Teny nampidirina farany

Torobosoa
[admin]
: (fr. tire-bouchon) a.: Karazana rindram-by misy tahony atao fanatsoahana ny bosoa amin'ny vava tavoahangy. Ahitsio
Toroana
[admin]
: (toro) mt. pdr. (toroy): Enti-milaza ny olona ilazana hevitra, zavatra; ampianarina: Olona tsy azo toroana heuitra Rakoto. Ahitsio
Toro
[admin]
: p, t.: Voaporitra, voatoto: Toro ny tanako uoakaton'ny varavarana. Ahitsio
Toro
[admin]
: a.: Fanondroana, fampahafantarana, filazana, fampianarana: Toro lalana, torohevitra. - t.i.f.: Toroana, atoro, voatoro / manoro, fanoro, mpanoro 1 anoroana, fanoroana / mifanoxo / mampanoro / mahatoro /torotoro. Ahitsio
Torisika
[admin]
: a.: Famporisihana ny alika hiady na hanaikitra olona. - t.i.f.: Toxisihina, torosihina / atorisika, voatorisika / manatorisika, fanatorisika, mpanatorisika / anatorisihana, fanatorisihana / mampitorisika J ampitorisihina J mahatorisika. Ahitsio
Torisihina
[admin]
: Torosihina (torisika) mt. ih. (torisiho): Amporisihina (fiteny amin'ny alika amporisihina hiady na hanaikitra olona). Ahitsio
Toringana
[admin]
: p.t.: Kotringa, tolila. tolitsika. - t.i.f.: Mitoringana, fitorin-,gana. Ahitsio
Torina
[admin]
: (tory) mt. ih. (torio): Silahina ny tsiratsirany: Torio ity rongony madinika ity. • Didiana atao didy vaventy: Torio io omby io. • Avahana amin'ny tory na soritra: Tokony hotorinao ny tanim-boangahazonao. Ahitsio
Torina
[admin]
: (tory) mt. ih, (torio): Lazaina sy voasana: Hotorina eran'izao tontolo izao ity Evanjely ity. Ahitsio
Torina
[admin]
: (tory) mt. ih. (torio): Ampangaina amin'ny manam-pahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Hotoriko ianao fa nanala baraka ahy. Ahitsio
Torimaso
[admin]
: a.: Fialan'ny tena sasatra amin'ny fikimpian' ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena (jer. Tory). - F.-p.: Torimason'akoho: enti-milaza sarintsarin-torimaso fa tsy tena matory. Ahitsio
Tory
[admin]
: sy Torimaso a.: Fotoana ialan'ny tena manontolo sasatra amin'ny fikimpian'ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena, ka ny asa tsy miankina amin'ny sitrapo marnelona ny tena ihany no sisa mandeha, toy ny fitepon'ny fo, ny fakana fofon'aina...: Resin-tory aho tamin'ny fijerena sarimihetsika. / Rendrika ao anatin'ny torimaso izy. - t.i.f.: Matory, matoritory, fatory, mpatory i atoriana, fatoriana. - Mahazo tory: rendrika arnin'ny torimaso. / Miari-tory: minia tsy matory no-ho ny antony iray. / Resintory: tsy mahatohitra ny torimaso fa renoka. J Sondriantory: tsy mahatsiaro, tsy taitra amin'ny fotoana tokony hifohazana. J Tory masiaka: torimaso tapatapaka fa misy mpanaitaitra, hany ka milondolondo te hatory ny maso na dia efa mifoha aza. Ahitsio
Tory
[admin]
: a.: Filazana, fandaharana sy fivoasana ny tenin'Andriamanitra. i tif: Torina, voatory i mitory, fitory, mpitory J itonana, fitoriana. Ahitsio
Tory
[admin]
: a.: Fiampangana olona iray ho nanao ratsy eo anatrehan'ny antokon-draharahampitsarana.I fi, f.: Torina, voatory, tinory J mitory, fitory, mpitory 1 itoriana, fitoxiana 1 mifampitory / mahatory J toritory. Ahitsio
Tory
[admin]
: a.: Fanesorana ny kiranjavatra hahazoana kofehy. • Fakana ny tadim-baliha amin'ny tenany ihany, na ny tadim-baliha mihitsy: Valiha tory folo. 1 Fandrasana hena izay atao didy vaventy: Torin-kena: hena vita didy vaventy mitsoriaka. ? Soritra enti-manasaraka fari-tanimbary na tanimboly, na ny tanimboly voasarak'io soritra io mihitsy: Mangahazo iray tory. - t.i.f.: Torina,voatorylmitory, fitory, mpitory / itoriana, fitoriana / mahatory. • F.-p.: Tory hisatra: famakivakiana ny hodi-jozoro efa voaendaka araka izay itiavana azy. J Varavarana tory hisatra: lela varavarana nolalarana mitsoriadriaka manaraka ny lavany mitovy elanelana. J Tory kisina: hata-piso, hatak'adala manao lemozy. J Torim-boanjo: tanimboanjo voasoritsoritra lavalava mitandahatra. / Manao torim-boanjo ny.lanitra: flazana ny rahona toa mivongambongana na mitsitokotoko eny amin'ny habakabaka. / Torin'asa: tanimboly efa voasoritsoritra lavalava mitandahatra. / Torin-tany: sa-ha voafefy sy voafaritra. Ahitsio
Torevaka
[admin]
: a.: Toetran'izay mipetraka fotsiny tsy manao na inona na inona fa varimbariam-poana eo. - t.i.f.: Atorevaka, tafatorevaka / manatorevaka, fanatorevaka, mpanatorevaka J anatorevahana, fanatorevahana / mitorevaka, fitorevaka, mpitorevaka / itorevahana, fitorevahana I mahatorevaka / torevadrevaka. Ahitsio
Toretra
[admin]
: p. t.: Enti-milaza ny voankazo vokatra mitangongo eny ambony hazo. ? Mikainkona, mifendrotra. 1 Tsy kinga, votsa, kisinina, osa. 1 t.if.: Mitoretra, fitoretra, mpitoretra / mahatoretra / toredretra. Ahitsio
Toreraka
[admin]
: Mitovy amin'ny Torevaka. Ahitsio
Toreo
[admin]
: a.: Feom-borona mitaraindraina; feo mampahonena; fiangaviana fatratra; hataka arahim-pitaraindrainana. - t.i.f.: Atoreo, tafatoreo 1 mitoreo, fitoreo, mpitoreo J mahatoreo J toreoreo . Ahitsio
Torendrena
[admin]
: Mitovy amin'ny Tandrendrena. Ahitsio