Teny nampidirina farany

Tenona
[admin]
: a: Fanaovana lamba amin'ny fampidipidirana karazan-kofehy roa: ny tenany mitsangana ary ny fahany mitsivalana: Mahay tenona ve ianao? ? Ny lamba vita araka ny voalaza etsy ambony: Mafy ve ny tenona betsileo? t.i.f : Tenomina, voatenona / manenona, fanenona, mpanenona / anenomana, fanenomana / mahatenona. Ahitsio
Tenomina
[admin]
: (tenona) mt. ih. (tenomy): Atao tenona, izany hoe, atao lamba amin'ny fampidipidirana ny kofehy mitsangana sy mitsivalana: Notenomin'ny Ntaolo ny tsiratsiraky ny uatan'akondro nanaovany lamba atao hoe lamba sarika. Ahitsio
Tenisy
[admin]
: (fr, tennis) a.: Lalao fanatanjahan-tena ifaninanana mpilalao roa na efatra (roa an-kilany avy), izay mikapoka baolina kely amimpahakingana sy tanjaka eo ambony harato mivelatra mitsangana ary ao anaty faritra tsy azo amelana ny baolina hivoaka. Ahitsio
Tenitra
[admin]
: a.: Teny fanesoana a-tao amin'ny fomba toa mieboebo; tebaka; fanakianana miaraka amin'ny fiheverana ny sasany ho tsinontsinona. i Tenerina, voatenitra J manenitra, fanenitra, mpanenitra J anenerana, fanenerana / mahatenitra. Ahitsio
Tenindahy
[admin]
: a.: Karazan-tenina maina amin'ny ririnina. - F.-p.: Tenindahy ririnina: raha sendra misy mahita ny tenindahy mamony amin'ny ririnina (fotoana mahamaina azy) dia mihevitra izany ho fambara loza. Ahitsio
Tenina
[admin]
: a.: Ahitra lavalava manindrona sahala amin'ny tsilo raha vao mitsify ny raviny ary fanao tafon-trano. Ahitsio
Teny
[admin]
: p.mt.: Endriky ny p. mt. "eny" ilazana ny lasa: Nisy olona efa teny amin'ny vola-na ve tamin'ny tanna 1920? Ahitsio
Teny
[admin]
: a.: Feo avoakan'ny vavan'ny olombelona, izay misy heviny: Tsy nanonona teny na dia indraim-bava aza izy. • Fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra: Misy teny telo ao amin'ny hoe: "Io eo Rakoto". • Enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain'ny fixe-nana samihafa: Mahay teny anglisy ue ianao? - t.i.f.: Tenenina, ateny, voateny I miteny, fiteny, mpiteny / itenenana, fitenenana J mahateny / teniteny. - F.-p.: Azon-teny: voaraorao amin'ny raharaham-pitsarana na ampangain'olona. / Manao teny maharary: manao fitenenana mandatsa, izay tsaroana manaikitra any anaty any. / Manao teny tsy tsaroana: mandefa teny tsy voahevitra noho ny hatezerana. /Manipy teny: manoro hevitra, manome hevitra, manolo-tsaina. / Mitondra teny tanora: mitati-bolana. /Mararin-teny: ilazana ny olona mora misafoaka sy tezitra raha misy teny mikasika azy. / Mavo teny: tsy henoin-teny ary esoesoina amin'izay lazainy. / Teny am-bava: filazana na fanambaranahafatra atao am-bava ihany fa tsy antsoratra, ohatra. J Teny an' orona: teny mingonongonona somary kentsona. / Teny arakaraka: teny mamerina izay nolazaina nefa misy heviny hafa. J Teniko fe-andriana, teniko fe lehibe: teny mampiseho fahefana tsy azo toherina, tsy iadian-kevitra fa ekena fotsiny amin'izao, / Teny manjohy, na teny mileuina ambanin'ny tany: teny tsiambaratelo mety hampidi-doza ny mpilaza raha mivoaka. / Tenim-bahoaka: hevitra ankasitrahan'ny be sy ny maro. / Tenim-behivauy: ilazana ny teny fanaon' ny olona migorerarera. / Tenim-pandroana: anjara vola amin'ny lany rehefa mamono ombim-pandroana. / Teny mby am-bato: ilazana ny teny voatana tsara, tsy lazaina na amin'iza na amin'iza. / Tenim-bola: fahefana ananan'ny vola, ka raha misy raharaha atao, ara-bola