Teny nampidirina farany

Taranahina
[admin]
: (taranaka) p.t.: Akana taranaka (fiteny amin'ny biby sy ny zavamaniry): Hotaranahiko ity paiso ity fa tena mba mamy. Ahitsio
Taralila
[admin]
: a.: Karazan'angorodao, fahita any amin'ny Betsimisaraka. Ahitsio
Tarainina
[admin]
: (tarama) mt. ih. (taraino): Lazaina amim-peo mitoreo fa marary: Ny tanany no taraininy. Ahitsio
Taraina
[admin]
: a.: Menomenona.l Fitantarana ny mahazo ny te-na. • Toloko aman-toreo no-ho ny fahararian'ny tena. ? Feon-kira mitoreo malahelohelo. - t.i.f.: Tarainina, tafatarainal mitaraina, fitaraina, mpitaraina 1 itarainana, fitarainana 1 mahataraina I taraindraina. Ahitsio
Taraiky
[admin]
: a.: Anarana laharantsikidy. Ahitsio
Taraiky
[admin]
: sy Taraikiraiky p.t.: Adaladala mitahontahona, tsy mailaka, mitavozavoza.l h, i.: (ankehitriny) Mitaredretra ka tratra aoriana amin' izay atao. Ahitsio
Taraiky
[admin]
: Manao zavatra miadan-doatra. Ahitsio
Tarafina
[admin]
: (taratra) mt. ih. (tarafo): Ilazana zavatra (fitaratra na rano) ianjeran'ny hazavana ka mamerina io hazavana io indray: Tarafin'ny masoandro ny rano ka ma-mono maso. • Ilazana zavatra iray jerena avy lavitra ka ny tanana atao eo ambony maso mova tsy ny mamory ny hazavana: Notarafiko no f(ieriko azy. ? Ilazana zavatra jerena avy ao am-badika lamba tantera-pahazavana: Notarafiko tamin'ny lambam-barauarankely ka nidoboka iray ihany ny ambavafoko nahita ireo olona an-jatony maro. • h.o.: Tsikilovina: Notarafin'ny fahaualo ny tanna. ¶ M.h.: Tilina, tsikilovina, zahana taratra. Ahitsio
Tarabiby
[admin]
: a.: Hala misy poizina (Thomisus foka, Vinson) Ahitsio
Tara
[admin]
: (fr. tard, en retard) p.t.: Diso fidirana, tsy tonga amin'ny fotoana fidirana: Sazin'ny mpampianatra izay mpianatra tara. • Tratra aoriana: Tara be ny zanakao raha 15 taona izy nefa mbola uao T5 ihany. Ahitsio
Tara
[admin]
: (angl. tar) a.: Zavatra mainty madity azo avy amin' ny fisitlliana arintany, fantatra indrindra amin'ny anarana hoe godorao. Ahitsio
Tapotsiny
[admin]
: a.: Tsiranorano madity fotsifotsy ao amin'atody, izay manodidina sy mambomba ny tamenany. (Ny tamenany no tonga voronkely fa ny tapotsiny kosa sakafo ivelomany), • Ny fotsifotsy ao amin'ny maso. Ahitsio
Tapoaka
[admin]
: a: Rano mamorivory, mandroadroatra: Tapoadrora; tapoa-tsavony. • Fipoahana balaonina na tatavia feno rivotra ka vaky. Ahitsio
Tapitrisa
[admin]
: p.i. na a.: Milaza fo-Io hetsy, na 1.000.000 amin' ny tarehimarika. Marihina fa eo amin'ny tapitrisa, dia manomboka miverina tahaka ny tamin'ny "isa" indray ny fanisana malagasy: oh. 280. 000.000 dia tononina hoe Valopolo amby roanjato tapitrisa, fa ny 280.000 kosa: Valo alma sy roa hetsy. Ahitsio
Tapitra
[admin]
: p. t.: Vita tanteraka, tomombana: Misaotra fa tapitra ny asa nataonao. *Tay misy mijanona na kely aza, lany, foana: Tapitra ny vara tao an-tsompitra. • Vita, izay no izy: Tapitra ny tan-tara. • (vola) Voaloa daholo, tsy misy sisa mijanona: Tsarouy tsara fa tapitra izay ny volanao a! - t.i.f.: Taperinal manapitra, fanapitra, mpanapitra I anaperana, fanaperana / mahatapitra. Ahitsio
Tapitapy
[admin]
: Tsitapitapy a.: Fiatoatoan'ny rano mitete na zavatra milatsaka fa tsy migororoana na migorodana; fahatongavana na fandalovans amin'ny toerana iray, ka tsy tonga indray mandeha fa ny iray na ny vitsivitsy aloha no mandalo; fiatoana, fampoelana. - t.i.f.: Atapitapy, voatapitapy, tafatapitapy 1 mitapitapy, fitapitapy, mpitapitapy 1 itapitapiana, fitapitapiana 1 mitsitapitapy. Ahitsio
Tapika
[admin]
: a.: Kilalao ifanaovan' ny ankizy manao izay hianjeran'ny zavatra eny an-tanan'ny namany amin'ny fipehana azy, ka raha latsaka dia lasany na isasahana aminy: Miombona tapika. - t.i.f.: Tapihina, voatapi• ka 1 manatapika, fanatapika, mpanatapika 1 anatapihana, fanatapihana 1 mahatapika. Ahitsio
Tapika
[admin]
: na Tapiny a.: Enti-milaza zavatra vitsivitsy, tsy betsaka, anatin'ny maro: Tapiny ihany no hitanay tamin' ireo tompon-tany, fa raha vao tonga izahay dia Lasa niery daholo ny ankamaroany. • Singantsingany mialoha lalana ary manambara ny maro mbola eo aoriana. - F,-p.: Tapi-balala: valala vitsivitsy miseho mialoha, ka ahalalana ny ho avy avy aoriana. / Tapik'olona na tapikan'olona: olona vitsivitsy monja. / Tsy misy tapik'olona na iray akory aza: tsy misy na dia olona iray akory aza. Ahitsio
Tapihina
[admin]
: (tapika) mt. ih, (tapiho): Pehina (araka ny voalaza amin'ny tapika ft.): Nahoana no tapihinao ny uatomamy ety an-tananay nefa isika tsy niombona tapika akory? Ahitsio
Tapiaka
[admin]
: a.: Feon'ny zavatra mitefoka mafy, toy ny hazo mirefotra raha tapahina. - t.i.f.: Mitapiaka. - F.-p.: Tapia-koho: feo na fanenon'ny hoho akasika ho-ho hafa. Ahitsio