Teny nampidirina farany

Tatao
[admin]
: (Atm) a.: Harona hasiana ny vary voajinja. Ahitsio
Tatamo
[admin]
: a.: Voninkazo volomparasy, vonin'ny voahirana, izay misandrahaka mahafinaritra eny ambony rano: Tatamo anie aho ka tatamo, tatamo am-parihin-dRasahala: raha tezitra, miara-mihodina; raha faly, miara-mirona (haintenin'ny Ntaolo). Ahitsio
Tataka
[admin]
: p.t.: Rovitra somary lavalava, mitsifaka: Tataka ny zipony. 1 Misy banga na tatatra na loaka somary lava-lava: Tataka ny fefiloha ka lasa namonjy daholo ny uatan-dehilahy, 1 Nahafahana betsaka (harena), foan-tanana, lany harena: Tataka ny haren-dRakoto. / Tataka Ra-koto. - t.i.f.: Tatahana, atataka, voatataka / manataka, fanataka, mpanataka / anatahana, fanatahana / mitataka, fitataka, mpitataka / itatahana, fitatahana / mahatataka. Ahitsio
Tatàka
[admin]
: a.: Paipaika kely mitohitohy; pipika heno rehefa manantsody landy. - t.i.f.: Atatàka / manatatàka / mitatàka. Ahitsio
Tatahana
[admin]
: (tataka) mt. ih. (tataho): Didiana na rovitina manaraka ny lavany: Notatahan'ny ankizy ny kibon' ny tanalahy, / Asiana loaka na banga na tatatra: Notatahan'ny fokonolona haingana tao Ananona ny rano fa efa saiky uaky ny fefiloha. Ahitsio
Tatafoka
[admin]
: a.: Fahapotrahana mitsotra mivalandotra amin' ny tany (jer. Tatavoka). - t.i.f.: Miantatafoka. Ahitsio
Tasiaka
[admin]
: p. t.: Fisaka marivo aty, saliaka, talesaka. Ahitsio
Tasy
[admin]
: (fr. tache) a.: Pentina mandoto: Tsy sahiko entina io lambako io fa misy tasy. Ahitsio
Tasy
[admin]
: (fr. tasse) a.: Villa kely atao tsikalan'ny kaopy: Tasin-kafe. Ahitsio
Tarozaroza
[admin]
: a.: Jar. Tarozaka. Ahitsio
Tarozaka
[admin]
: a.: Toetran'ny zavatra lava miraviravy, misy miramborambo eo am-pihantonany. - t.i.f.: Mitarozaka, fitarozaka. Ahitsio
Taroma
[admin]
: (Ski) a.: Hazo meloka mivolantsinana atohitohy hametahana ny hazofisaka amin'ny fanaovana botry. Ahitsio
Taroka
[admin]
: sy Tarotaroka a.: Tai-moka na tsirin-javamaniry mbola tanora vao nitrebona, na ny ravina maitso vao namelana. - t.i.f.: Manaroka / anarohana, fanarohana / mitaroka, fitaroka. ¶ M.h.: Tsimoka, laingo. Ahitsio
Taritina
[admin]
: (tarika) mt. ih. (tarito): Sintonina: Taritin'ny soavaly ny kalesy. Ahitsio
Taritarika
[admin]
: (fr. tartrique) a.: A-sidra mahery. Ahitsio
Taritarika
[admin]
: (Atm) a.: Tady taretra lava be izay henjanina eo ambonin'ny tanimbary vao noketsaina ka misy kofehy singory isaky ny 10 sm; voasingotra amin'ireny kofehy kely ireny ny voronkelY mitady hihinana ny vary vao noketsaina. Ahitsio
Tarimo
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny kibondranjo. 1 Fivontosana. Ahitsio
Tarika
[admin]
: a.: Fisintonana, fanaovana izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena: Taribato. 1 Fitaomana. • Fanoroana lalana, fitondrana. 1 Antokon'olona miaraka milalao, mihira na mandihy eo ambany fifehezan'olona ray: Tarik'i Rainizafitsimrhogo. 1 Metaly nohalavaina ho tsorany: Tari-by, tari-barahina (izay soratana mate* ka tariby...). - t.i.f.: Taritina / tarihina, atarika, voatarika f mitarika, fitarika, mpitarika f itarihana, fitarihana / mahatarika. - F.-p.: Tari-dositra: fihatahana tsikelikely tsy tena mitsoaka avy hatrany. / Tarijoro: fomba fitondran'ny olona ny lambany raha la-va, izay ataony mitaritarika eny amin'ny tany ny zorony.jTay tia tari joro: tsy mihambohambo, satria, taloha, ny lava lamba dia noheverina ho mpanankarena. Ahitsio
Tarihina
[admin]
: (tarika) mt. ih. (tariho): Sintonina: Kalesy tarihin-tsoaualy. / Taomina: Notarihin'ny naman-dratsy no nampioua an'iny touolohy iny. / Entina: Raha tarihin'olona sady mahay no manao ny marina ny firenena dia ho sambatra sy handroso. 1 Atomboka sy tantanana, aingaina: Tariho ny fivauahana, ny hira. Ahitsio
Tarigetra
[admin]
: a. (T - ar - igetra, jer. Tigetra): Zavatra boribory fisaka toy ny vola izay apetraka lavitra hizarana mitifitra. 1 Zavatra na biby na olona kendrena hasiana. 1 Filamatra na foto-kevitra kendrena hotratrarina: "Vita haingana sady tsara" no tarigetran' ity trano fandrafetana ity. Ahitsio