no ibaikoana sy andidiana ny hafa (ankehitriny, dia atao koa hoe totohondry vola). / Teny miera, teny ierana: teny na hevitra aseho hifanarahan'ny mpiombona adidy. / Teny mora: teny mamy sy malefaka atao handaminana raharaha. / Tenin'aina; manao tenin'aina: tanjaka sy hery manampatra ny tanjaka fotsiny, fa tsy mampiasa ny saina eo ampanaovana izay atao. / Tenin'andriana: ilazana ny didin'ny mpanjaka tsy azo la-vina na iadian-kevitra. / Tenin'antitra na tanin' ad ala: teny na resaka miverimberina sy ventesina tsy misy antony. / Teny azon'adala: enti-milaza ny teny averimberin'ny olona tsy ampiampy saina na dia amin'ny toejavatra tsy mifanandrify aminy aza. / Tenin-dahy: teny henjana sarotra ifampiraharahana. / Tenin'ny maty an-drano: tenin'olona mampanantena zavatra be eo amin'ny loza mahazo azy, ne-fa tsy tanterahiny rehefa afa-doza izy. / Tenin-karena: ny harena ananana no entina mibaiko sy mandidy ny hafa. / Teny tsy loa-body: teny tsy lazaina manontolo, fa tapahina eo an-tenatenany ary misy heviny afenina. / Tenin'ny maro: ny hevitry ny betsaka. / Teny tsy Io: ilazana ny teny izay tsy nandalo na niserana fotsiny fa tadidy mandrakariva. / Teny imaso tsy mba kilema: enti-milaza hevitra aseho am-pahatsorana na dia tsy hahafaly ilay ilazana azy aza, sao manjary fanaratsiana na fifosana raha any amin'ny takona. J Teny tsy valiana: baiko tsy maintsy tanterahina. / Teny vaventy: teny misy avons sy fandrahonana. / Teny vita: ilazana fifanarahana efa tanteraka, na didim-pitsarana efa nivoaka. / To teny: ekenteny. J Reniteny: teny misy hevitra ampahafantarina (oh. kapoka). / Zanateny: izay rehetra tsy reniteny, ka mety ho tsirinteny (mi-, -ina, na singan-teny (ka, ny...). / Teny verindroa (jar. verindroa). / Kamban-teny: teny avy amin'ny teny vitsivitsy nakambana (viliantsahona). / Fakan-teny: razam-be niavian'ny teny iray, oh, fahana, avy amin'ny fakan-teny indonezianina "pakan". 1 Fototeny: teny niavian'ny teny iray ara-piforonana, oh. sarahina, avy amin'ny fototeny hoe "saraka". * Ohab.: Mararin-teny ka tia takarina: enti-milaza ny olona mora misafoaka sy tezitra raha vao mahare teny mikasika azy, nefa izy loza raha handeha mamonjy sakafo any amin'olona, ka tsy maintsy ataon'ny olona resaka noho izany. Ahitsio
Tenerina
[admin]
: (tenitra) mt, ih. (tenero): Esoina, tebahina. Ahitsio
Tenenina
[admin]
: (teny) mt. ih. (teneno): Avoakan'ny vava, lazaina: Teny tsy azo tenenina izany. (• Amhara, lazaina: Tsy hay tenenina ny zauatra nataony. ? Didiana, omena teny, baiko: Hoteneniko izy mba hamangy anao. ? Anarina na tezerana fa nanao ratsy: Teneno kely ny zanakao fa manimba ny uoninkazonay amin'ny baoliny. ¶ M. h.: Tezerana, terezana, levilevena, baibaisina, bedesina, besobesoina, karamentsonina, kitakitaina. Ahitsio
Tenehina
[admin]
: na Tanehina (tanika) mt. ih. (taneho, teneho): Ampangotrahina, andrahoina, empoina: Notenehiny adiny iray ny hena vao masaka 1 Enjehina sy zohina tsy an-kijanona, tanarahina: Tenehin' ny tompon-trosa izy ka tsy tamana teto amin'ny fokontany. Ahitsio
Tendrombohitra
[admin]
