admin]
: a.: Eso, fanaratsiana, fanakianana noho ny hasosorana na ny tsy fifankahazoana. 1 Fanaovana tsinontsinona, fanatsizarizariana, famotsifotsiana, faniratsirana. - t.i.f. : Tebahina, voatebaka, tinebaka I manebaka, fanebaka, mpanebaka 1 anebahana, fanebahana f mahatebaka I tebatebaka. Ahitsio
Tebahina
[admin]
: (tebaka) rat. ih. (tebaho): Esoina, haratsiana, kianina: Tsy zakako mihitsy ny nataony fa notebahiny teo imason'ny olona teo a-ho. 1 Atao tsinontsinona, tsizarizarina, zimbazimbaina, fotsifotsina: Izao no todin' ny nataonao fa notebahinao ny anatra natao anao. Ahitsio
Teatira
[admin]
: (fr. Théatre) a.: Fampisehoana an-tsehatra tantara mampangitakitaka na mampahonena na mampihomehy, izay velomin'olona hita mihetsika sy miresaka toy ny amin'ny fiainana andavanandro izao: Mijery teat7ra Ahitsio
Te
[admin]
: Jer. Ta. Ahitsio
Tazotazo
[admin]
: a.: Fiboridanana, fitanjahana (tsy fiteny afatsy amin'ny lehilahy). - t.i.f : Mitazotazo, fitazotazo. Ahitsio
Tazonina
[admin]
: (tazona) mt. ih. (tazony): Gejaina, fihinina tsy hihetsiketsika: Tazony mafy ny tady. 1 Tanana tsy hilefa, tsy avala handeha na hiala: Notazonin'ny polisy indray alina ilay nahina ho mpangalatra. 1 h.o.: Tazon y ao an-tsainao izany anatra izan y. Ahitsio
Tazona
[admin]
: a.: Fitanana mafy; famihinana, fanagejana tsy hihetsiketsika, tsy famelana handeha na hiala. - t.i.f. Tazonina, atazona, voatazona, tinazona 1 mita-zona, fitazona, mpitazona 1 itazonana, fitazonana / mahatazona. Ahitsio
Tazo
[admin]
: a.: Karazan'aretina manrpanetsetra sy miteraka fanaviana izay mampisondrotra ny hafanana ary mandreraka tsikelikely: Nandringana oiona izaitratra ny tazo fahiny teto Madagasikara. / "Injany man4ko ny kotrok'orana, — Mandreraka sady mandazolazo -- Tsapaina ny fo, ha mangorangorana — Mata-na kanefa tsy uoan'ny tazo" (S. BEM). ? h,a.: Aretim-panahy noho ny fahavoazana iray lehibe nihatra tamin'ny tena: Voan'ny tazomkarena Rmngahy iny. Ahitsio
Tazanina
[admin]
: (tazana) mt. ih. (tazano): Jerena lavidavitra: Tazano irv vorona ir? fa mihevingevina toa hianjera. Ahitsio