: a: Havoana lehibe hita mandondona avo sady sarotra anihina, - t.i.f.: Manendrombohitra. - F.-p.: Tandauan-tendrombohitra: tendrombohitra mitandavana mitohitohy hatrany. / Tangoronan-tendrombohitra: tendrombohitra mitangorongorona betsaka. * Ohab.: Tendrombohitra fandrian'ny zauona;lohasaha fandrian'ny moka; sakeli-drano fandrian'ny mamba; izaho, kely fandrian'ny saina: enti-milaza fa samy manana ny andrafkiny avy ny olona, na koa enti-milaza ny mahaambony ny olombelona, izay kely sy bitika miolotra amin' ny zavaboary nefa mihoatra azy ireo noho ny sains,. / Tendrombohitra sy zauona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona: enti-milaza ireo olona velonkorana er$ rehefa tafahaona, nefa rehefa tafasaraka tsy mifampahatsiaro akory, na dia an-taratasy tua. / Tendrombohitra tsy ilaozan'ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan'adala, kabary be tsy ilaozan-diso: entina miala tsiny ka ilazana fa amin'ny zavatra maro atao tsy maintsy misy izay tsy metimety, misy kilemany. Ahitsio
Tendroina
[admin]
: (tendro) mt. ih. (tendroy): Raisins, alaina amin'ny tendrony. Ahitsio
Tendroilo
[admin]
: a.: Karazan'ahitra (Crotalaria tentas, Baker). Ahitsio
Tendro
[admin]
: a: Mari-tsoratra (') fanao eo amin'ny zanatsoratra misy tsindrimpeo: lalàna. Ahitsio
Tendro
[admin]
: a.: Ny ilany ambony indrindra, ny tampony amin' ny zavatra iray lava na avo: Tapaho ny tendron'io tady io. / Misy sarin'akoholahy er? an-tendron'ny tranon-dakolosy. 1 Tendroina, voatendro, tinendro / manendro, fanendro, mpanendro / ariendroana, fanendroana / mitendro. * F.-p.: Tendron'orona: ny faritra mandroso indrindra amin'ny orona. J Tendrontaua: Ny taolana na faritra mivohitra amin'ny tava eo ambany kelin'ny maso, taolan-tava. / An-tendro-molotra: enti-milaza filazana teny na fanaovana asa soa ety ivelany fotsiny fa tsy latsaka anaty; enti-milaza koa teny toa efa ao am-bava ao fa tsy tafavoaka. / Mandray an-tendrony: tsy mbola mahalala izay tena antony akory dia mitsara sahady. / Eny amin' ny tendrony: eny amin'ny laingony avo indrindra amin'ny hazo. / Tany an-tendrony: tany am-boalohany, tany am-piandohana. Ahitsio
Tendry
[admin]
: a.: Fikasihana kely zavatra. • Fikasihana zavamaneno mba hamoahany feo: Tendry valiha. • Fihinanana zavatra kely. • Teny na didy manondro olona hanao zavatra, na manondro ny zavatra hataony na ny toerana halehany: Tendry avy amin'ny lehibe izany. ? Fanondroana avy amin'Andriamanitra mahatonga ny olombelona hiharan'izao sy izao: Ry foko ô, mion?na... manaouaalahelo hendry — ka ekeo ho fitondrana ny anjara sy ny tendry (Dox). • Fanondroana olona, torotorohana: Tan-dry mosauy. •Ilay mari-tsindrimpeo atao eo ambonin' ny tarehintsoratra a na f na o: à, f, d. 1 Tendrena, atendry, voatendry, tinendryJmanendry, fanendry, mpanendry J anendrena, fanendrena / mitendry, fitendry, mpitendry / itendrena, fitendrena J mahatendry / tendritendry. * F.-p.: An- tendry: fikasikasiham-poana. Ahitsio
Tendrena
[admin]
: (tendry) mt, ih. (tendreo): Kasihina amin'ny loharantsana: Notendreko ny sorony dia niherika izy, • (zavamaneno fitendry) Kasihina mba hamoaka feo: Notendreny ilay gitara ka nangina daholo ny tao an-trano. * Tondroin'ny lehibe na ny fanjakana hanao zavatra na hiasa amin'ny toerana iray: Tamin'ny 1972 izy no notendrena ho any Toamasina. * Asiana mari-tsindrimpeo: Tokony hotendrena ny a faharoa amin'ny teny hoe "lalàna ". 1 Ihinanana kely. Ahitsio
Tendana
[admin]
: (tenda) p.t.: Sarotra an-kanina, izany hoe mahery mihinana lozantany. ¶ M.h.: Sarotra an-kanina, sarotra, fatihanina, maty ankanina, be tenda, tenda ankarrirra, tendana. Ahitsio
Tendakely
[admin]
: a.: Ny lalandrivotra mankamin'ny vavony. Ahitsio